FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/12 p. 4-7
  • Mitadiava Olona Alohan’ny Hitoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitadiava Olona Alohan’ny Hitoriana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Miahy ny Marenina Andriamanitra
    Foto-kevitra Hafa
  • Karakarao Izay Ilain’ny Marenina mba Hanatonany An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 7/12 p. 4-7

Mitadiava Olona Alohan’ny Hitoriana

1. Nahoana no zaraina arakaraka ny fiteny ny faritanin’ny fiangonana sasany?

1 Nahazo fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka “niteny tamin’ny fiteny maro samihafa” rehefa niresaka tamin’ireo olona maro avy any an-tany lavitra. (Asa. 2:4) Olona 3 000 teo ho eo no natao batisa, vokatr’izany. Mahaliana fa toa nisy fiteny niombonan’ny ankamaroan’izy ireo. Teny hebreo na grika angamba izany. Tian’i Jehovah hotorina amin’ny fitenin-drazan’izy ireo anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Vonona kokoa handray ny vaovao tsara mantsy ny olona raha amin’ny fiteniny no andrenesany an’izany. Izany no mahatonga ny faritanin’ireo fiangonana hozaraina arakaraka ny fiteny, any amin’ny toerana misy olona mampiasa fiteny samihafa.—Jereo Voalamina, p. 107, feh. 1-2.

2. a) Inona no atao rehefa mitady olona, ary aiza no mety hilana an’izany? b) Ahoana no azon’ny fiangonana ifanampiana? d) Ahoana no atao raha sendra olona mampiasa fiteny hafa isika ka liana izy?

2 Afaka mitory isan-trano fotsiny ianao raha mitovy ny fitenin’ny olona ao amin’ny faritaninao. Tsy toy izany anefa ny any amin’ny tanàn-dehibe misy olona mampiasa fiteny maro, satria fiangonana amin’ny fiteny maromaro no mety hitory amin’ny faritany iray. Mety hahita olona mampiasa ny fiteninao ny fiangonana hafa ary hanome anao ny mombamomba an’ilay olona. Andraikitry ny fiangonana na antoko-mpitory misy anao anefa ny mitady ny olona azonao itoriana. (Jereo ilay efajoro hoe “Mifanampia.”) Mila mitady olona àry ianareo, izany hoe manao zavatra mba hahitana olona mampiasa fiteny iray. Mety ho teny sinoa izany na tenin’ny tanana malagasy. Ahoana no anaovana an’izany?

3. Ahoana no hamaritan’ny fiangonana na antoko-mpitory iray ny toerana hitadiavany olona, sy ny fotoana holaniny amin’izany?

3 Fomba andaminana ny fitadiavana olona: Miankina amin’ny zava-misy ny fotoana tokony holanina amin’ny fitadiavana olona, any amin’ny toerana ampiasana fiteny maro. Mila dinihina, ohatra, hoe firy ny olona mampiasa an’ilay fiteny, firy ny mpitory, ary firy ny adiresy efa ananan’ilay fiangonana na antoko-mpitory. Tsy voatery hitovy ny fikarohana ataon’ny fiangonana iray amin’ny faritaniny rehetra. Mety ho tiany ny hifantoka amin’ireo toerana be olona mampiasa an’ilay fiteny ao amin’ny faritaniny, sy ireo toerana tsy lavitra loatra. Tokony hanana fandaharana voalamina tsara anefa izy mba ho betsaka araka izay azo atao no ho afaka hiantso ny anaran’i Jehovah.—Rom. 10:13, 14.

4. a) Ahoana no tokony handaminana ny fitadiavana olona? b) Milazà fomba sasany hitadiavana olona mampiasa ny fiteninao.

4 Tokony handamina sy hanara-maso ny fitadiavana olona ny anti-panahy, indrindra fa ny mpiandraikitra ny fanompoana, amin’izay ny mpitory tsy mamerina ny zavatra efa vitan’ny hafa. (1 Kor. 9:26) Rahalahy iray mahafeno fepetra notendren’ny anti-panahin’ny fiangonana mpiahy no hitarika ny fanompoana, ho an’ny antoko-mpitory miteny vahiny. Tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana io rahalahy io. Fiangonana sy antoko-mpitory maro no manana fandaharana voalamina tsara mba hanaovana fikarohana mialoha. Mety hampiasa Internet izy ireo na boky misy lisitry ny nomeraon-telefaonina mba hanangonana anarana fahita amin’ilay fiteny. Atomboka avy eo ny fitadiavana olona, ka antsoina an-telefaonina na tsidihina any an-tranony izy ireo mba hahitana an’ireo adiresy tokony hampidirina ao amin’ny faritany. Raha mety, dia afaka manao fandaharana ny anti-panahin’ilay fiangonana mpiahy indraindray mba hahafahan’ny fiangonana manontolo handray anjara amin’ilay fitadiavana olona.—Jereo ilay efajoro hoe “Fomba Hitadiavana Olona Mampiasa ny Fiteninao.”

5. a) Milazà soso-kevitra sasany ho an’ireo mpitory mitady olona. b) Inona no azontsika tenenina rehefa mitady olona?

5 Tokony hanana tanjona mazava tsara isika isaky ny hitady olona, ary tokony ho toy ny rehefa mitory ny paozintsika satria anisan’ny fanompoana izany. Maro no nahatsapa fa nanampy azy hafana fo sy hanatsara ny fahaizany an’ilay fiteny ny famerimberenana an’ireo fomba fitory sy ny fampiasana an’ilay fiteny rehefa mitady olona. Azo isaina ny ora lany nitadiavana olona. Tsy isaina kosa ny fotoana lany nanangonana an’ireo anaran’olona na nandaminana ny sarin’ny faritany. Tokony hiezaka hitory ny vaovao tsara isika rehefa mahita olona mampiasa an’ilay fiteny, ary hampahafantatra avy hatrany ny mpiandraikitra ny fanompoana na ny olona notendreny, mba hampidirany ny adiresin’ilay olona ho ao anatin’ny faritany. Tokony hanao izany isika na liana ilay olona na tsia. Na dia zava-dehibe aza ny fitadiavana olona, dia tokony hahay handanjalanja isika ka handray anjara amin’ny lafim-panompoana rehetra.—Jereo ilay efajoro hoe “Inona no Hotenenina Rehefa Mitady Olona?”

6. Nahoana no sarotra kokoa ny mitady marenina?

6 Mitady marenina: Sarotra kokoa ny mitady marenina ary mila ezaka sy fikirizana. Tsy hoe ny paoziny, na ny fiakanjony, na ny fanoratana ny anarany no ahafantarana ny marenina. Mety hiahiahy koa ny havany sy ny namany ka tsy te hanome ny mombamomba an’ilay marenina rehefa manontany izany ny mpitory. Misy soso-kevitra ho an’ireo mitady marenina ireto, ary mety hanampy an’ireo mitady olona miteny vahiny koa izany.

7. a) Inona no azo anontaniana rehefa mitady marenina? b) Inona no azo atao mba hatoky kokoa antsika ny olona?

7 Nahita marenina ireo fiangonana sy antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana rehefa nankany amin’ny toerana be tanàna ary nanontanintany olona. Mety ho nahita olona nampiasa tenin’ny tanana teo an-tanànany na tany am-piasany na tany am-pianarany ireo anontaniana. Mety hanana havana marenina koa izy. Tadidio fa mety hampiahiahy ny olona ny fitadiavanao marenina. Hatoky kokoa anao anefa ny olona raha tsara fanahy ianao sady ataonao fohy sy tsotra ary feno fanajana ny fanazavanao. Nahita vokatra tsara koa ny mpitory sasany satria nampiseho Baiboly na DVD hafa rehefa nanontany olona raha mahalala marenina izy ireo. Teneniny ilay olona avy eo hoe tiany hiresahana ny fampanantenan’ny Baiboly ny marenina. Mety hisalasala hanoro anao an’ilay marenina ilay olona. Mety hanaiky anefa izy raha omenao ny adiresinao, na ny nomeraon-telefaoninao, na ny taratasy fanasana hanatrika fivoriana mba homeny an’ilay havany na namany marenina.

8. Ahoana no azon’ny fiangonana iray anampiana ny fiangonana tenin’ny tanana?

8 Afaka manasa fiangonana iray mampiasa fiteny hafa eo akaikiny ny fiangonana tenin’ny tanana, mba hanampy azy hitady marenina ao amin’ny tanàn-dehibe iray amin’ny faritaniny midadasika. Afaka manao izany mandritra ny iray na roa andro isan-taona izy ireo. Mety hisy fampisehoana sy toromarika momba ny fitadiavana marenina mandritra ny fivoriana alohan’ny fanompoana tarihin’ilay fiangonana tenin’ny tanana. Zaraina ho andiany maromaro ireo mpitory avy eo. Homena sarin’ilay faritany hitadiavana marenina ny andiany tsirairay ary hasiana mpitory avy ao amin’ilay fiangonana tenin’ny tanana.

9. Ahoana no azo itadiavana marenina any amin’ny toerana ivorian’ny fikambanany na fialany voly na fakany fanampiana?

9 Hahita marenina koa ianao raha mankany amin’ny toerana ivorian’ny fikambanan’izy ireo, na fialany voly, na fakany ny fanampiana omena azy. Manaova akanjo mifanentana amin’izany. Aleo miresaka amin’olona iray na roa ao amin’ilay toerana, toy izay manao famelabelarana ho an’ny rehetra. Raha mandeha tsara ny resaka dia mety ho azo atao ny mifanome adiresy na nomeraon-telefaonina. Raha misy sekoly ho an’ny marenina ao amin’ny faritaninareo, dia anontanio izy ireo raha afaka mandray ny bokintsika sasany amin’ny DVD.

10. Nahoana no lafiny lehibe amin’ny fanompoana ny fitadiavana olona?

10 Asa lehibe: Mety handreraka ny mitady olona mampiasa ny fiteninao. Miovaova foana koa ny olona ao amin’ny faritany sasany satria vetivety ny olona dia mifindra trano. Lafiny lehibe amin’ny fanompoana anefa ny fitadiavana olona, ary mihabetsaka ny toerana ilana izany. Tsy manavakavaka i Jehovah, ilay naniraka antsika hitory. (Asa. 10:34) Sitrapony “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Enga anie àry isika hiara-miasa amin’i Jehovah sy hifanampy mba hahitana olona manana “fo tsara sy mahitsy” na inona na inona fiteniny.—Lioka 8:15.

[Efajoro, pejy 5]

Mifanampia

Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana olona mampiasa ny fiteniny ny fiangonana na antoko-mpitory iray, dia afaka miresaka amin’ny anti-panahin’ny fiangonana hafa eo akaikiny ny mpiandraikitra ny fanompoana. Mety ho tsara kokoa raha izay fiangonana akaikikaiky ihany no resahiny na izay fiangonana manana faritany ahitana olona maro mampiasa an’ilay fiteny. Inona avy eo no ataon’ireo fiangonana manampy? Ilazany ny mpitory ao aminy hoe raha mahita olona mampiasa an’ilay fiteny izy ireo dia tokony horaisiny ny adiresin’ilay olona. Homena ny mpiandraikitra ny fanompoana izany ary halefany any amin’ilay fiangonana na antoko-mpitory mila fanampiana. Afaka miara-miasa ny mpiandraikitra ny fanompoan’ireo fiangonana mitory amin’ny faritany iray misy olona mampiasa fiteny samihafa. Ho azo tarihina any amin’izay fiangonana na antoko-mpitory mety aminy, amin’izay, ny olona liana.

Raha misy mpitory sendra vahiny tena liana (na marenina), dia tokony hofenoiny avy hatrany ilay taratasy hoe Tsidiho Azafady (S-43) ary homeny ny mpitan-tsoratra. Ho tonga haingana any amin’ilay olona ny mpitory amin’izay.—Jereo km 5/11 p. 3.

[Efajoro, pejy 6]

Fomba Hitadiavana Olona Mampiasa ny Fiteninao

• Manontania olona, ohatra hoe mpianatra Baiboly, havana, mpiara-miasa, sy ny sisa.

• Mampiasà boky misy lisitry ny nomeraon-telefaonina mba hahitana anarana fahita amin’ilay fiteny.

• Manontania any amin’ny toerana toy ny tranomboky, biraom-panjakana, na fianarana, ary aoka ianao ho mailo rehefa manao izany.

• Jereo ny filazana ao amin’ny gazety sao misy hetsika karakarain’ireo mampiasa an’ilay teny vahiny.

• Mankanesa any amin’ireo fivarotana na toeram-piasana natao ho an’ireo miteny vahiny.

[Efajoro, pejy 7]

Inona no Hotenenina Rehefa Mitady Olona?

Tsy dia hiahiahy anao ny olona rehefa sariaka sy tsotra ary tsy miolakolaka ianao. Matetika koa no tsara raha mampiseho boky na gazety amin’ilay fiteny aloha ianao.

Afaka miteny toy izao ianao rehefa avy miarahaba: “Mitady olona miteny ․․․․․ izahay mba hiresahana ny fampanantenan’ny Baiboly. Mahafantatra olona mampiasa an’io fiteny io ve ianao?”

Afaka miteny toy izao ianao rehefa mitady marenina: “Manahoana. Misy zavatra tiako haseho anao ity. [Mampiasà fitaovana entin-tanana famakiana video na ampiasao ny an’ilay tompon-trano, ary asehoy azy ny fehintsoratra iray na roa amin’ilay boky amin’ny DVD.] Manana video maimaim-poana maromaro izahay mba hanampiana ny marenina hahalala an’Andriamanitra. Ianao ve mahalala olona marenina na tsy maheno tsara ary mampiasa tenin’ny tanana?” Raha tsy misy olona tonga ao an-tsainy avy hatrany, dia afaka milaza toerana mety ho nahitany marenina ianao, ohatra hoe any am-piasany na any am-pianarany, na eo an-tanànany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara