Iza no Mety ho Liana Amin’ity?
1. Inona no tokony hoeritreretintsika isaky ny mamaky an’ireo gazetintsika isika, ary nahoana?
1 Natao ho an’ny olona maneran-tany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Isan-karazany àry ny lahatsoratra ao anatiny. Isaky ny mamaky lahatsoratra amin’ny gazetintsika isika dia tokony hieritreritra hoe iza no mety ho liana amin’ilay izy. Ezaho apetraka amin’ilay olona ilay izy avy eo.
2. Inona avy ny foto-kevitra resahin’ny gazetintsika ka mety hahaliana ny olona?
2 Manazava foto-kevitra ara-baiboly efa noresahinao sy ny mpiara-miasa aminao ve Ny Tilikambo Fiambenana farany? Misy lahatsoratra momba ny fianakaviana ve ao, ka mety hahasoa ny havanao? Mahafantatra olona ho any amin’ny tany resahin’ny Mifohaza! ve ianao? Mety hahaliana ny olona any amin’ny toeram-piasana na birao sasany ao amin’ny faritaninareo ve ny iray amin’ireo gazetintsika? Mety ho tian’ny olona any amin’ny hopitaly, ohatra, ny gazety miresaka momba ny olana atrehin’ny zokiolona. Mety hahaliana ny mpitandro filaminana koa ny gazety momba ny heloka bevava.
3. Milazà fitantarana mampiseho fa misy vokany ny fanolorana gazety amin’ny olona eritreretintsika hoe liana amin’ilay izy.
3 Vokany: Inona no nataon’ny mpivady Vavolombelona iray tany Afrika Atsimo rehefa nahazo an’ilay Mifohaza! Oktobra 2011 hoe “Ahoana no Hitaizanao Tsara ny Zanakao?” Sekoly 25 tao amin’ny faritanin’ny fiangonany no nantsoiny an-telefaonina, ka 22 no naka tamin’ilay gazety sy nizara izany tamin’ny mpianatra. Nizara an’ilay gazety tany amin’ireo sekoly tao amin’ny faritaniny koa ny mpivady iray hafa tao amin’io tany io. Nanapa-kevitra ny hampiasa an’ilay gazety amin’ny fandaharam-pianarany isan-kerinandro ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly iray. Notantarain’izy mivady tamin’ny mpiandraikitra ny faritra izany. Nampirisika ny fiangonana tsidihiny àry ilay mpiandraikitra mba hanatona ny sekoly ao amin’ny faritaniny. Maro loatra no nangataka fanampiny tamin’io gazety io tany amin’ny biraon’ny sampana ka tsy maintsy naverina natao pirinty ilay izy.
4. Nahoana no tiantsika hozaraina amin’olona betsaka araka izay azo atao ireo gazety?
4 Manazava ny tena dikan’ny zava-mitranga ankehitriny ireo gazetintsika, ary misarika ny saina ho amin’ny Baiboly sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny gazety rehetra maneran-tany dia ireo ihany no “manambara famonjena.” (Isaia 52:7) Tiantsika homena olona betsaka araka izay azo atao izy ireo. Tsara àry ny misaintsaina hoe: ‘Iza no mety ho liana amin’ity?’