FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/13 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Dinidinika Farany Miaraka Amin’ireo Hatao Batisa
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Aoka isika hanampy ny mpiara-belona amintsika hivavaka amin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mpitory ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 7/13 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Tokony ho efa nivory sy nitory ela be ve ny mpitory iray vao azo ekena hatao batisa?

Ny hoe hatao batisa no fanapahan-kevitra lehibe indrindra ataon’ny olona iray. Tsy maintsy mahatakatra tsara an’izay takin’Andriamanitra aminy àry aloha ny olona iray vao azo ekena hatao batisa, na dia tsy voatery hahay be ny zavatra rehetra aza. Tokony ho hita koa hoe tena te hanao an’izay takin’Andriamanitra izy.

Tokony ho efa hita hoe mazoto mivory ny mpitory tsy vita batisa satria asaina mivory tsy tapaka ny Kristianina. (Heb. 10:24, 25) Mandray anjara amin’ny fivoriana koa izy ka mamaly teny. Azo inoana fa mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy na dia tsy fepetra takina aza izany.

Tokony handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana koa ilay mpitory, alohan’ny hanaovana batisa azy, satria asaina mitory sy mampianatra ny Kristianina. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Tokony hitory firy volana izy vao azo atao batisa? Mazava ho azy fa tokony homena fotoana ampy izy mba hampisehoany hoe tapa-kevitra ny hanompo foana isam-bolana ary hazoto hanao izany. (Sal. 78:37) Tsy voatery ho ela be aorian’ny nanombohany nitory anefa izany, fa mety ho volana vitsivitsy monja. Tokony ho adiny firy ny orany rehefa mamerina tatitra izy? Tsy misy lalàna hentitra be momba an’izany. Tokony hodinihin’ny anti-panahy ny toe-javatra misy ny mpitory tsirairay, ary tokony hahay handanjalanja izy ireo.—Lioka 21:1-4.

Rehefa miara-midinika amin’ilay hatao batisa ireo anti-panahy (na ireo mpanampy amin’ny fanompoana any amin’ny fiangonana tena vitsy anti-panahy), dia tokony hotadidin’izy ireo fa tsy mitovy ny olona. Tokony hahay handinika tsara izy ireo rehefa hamaritra hoe mahafeno fepetra hatao batisa ilay mpitory sa tsia. Tokony ho hitan’izy ireo hoe tena te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ilay mpitory ary asehony fa faly izy manana tombontsoa hiaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah sy hitory. Takatry ny anti-panahy anefa hoe mbola tsy matotra tsara ara-panahy ilay mpitory, ary mbola tsy mahay be toy ny mpitory vita batisa efa ela. Raha hitan’ny anti-panahy fa tsy mahafeno fepetra hatao batisa izy, dia tokony holazain’izy ireo aminy amin-katsaram-panahy ny antony araka ny Soratra Masina mampiseho fa mbola tsy mahafeno fepetra izy, ary tokony hampian’izy ireo izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara