Andian-dahatsoratra Ilaina Amin’ny Fanompoana
1. Inona avy no tanjona tiana hotratrarina amin’ireo lahatsoratra hoe “Resadresaka Mahaliana”?
1 Ahitana lahatsoratra hoe “Resadresaka Mahaliana” Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro, indraindray. Atao manintona ireny lahatsoratra ireny mba hahatonga ny olona ho liana amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Natao hanoroana antsika koa izy ireny hoe ahoana no azo ampisaintsainana ny olona momba ny foto-kevitra sasany. (1 Pet. 3:15) Ahoana no azontsika ampiasana an’ireny lahatsoratra ireny?
2. Ahoana no azontsika ampiasana an’ilay andian-dahatsoratra rehefa manompo?
2 Ampiasao eny amin’ny fanompoana: Afaka mitahiry ny gazety misy an’ireny lahatsoratra ireny isika. Raha sendra fanoherana na fanontaniana efa voaresaka tao anatin’izy ireny isika, dia azo omena an’ilay olona ilay gazety ary asaina hiara-midinika an’ilay izy amintsika izy. Mety ho olona itoriantsika izany, na olona liana, na mpianatra Baiboly. Raha tsy anananao ny gazety misy an’ilay lahatsoratra, dia mety ho azonao alaina ao amin’ny jw.org ilay lahatsoratra.
3. Ahoana no hanaovantsika an’ilay fiaraha-midinika?
3 Ahoana no hanaovantsika an’ilay fiaraha-midinika? Izao no ataon’ny mpitory sasany: Asainy vakin’ilay olona amin’ny feo avo ny anjaran’ilay olona itoriana, fa vakiny ny anjaran’ilay Vavolombelona. Tena mandaitra izany satria manampy an’ilay olona itoriana mba tsy ho sanganehana, rehefa mandinika ny zavatra inoantsika ilay olona.—Deot. 32:2.
4. Inona avy no azo ianarana ao amin’ireny andian-dahatsoratra ireny?
4 Ianaro ilay izy ary ampio ny hafa: Rehefa mamaky an’ilay lahatsoratra ianao, dia mariho ny andinin-teny sy ny fanoharana ary ny hevitra andresena lahatra an’ilay olona itoriana. Mariho koa ny fomba firesaka ao anatiny. Ampiharo eny amin’ny fanompoana izany avy eo. (Ohab. 1:5; 9:9) Hoy ny anabavy iray: “Rehefa mamaky an’ireny lahatsoratra ireny aho, dia hoatran’ny hoe miara-manompo amin’ny mpisava lalana ‘tonga lafatra.’ Hainy foana izay tokony hotenenina.”
5. Ahoana no azontsika anampiana ny mpianatra Baiboly hiomana hitory?
5 Azonao anampiana ny mpianatra Baiboly mba hiomana hitory koa ireny lahatsoratra ireny. Iaraho mamaky aminy ilay lahatsoratra ary asaivo ataony ny anjaran’ilay mpitory. Ho zatra hiresaka ny zavatra nianarany sy hahay handanjalanja ilay mpianatra amin’izay. (Kol. 4:6) Tena anisan’ny fomba anampian’i Jehovah antsika ‘hanatanteraka tsara ny fanompoantsika’ mihitsy ireny andian-dahatsoratra ireny.—2 Tim. 4:5.