FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/14 p. 1
  • Tahafo Ireo Mpaminany: Mika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tahafo Ireo Mpaminany: Mika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-33 — Mika
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Mandrakizay Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Azo Antoka ny Fanantenan’ny Mpanompon’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Inona no Takin’i Jehovah Amintsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 1/14 p. 1

Tahafo Ireo Mpaminany: Mika

1. Inona no fanontaniana mety ho tonga tao an-tsain’i Mika? Nahoana anefa no tsy very maina ny fitoriany?

1 Nitory momba ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny fanjakan’Israely sy Joda i Mika mpaminany. Mety ho nanontany tena izy hoe: ‘Rahoviana ihany re vao hifarana izao zava-dratsy be dia be izao e?’ Tsy very maina anefa ny fitoriany. Hitan’i Mika ny nahatanterahan’ny tenin’i Jehovah tamin’i Samaria, tamin’ny taona 740 T.K. (Mika 1:6, 7) Rava koa i Jerosalema, tatỳ aoriana, tamin’ny 607 T.K. (Mika 3:12) Miandry ny hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany koa isika izao. Ahoana àry no hanahafantsika an’i Mika?

2. Nahoana isika no mila manam-paharetana? Ahoana no hampisehoana an’izany?

2 Manàna faharetana: Hoy i Mika: “Izaho kosa, dia i Jehovah no handrandraiko. Vonona hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy aho.” (Mika 7:7) Mazava ho azy fa tsy nipetra-potsiny niandry ny hahatongavan’ny farany i Mika. Mpaminanin’i Jehovah izy ka be atao foana. Tokony hanao zavatra hanehoana “fitondran-tena masina” sy “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra” koa isika, eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah. (2 Pet. 3:11, 12) Manam-potoana hibebahana ny olona satria manam-paharetana i Jehovah. (2 Pet. 3:9) Arahintsika àry ny torohevitry ny Baiboly izay mampirisika antsika hanam-paharetana toa an’ireo mpaminany.—Jak. 5:10.

3. Nahoana isika no tokony hangataka ny fanahy masin’i Jehovah foana?

3 Miantehera amin’i Jehovah: Sarotra ny zavatra nasaina nataon’i Mika ka nangataka hery tamin’i Jehovah izy. (Mika 3:8) Misy antony matoa ny Baiboly mampirisika antsika hiantehitra amin’ny herin’i Jehovah. Tena tia manome hery ho an’ny reraka izy, mba hahafahan’izy ireo hanatanteraka ny zavatra ampanaoviny azy ireo eo anivon’ny fandaminana. (Sal. 84:5, 7; Isaia 40:28-31) Efa nahatsapa an’izany ve ianao teo am-panompoana azy? Mangataka ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah foana ve ianao?—Lioka 11:13.

4. Inona no ianarantsika avy amin’i Mika?

4 Nataon’i Mika loha laharana foana ny sitrapon’i Jehovah. Tsy nety nivadika mihitsy izy na dia tsy niraharaha ny fitsipik’i Jehovah aza ny manodidina azy. Toy izany koa no iainantsika isan’andro. Aoka àry isika ho tapa-kevitra kokoa “handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.”—Mika 4:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara