FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/14 p. 2
  • Ampio ny Namanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Namanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahaiza Mifanohana Rehefa Mitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mifampahereza Rehefa eny Amin’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Aoka isika hanampy ny hafa eny amin’ny saha fitoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Aza Avela Hihena ny Zotom-ponao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 1/14 p. 2

Ampio ny Namanao

1. Ahoana no hanahafantsika ny apostoly Paoly rehefa miara-manompo amin’ny mpitory hafa isika?

1 Nohararaotin’ny apostoly Paoly ‘hifampaherezana’ ny fotoana niarahany tamin’ny mpiara-manompo. (Rom. 1:12) Manararaotra mampahery sy manampy ny mpitory miaraka aminao eny amin’ny fanompoana koa ve ianao? Aza mangina fotsiny fa resaho amin’ilay namanao izay nanampy anao ho mpitory mahay.

2. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny namantsika hatoky tena? Nahoana izany no zava-dehibe?

2 Ampio hatoky tena izy: Tsy matoky tena ny mpitory sasany ary mety ho hita amin’ny endriny sy ny feony izany. Hanampy azy ireny hatoky tena isika raha midera azy amim-pahatsorana. Inona koa no mbola azo atao? Tantarain’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray amin’ny namany hoe inona avy no mampahatahotra azy sy hoe mivavaka matetika izy mba handresena an’ilay tahotra. Izao koa no lazain’ny rahalahy iray momba an’izay nanampy azy hatoky tena: “Fantatro hoe mila mitsiky aho aloha. Ilana vavaka anefa indraindray na dia ny mitsiky fotsiny aza.” Maninona raha resahina amin’izay miaraka manompo aminao koa ny zavatra nanampy anao hatoky tena eny amin’ny fanompoana?

3. Inona no azontsika resahina amin’ny namantsika ka mety hanampy azy hahita vokatra?

3 Zarao ny traikefa anananao: Nahita fanontaniana na fehezanteny tsotra nety tsara hanombohan-dresaka ve ianao, ohatra hoe momba ny zava-nitranga teny aminareo? Resaho amin’izay miara-manompo aminao izany. Efa nisy fomba fitory modely novanao kely ve ary nety tsara ilay izy? Resaho aminy koa izany. (Ohab. 27:17) Raha handeha hanao fiverenana mitsidika ianareo, dia azonao resahina ny tanjonao amin’ilay fitsidihana sy ny fomba tianao hanatratrarana an’ilay tanjona. Raha avy nampianatra kosa ianareo, dia azonao resahina ny antony nifidiananao hevitra iray, na andinin-teny iray, na fomba fampianatra iray mba hifanaraka amin’izay ilain’ilay mpianatra.

4. Nahoana isika no tokony hanampy ny mpitory namantsika?

4 Ny tsy mpino ihany ve no tian’ny mpitory tamin’ny taonjato voalohany hampiana? Tsia. Hitan’izy ireo hoe ilaina koa ny mifampahery. (Asa. 11:23; 15:32) Nampiofana an’i Timoty i Paoly ary nampirisika azy hizara amin’ny hafa an’izay nianarany. (2 Tim. 2:2) Lasa faly kokoa sy mahita vokatra kokoa ny mpiara-manompo amintsika rehefa tsy manadino hanao soa amin’izy ireo isika. Mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra koa izany.—Heb. 13:15, 16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara