Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Martsa
“Mitsingerina amin’ny 14 Aprily ny nahafatesan’i Jesosy, ka te hiresaka aminao momba an’izany izahay. Misy mankalaza an’io satria mihevitra hoe zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy. Misy indray tsy tena mahafantatra ny antony nahafatesany. Araka ny hevitrao, tena mahasoa antsika ve ny nahafatesan’i Jesosy?” Avelao izy hamaly. Asehoy ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Martsa. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa
“Maro no lasa saina hoe nahoana no tsy faranan’Andriamanitra ny fijaliana. Araka ny hevitrao, tsy miraharaha antsika ve izy sa mihevitra izy fa misy maha tsara azy ny amelana ny olona hijaly? [Avelao izy hamaly. Vakio ny Jaona 3:16.] Maro no mampiasa an’io andinin-teny io mba hampisehoana hoe tena tia antsika Andriamanitra. Tsy tena hainy anefa hoe nahoana no mahasoa azy ny nahafatesan’i Jesosy. Hazavain’ity gazety ity hoe azo faranana ny fijaliana noho ny nahafatesan’i Jesosy.”
Mifohaza! Martsa
“Maro no mihevitra hoe ny vola no fototry ny ratsy rehetra. Misy indray milaza fa miaro sy mahasambatra izy io. Ary ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly. Vakio ny 1 Timoty 6:10 ary sokafy eo amin’ny pejy 8 sy 9 ilay gazety.] Mamaly an’ireo fanontaniana momba ny vola ity lahatsoratra ity.””