FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/14 p. 2
  • Aoka Ianao ho Zatra Manaja Fotoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Ianao ho Zatra Manaja Fotoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Manaja Fotoana ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fanajana Fotoana
    Mifohaza!—2016
  • Ny fahamarinam-potoana sy ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Manehoa Fankasitrahana ny Tranon’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 5/14 p. 2

Aoka Ianao ho Zatra Manaja Fotoana

1. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa manaja fotoana izy?

1 Manaja fotoana foana i Jehovah. Manome “fanampiana amin’ny fotoana mety” ho an’ny mpanompony, ohatra, izy. (Heb. 4:16) Manome sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety” koa izy. (Mat. 24:45) Afaka matoky isika hoe “tsy ho tara” ilay andro fahatezerany. (Hab. 2:3) Tena mandray soa isika satria manaja fotoana i Jehovah. (Sal. 70:5) Tsy lavorary anefa isika sady be atao, ka mety ho sarotra amintsika ny manaja fotoana. Nahoana anefa isika no tokony ho zatra manaja fotoana?

2. Nahoana i Jehovah no mahazo voninahitra raha manaja fotoana isika?

2 Vitsy no manaja fotoana amin’izao andro farany izao. Tia tena ny olona sady tsy mahafehy tena. (2 Tim. 3:1-3) Rehefa manaja fotoana àry ny Kristianina any am-piasana, any am-pivoriana, ary rehefa manao fotoana amin’olona, dia voamariky ny hafa izany ary manome voninahitra an’i Jehovah. (1 Pet. 2:12) Manomboka ara-potoana ve isika rehefa manao asa fivelomana, fa matetika kosa no tara rehefa amin’ny fandaharana ara-panahy? Raha tsy tara isika amin’ny fivoriana fa mahatratra ny hira sy vavaka fanokafana, dia ho hita amin’izany hoe te hanahaka an’ilay Raintsika tia filaminana isika.—1 Kor. 14:33, 40.

3. Miahy ny hafa isika raha manaja fotoana. Hazavao.

3 Ho hita koa hoe miahy ny hafa isika raha manaja fotoana. (Fil. 2:3, 4) Raha tonga ara-potoana, ohatra, isika amin’ny fivoriana sy fivoriana alohan’ny fanompoana, dia tsy ho voahelingelina tsy amin’antony ny hafa. Raha tara lava kosa isika, dia toa te hilaza amin’ny hafa hoe sarobidy kokoa noho ny azy ny fotoanantsika. Rehefa manaja fotoana isika dia azo ianteherana sy hita hoe mazoto sady mendri-pitokisana. Toetra tian’ny olona ireo.

4. Inona no azontsika atao raha tara matetika isika?

4 Raha tara matetika ianao dia eritrereto ny antony. Alamino ny zavatra ataonao mba hahafahanao hamita azy rehetra ara-potoana. (Mpito. 3:1; Fil. 1:10) Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. (1 Jaona 5:14) Raha manaja fotoana isika, dia hasehontsika hoe azontsika tsara ny didy roa lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna, dia ny ho tia an’Andriamanitra sy ny namana.—Mat. 22:37-39.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara