Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Jolay
“Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra isika, zava-dehibe aminy ve ny vavaka ataontsika sa mihaino antsika tsy sazoka izy?” Avelao izy hamaly. Asehoy ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Jolay. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay
“Andriamanitra ve, araka ny hevitrao, no tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana rehetra mitranga eran-tany, satria hoe izy no mahery indrindra? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Jakoba 1:13.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga ary inona no hataon’Andriamanitra mba hamaranana ny faharatsiana sy ny fijaliana.”
Mifohaza! Jolay
“Samy mety hiharan-doza daholo isika, na ho ela na ho haingana. Mety ho loza voajanahary izany, mety ho aretina mahafaty, na mety hisy havantsika maty. Araka ny hevitrao, inona no manampy ny olona mba tsy ho kivy rehefa tratran’izany? [Avelao izy hamaly.] Nanampy olona maro hiatrika loza ny Baiboly. [Vakio ny Romanina 15:4.] Hazavain’ity gazety ity hoe inona no fanampiana omen’ny Baiboly rehefa misy loza mitranga amintsika.”