Hatsarao ny Fanompoanao: Manomboha Resaka mba Hitoriana Tsy Ara-potoana
Nahoana izany no tena ilaina? Rehefa mitory isan-trano isika dia matetika no mahita hoe maro no tsy tratra an-trano. Mety hihaona amin’izy ireny anefa isika any anaty fitateram-bahoaka, rehefa miandry dokotera, mandritra ny fiatoana any am-piasana na any am-pianarana, sy ny sisa. Sitrapon’i Jehovah ny hoe handre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olon-drehetra. (1 Tim. 2:3, 4) Isika matetika no mila manombo-dresaka mba hahafahana hitory.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Miezaha hanombo-dresaka, indray mandeha isan-kerinandro, fara fahakeliny, mba hitoriana tsy ara-potoana.