FOTO-KEVITRA HO AN’NY VOLANA: “TORIO NY TENY, ARY ATAOVY TSY MISY HATAKA ANDRO IZANY.”—2 Tim. 4:2.
Inona no Hanampy Antsika Hahatsapa fa Maika ny Asa Fitoriana?
Isika mihitsy no mila miezaka mba hahatsapa fa maika ny asa fitoriana. Ilaina izany raha te ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ity isika. Ho tsapantsika fa maika ny asa fitoriana raha manaraka an’ireto fampahatsiahivana ireto isika:
Mivavaha foana momba ilay Fanjakana.—Mat. 6:10.
Arovy ny fonao, ka vakio isan’andro ny Baiboly.—Heb. 3:12.
Ampiasao amim-pahendrena ny fotoananao.—Efes. 5:15, 16; Fil. 1:10.
Manàna maso “tsotra” foana. Aza variana amin’ny fanirian’ity tontolo ity.—Mat. 6:22, 25; 2 Tim. 4:10.
Miambena hatrany, ka diniho akaiky ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly.—Mar. 13:35-37.
Handray anjara feno amin’ilay asa mila vitaina isika raha tsapantsika fa maika ny asa fitoriana.—Jaona 4:34, 35.