Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Novambra
“Misy fanontaniana mahaliana ity. [Vakio ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra.] Ahoana ny hevitrao momba an’izany? [Vakio ireo fehintsoratra roa eo ambanin’ilay fanontaniana ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny.] Tianao ve raha valiantsika amin’ny manaraka hoe nahoana i Jesosy no nanangana ny maty, ary nahoana izany no mampahery antsika?”
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra
“Efa nieritreritra ve ianao hoe nahoana no be dia be ny zava-dratsy mitranga eran-tany? [Avelao izy hamaly.] Manazava ny anton’izany ny Baiboly ato amin’ny Apokalypsy 12:9. [Vakio.] Manome fanantenana antsika anefa ny andininy faha-12. [Vakio ny Apokalypsy 12:12.] Kely sisa dia tsy ho afaka hitaona ny olona hanao ratsy intsony i Satana. Inona no hanampy antsika tsy ho voataonan’i Satana dieny izao, ary inona no hitranga amin’i Satana tsy ho ela? Mamaly izany ity lahatsoratra ity, izay mitondra ny lohateny hoe ‘Aza Matahotra An’i Satana.’ Ity ny anjaranao.”
Mifohaza! Novambra
“Te ho sambatra daholo ny olona, nefa maro no tsy toy izany ankehitriny. Inona no tena mahasambatra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Hitako fa tena manampy mba hahasambatra ny Baiboly. Jereo, ohatra, ity toro lalana ity. [Vakio ny Hebreo 13:5.] Manasongadina zavatra efatra lazain’ny Baiboly hoe tena mahasambatra ity gazety ity.”