Fomba Vaovao Hitoriana eny Amin’ny Toerana Be Olona
1. Ampirisihina hanao inona ny fiangonana manana faritany be olona mivezivezy?
1 Manana faritany be olona mivezivezy ny fiangonana sasany. Ampirisihina handamina fitoriana eny amin’ireny toerana ireny izy ireo, ka hampiasa latabatra fampirantiana na fitoerana boky azo afindrafindra. Raha fitoerana boky no ampiasaina, dia tokony hisy mpitory iray, fara fahakeliny, mitsangana na mipetraka eo akaikin’ilay izy. Raha latabatra kosa ilay izy, dia tokony ho mpitory roa no eo. Tokony ho sariaka sy ho mora hatonina izy ireo. Raha misy olona mijery ny zavatra aseho eo, dia afaka milaza ny iray amin’ireo mpitory hoe: “Efa nieritreritra ve ianao hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’io foto-kevitra io?” Tsy tokony hiala lavitra eo ny mpitory namany, na dia rehefa mitory tsy ara-potoana aza.
2. Milazà fitantarana mampiseho fa zava-dehibe ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona.
2 Olona maro no lasa nianatra Baiboly noho io fomba vaovao io. Nisy mpianatry ny oniversite, ohatra, nifidy ny hanoratra lahatsoratra momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahita Efitrano Fanjakana mihitsy anefa izy. Nahita latabatra fampirantiana teny akaikin’ny oniversite izy ny herinandro nanaraka. Nianatra Baiboly izy ary efa vita batisa izy izao, sady mandray anjara amin’io fomba fitory io.
3. Inona no nolazain’ny mpitory sasany momba an’io fomba fitory io?
3 Hoy ny anabavy iray tia an’io fomba fitory io: “Misy olona tonga eo mba haka gazety vaovao. Ny sasany indray mbola tsy naheno an’izany Vavolombelon’i Jehovah izany mihitsy. Hitako hoe be dia be ny olona azo itoriana noho io fomba vaovao io.” Hoy koa ny anabavy iray: “Mahafinaritra io fomba fitory vaovao io satria ny olona no manatona anao. Mba te hijerijery fotsiny izy ireo na dia tsy liana aza.”
4. Nahoana no tsara raha tsy ovaovana ny fotoana sy ny toerana anaovana an’ilay fampirantiana?
4 Tsara raha tsy ovaovana ny toerana sy andro ary fotoana anaovana an’ilay fampirantiana, isan-kerinandro. Amin’izay ny olona ho zatra mahita an’ilay izy, ka tsy ho sadaikatra intsony izy hanontany na haka boky eo. Mandamina fitoriana eny amin’ny toerana be olona ve ny fiangonanareo? Raha izany, dia mety ho afaka handray anjara amin’io fomba mahafinaritra sy ahitam-bokatra io ianao, mba ‘hitoriana hatraiza hatraiza ny Fanjakan’Andriamanitra.’—Lioka 9:60.