Hira Vaovao!
1 Natao tamin’ny 4 Oktobra tamin’ity taona ity ny fivoriana fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Nampandrenesina tamin’izay fa hohavaozina ny fihiranantsika. Tena nahafaly izany! Nampahatsiahivina ny mpanatrika fa tena zava-dehibe eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny hiran’ilay Fanjakana.—Sal. 96:2.
2 Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Fa maninona no havaozina ny fihirana?’ Maromaro ny antony. Voalohany, mihamazava kokoa amintsika ny Soratra Masina, ary misy vokany eo amin’ny tononkirantsika izany. (Ohab. 4:18) Misy antony hafa koa ity: Ho an’ny fiteny maro, dia nalaina tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny ankamaroan’ny teny ao amin’ilay fihirana. Nohavaozina anefa io fandikan-teny io ka mila ampifanarahina amin’izay koa ireo tononkira. Koa satria efa hiasa be hanova an’ireo tononkira ihany, dia hohararaotina hampiana hira vitsivitsy koa ilay boky.
3 Tsy maintsy miandry an’ilay fihirana ho vita pirinty ve isika vao ho afaka hihira an’ireo hira vaovao? Tsia. Faly izahay milaza aminareo fa hisy hira vitsivitsy havoaka ao amin’ny jw.org, ao aoriandriana kely ao. Isaky ny misy hira vaovao mivoaka, dia hohiraina amin’ny faran’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ilay izy, ka hisy soratra ao amin’ny fandaharana hoe “hira vaovao.”
4 Ahoana no hianarana an’ireo hira vaovao? Tsy mora ny mianatra hira vaovao. Te hanahaka an’ilay mpanao salamo anefa isika, ka te hihira rehefa any am-pivoriana fa “tsy hangina fotsiny.” (Sal. 30:12) Izao àry atao raha te hahay an’ireo hira ianao:
Averimbereno henoina ilay feon-kira ao amin’ny jw.org. Ho mora kokoa aminao ny hitadidy an’ilay hira, raha henoinao foana ny feony.
Ianaro tsianjery ireo tononkira.
Hirao miaraka amin’ny mozika ireo tononkira. Averimbereno atao izany mandra-pahainao azy.
Rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, dia mianara hira vaovao mandra-pahain’ny fianakavianao azy.
5 Izao no hatao amin’ireo volana ho avy: Rehefa hohiraina amin’ny faran’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny hira vaovao iray, dia halefa indray mandeha aloha ny feony mba hohenoin’ny fiangonana. Hohiraina toy ny mahazatra miaraka amin’ny feon-kira avy eo ilay hira.
6 Rehefa mihira isika any am-pivoriana, dia faly satria miara-midera an’i Jehovah. Tsy tokony ho zatra mivoaboaka tsy amin’antony àry isika rehefa hihira.
7 Misy fomba hafa koa azontsika ampisehoana hoe mankasitraka ny hirantsika isika. Misy mozika alefa alohan’ny hanombohan’ny fandaharana any amin’ny fivoriambe. Rahalahy sy anabavy mahafoy tena avy any amin’ny vazan-tany efatra no manao azy ireny. Indroa isan-taona izy ireo no mankany Patterson, any New York, ary mianto-tena. Rehefa manasa antsika hipetraka sy hihaino ny mozika nomanin’io orkesitra io àry ny mpanolotra fandaharana, dia tokony hanao izany isika. Ho afaka hanomana ny fontsika handray ny fanazavana hovelabelarina mandritra ny fandaharana isika amin’izay.—Ezra 7:10.
8 Hofaranantsika amin’ilay hira vaovao hoe “Efa Mitondra Ilay Fanjakana” ny fivoriantsika androany. Natao mba hanamarihana ny faha-100 taona niorenan’ilay Fanjakana io hira io, ary efa nalefa tamin’ilay fivoriana tamin’ny 4 Oktobra.
9 Tena “zavatra tsara” avy amin’i Jehovah ireo hira vaovao. (Mat. 12:35a) Aoka àry isika ho tapa-kevitra hianatra azy ireny sy hihira amin’ny fo. Hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra isika amin’izay.—Sal. 147:1.