Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary
“Olana efa nisy hatramin’ny ela ny hoe manao kolikoly ny fitondram-panjakana. Inona no mahatonga an’izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Ity misy andinin-teny mahaliana. [Vakio ny Mpitoriteny 7:20.] Asongadin’ity gazety ity ny vahaolana omen’ny Baiboly momba ny kolikoly. Afaka manokana fotoana kely hamakiana azy ity ianao.”
Mifohaza! Janoary
“Misy mino fa zavatra tsy mananaina no nivoatra miandalana, dia lasa zavamananaina. Marina ve izany araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Hita tamin’ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana fa avy amin’ny zavamananaina foana ny zavamananaina. Izany koa no lazain’ny Baiboly. [Vakio ny Salamo 36:9.] Resahin’ity gazety ity fa olona maro no tsy mino hoe nivoatra miandalana ny zavamananaina satria tena kanto sy be pitsiny.”