Ampiasao Tsara ny Fotoana Rehefa Manompo
Be atao foana eo amin’ny asan’i Jehovah isika, satria adiny 1 945 487 604 no lanintsika tamin’ny fitoriana sy fampianarana, tamin’ny taom-panompoana 2014. (Sal. 110:3; 1 Kor. 15:58) Fantatsika anefa fa “efa kely sisa ny fotoana tavela.” (1 Kor. 7:29) Ahoana àry no hanararaotantsika an’izany mba hitoriana amin’olona betsaka kokoa?
Azo atao ny manovaova ny fotoana sy ny toerana itoriana. Ahoana, ohatra, raha tsy mahita olona hiresahana mihitsy ianao, amin’ilay fotoana efa mahazatra anao? Misy azonao ovana ve mba hahitanao olona maro kokoa? Marina fa tsy mitovy ny faritany. Ireto anefa misy soso-kevitra afaka manampy anao hahay hampiasa tsara ny fotoana, mba tsy ho toy ny “mamely rivotra” fotsiny ianao.—1 Kor. 9:26.
Fitoriana isan-trano: Efa ela ny mpitory no zatra mandeha isan-trano amin’ny maraina. Lasa miasa anefa ny olona amin’izany. Tsy aleo àry ve aloha mitory eny an-dalana na eny amin’ny faritra be toeram-piasana, dia amin’ny harivariva vao mitory isan-trano? Amin’izay mantsy mba efa mipetrapetraka ao an-trano ny olona.
Fitoriana ampahibemaso: Azo atao ny mametraka latabatra fampirantiana na fitoerana boky azo afindrafindra, eny amin’ny toerana be olona. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2014, p. 2.) Ahoana anefa raha lasa vitsy ny mpandeha an-tongotra eny amin’ilay toerana? Afaka mifidy toerana hafa ao anatin’ny faritanin’ny fiangonana ny Komitin’ny Fanompoana.
Fiverenana mitsidika sy fampianarana: Raha tsy dia mahita olona hitoriana ianao amin’ny fotoana sasany, dia ataovy amin’ireny fotoana ireny ny fiverenana mitsidika sy fampianarana. Raha mety tsara kosa ny fitoriana isan-trano rehefa asabotsy maraina, dia ataovy amin’ny tolakandro na hariva ny fampianarana Baiboly. Tsara koa raha atao daholo ny fampianarana sy fitsidihana amin’ny toerana mifanakaiky, izay vao mankany amin’ny toerana hafa.
Marina fa afaka manisa ora foana isika rehefa manompo, na dia tsy mahita olona iresahana aza. Faly kokoa anefa isika rehefa mba tena afaka mitory. Raha tsy dia mandaitra àry ny karazana fitoriana sasany, amin’ny fotoana iray, dia fomba hafa indray andramana. Mivavaha amin’i Jehovah, ilay “Tompon’ny vokatra”, dia hatorony anao ny fomba tsara indrindra hampiasana ny fotoana rehefa manompo!—Mat. 9:38.