Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiofano ny Mpitory Vaovao
Nahoana izany no tena ilaina? Tsy maintsy ampianarina ny mpianatra Baiboly mba hitandrina “izay rehetra” nandidian’i Jesosy, anisan’izany ny hoe mampianatra ny fahamarinana. (Mat. 28:19, 20) Betsaka ny mpianatra efa manao sekoly, sady mety ho efa mitory tsindraindray amin’ny havany na namany. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia mety hoe te ho lasa mpitory amin’izay izy. Lasa tiany mantsy ny zavatra nianarany sady takany hoe tian’i Jehovah handre ny vaovao tsara ny rehetra. (Rom. 10:13, 14) Tokony hampiofanina tsara izy rehefa lasa mpitory tsy vita batisa, mba hatoky tena kokoa ka handroso foana.—Lioka 6:40.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Miaraha mitory isan-trano amin’ilay mpianatrao efa mpitory, ary ento izy rehefa manao fiverenana mitsidika na mampianatra Baiboly ianao. Raha tsy manana mpianatra Baiboly efa mitory ianao, dia mpitory vaovao no asao hiaraka aminao.