FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/15 p. 2
  • Ampiasao Tsara Ireo Zavatra Noraisim-peo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Tsara Ireo Zavatra Noraisim-peo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampiasa Tsara ny Baiboly Noraisim-peo ve Ianao?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Soso-kevitra Hanampy Anao Hamaky Baiboly Isan’andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • ‘Hita sy Heno’ Tsara ny Fandaharana Rehetra Rehefa Fivoriambe
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Efa Nieritreritra An’ireto ve Ianao?
    Mifohaza!—2019
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
km 11/15 p. 2

Ampiasao Tsara Ireo Zavatra Noraisim-peo

1. Inona ny zavatra tsara ananantsika, ankoatra ny lahatsoratra vita pirinty?

1 Betsaka no tia mamaky lahatsoratra ao amin’ny jw.org. Misy zavatra mahafinaritra sy tenim-pahamarinana tsy misy diso ao. (Mpito. 12:10) Ary efa nihaino an’ireo zavatra noraisim-peo ao ve ianao? Be dia be koa ny fanazavana ho fantatrao amin’izy ireny. Ahoana àry no azontsika ampiasana azy ireny?

2. Ahoana avy no azontsika ampiasana ny zavatra noraisim-peo?

2 Rehefa mianatra samirery na manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana: Azo atao ny mihaino zavatra noraisim-peo toy ny Baiboly, na boky, na gazety, rehefa manao dia lavitra, na manao raharaha. Tsy ho verivery fotsiny ny fotoanantsika amin’izay. (Efes. 5:15, 16) Azo atao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa ny zavatra noraisim-peo, ka sady mihaino isika no manaraka amin’ny boky na gazety. Mba miovaova amin’izay ny zavatra ataontsika amin’ny fotoam-pivavahana. Hanampy antsika koa izy ireny rehefa mianatra samirery, indrindra raha te hahay hamaky teny kokoa isika, na mianatra fiteny hafa.

3. Iza avy no mety handray soa amin’ny zavatra noraisim-peo eny amin’ny faritany?

3 Rehefa manompo: Tsy manam-potoana hamakiana boky ny olona sasany eny amin’ny faritany, nefa mety ho tia mihaino zavatra noraisim-peo. Mety ho liana kokoa amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny olona mampiasa fiteny hafa, raha omena zavatra noraisim-peo ‘amin’ny fiteniny.’ (Asa. 2:6-8) Anisan’ny kolontsaina ny hoe mihaino, any amin’ny faritra sasany. Fanaon’ny foko hmong, ohatra, ny mitantara zavatra amin’ny zanaka aman-jafiny, ary tadidin’ny ankizy tsara ilay tantara henony. Amin’ny alalan’ny angano koa no ampianarana ny ankizy any amin’ny faritra maro any Afrika.

4. Inona avy ny fanontaniana azontsika eritreretina mba hanampiana ny olona eny amin’ny faritany?

4 Sao dia mba afaka mandefa ampahana zavatra noraisim-peo amin’ny fitenin’ilay olona ianao, rehefa mitory? Sa misy olona fantatrao hoe mety hihaino raha andefasana zavatra noraisim-peo amin’ny e-mail? Afaka mampiditra zavatra noraisim-peo ao anaty CD ve ianao, ka manome an’izany ho an’izay olona liana itorianao? Azonao omena azy koa ilay boky na gazety mifanaraka aminy. Isaky ny mahapetraka bokikely, boky, gazety, na taratasy mivalona amin’ny endrika elektronika isika, ka feno ilay izy fa tsy ampahany, dia tokony hampidirina ao amin’ny tatitra izany. Natao hanampiana antsika rehefa mianatra samirery sy mamboly ny voan’ny fahamarinana àry ireny zavatra noraisim-peo ireny.—1 Kor. 3:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara