FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb16 Jona p. 3
  • Matokia An’i Jehovah ka Manaova ny Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Matokia An’i Jehovah ka Manaova ny Tsara
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • “Miravoravoa Amin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Salamo 37:4: “Aoka NY TOMPO no Iravoravoanao”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Matokia an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Matokia An’i Jehovah fa efa Akaiky ny Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
mwb16 Jona p. 3

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 34-37

Matokia An’i Jehovah ka Manaova ny Tsara

“Aza mitsiriritra an’izay manao ny tsy marina”

37:1, 2

  • Na hoatran’ny hoe miadana aza ny mpanao ratsy, dia aza mifantoka amin’izany fa manompoa an’i Jehovah foana. Izay fitahiana azonao sy ny tanjonao eo amin’ny fanompoana ifantohana

“Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara”

37:3

  • Matokia fa hanampy anao i Jehovah raha misy zavatra mampiady saina anao na mitady hampihena ny finoanao. Hampiany koa ianao mba tsy hivadika

  • Mazotoa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra

‘Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah’

37:4

  • Manokàna fotoana hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra, ka miezaha hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah

“Ankino amin’i Jehovah ny lalanao”

37:5, 6

  • Matokia hoe hanampy anao foana i Jehovah na inona na inona manjo anao

  • Manaova ny tsara foana na dia misy aza ireo manaratsy na manohitra na manenjika

“Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah, ka hiandry azy fatratra”

37:7-9

  • Aza maimaika hanapa-kevitra, sao ianao hanao zavatra hanimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah ary tsy ho sambatra

‘Ny mpandefitra no handova ny tany’

37:10, 11

  • Miezaha handefitra, ary manetre tena ka miandrasa an’i Jehovah satria mbola hesoriny daholo ny tsy rariny rehetra mahazo anao

  • Ampio ny mpiray finoana aminao. Ampaherezo izay kivy, mba hatoky hoe efa akaiky ilay tontolo vaovao ampanantenain’i Jehovah

Tanan’anjely mivelatra manoloana ny tany efa Paradisa

Hitondra fitahiana be dia be ny Fanjakan’ny Mesia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara