NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Asao Hivory ny Olona Liana
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Afaka ‘mihira ho an’i Jehovah’ sy ‘midera azy’ isika isaky ny mivory. (Sl 149:1) Ampianarina hanao ny sitrapon’Andriamanitra koa isika amin’ireny fotoana ireny. (Sl 143:10) Matetika no mandroso haingana kokoa ny mpianatra Baiboly sy ny olona liana, rehefa manomboka mivory.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
Tonga dia asao hivory ny olona liana, na dia mbola tsy mianatra Baiboly aza.—Ap 22:17
Hazavao aminy ny zavatra ho hitany any sy izay horesahina amin’ny fivoriana manaraka. Azonao ampiasaina ireto: Fanasana Hanatrika Fivoriana, ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?, ary ny lesona 5 sy 7 amin’ny bokikely Sitrapon’i Jehovah
Anontanio izy raha mila fanampiana. Mila alaina ve, ohatra, izy, sa mila ampiana hifidy ny akanjo tokony hanaovany? Miaraha-mipetraka aminy rehefa any am-pivoriana, ary asaivo manaraka ao amin’ny bokinao izy. Ampifankahalalao amin’ny hafa izy