Manolotra an’ilay taratasy mivalona hoe Ho Velona Indray Ve?, Tuvalu
Fomba Fitory Modely
MIFOHAZA!
Fanontaniana: Nahoana isika no tokony hiomana amin’ny loza?
Andinin-teny: Oh 27:12
Atolory ilay izy: Resahin’ity gazety ity ny zavatra azo atao alohan’ny hitrangan’ny loza sy mandritra an’ilay izy ary aorian’izay.
AMPIANARO NY TENA MARINA
Fanontaniana: Inona no hataontsika raha tia an’Andriamanitra isika?
Andinin-teny: 1Jn 5:3
Ny Tena Marina: Hankatò ny didin’Andriamanitra isika raha tia azy.
MBOLA HO VELONA INDRAY VE NY MATY? (T-35)
Fanontaniana: Olona maro eran-tany no mankalaza ny fetin’ny maty. Mbola hahita an’ireny havantsika efa maty ireny ve isika?
Andinin-teny: As 24:15
Atolory ilay izy: Resahin’ity taratasy mivalona ity hoe inona no vokany eo amintsika, rehefa fantatsika fa mbola hitsangana ny maty. [Raha mety, dia alefaso ilay video hoe Mbola Hahita An’ireo Havantsika Efa Maty ve Isika?]
MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO
Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.