FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Janoary p. 7
  • ‘Nisaotra An’Andriamanitra i Paoly ary Nihanahery’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Nisaotra An’Andriamanitra i Paoly ary Nihanahery’
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Fotoana Ifampaherezan’ny Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Omeo ny Fanohananao ny Fitsidihan’ny Mpiandraikitra ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Miasa Mafy ho Antsika Izy Ireo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Ireo Mpiandraikitra Mpitety Faritany, Mpiara-miasa ao Amin’ny Fahamarinana
    Ny Vavolombelon’i Jehovah—Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Janoary p. 7
Paoly misaotra an’Andriamanitra rehefa nahita an’ireo rahalahy tonga nitsena azy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

‘Nisaotra An’Andriamanitra i Paoly ary Nihanahery’

Henon’ireo rahalahy tany Roma hoe ho avy i Paoly. Nisy tamin’izy ireo àry nandeha an-tongotra 64 km mba hitsena azy. Tena be fitiavana izy ireo. Inona no vokatr’izany tamin’i Paoly? “Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vao nahita an’ireo, ary nihanahery.” (As 28:15) I Paoly matetika no nampahery ny fiangonana notsidihiny. Izy indray anefa teto no nahazo fampaherezana.—2Ko 13:10.

Mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy koa ny mpiandraikitra ny faritra rehefa mitsidika fiangonana. Hoatr’antsika rehetra ihany anefa izy ireny, ka mety ho reraka, na kivy, na hiady saina. Rahoviana indray ny mpiandraikitra ny faritra no hitsidika ny fiangonanareo? Inona no azonao atao amin’io mba “hisy fifampaherezana” eo aminareo?—Ro 1:11, 12.

  • Mpiandraikitra ny faritra iray mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana

    Miezaha hanatrika fivoriana alohan’ny fanompoana. Tena faly ny mpiandraikitra ny faritra rehefa miezaka be ny mpitory, mba ho afaka handray soa amin’ilay herinandro manokana. (1Te 1:2, 3; 2:20) Afaka manao mpisava lalana mpanampy ve ianao amin’ilay volana itsidihany? Sao dia afaka miara-mitory amin’izy mivady ianao, na miara-mampianatra aminy? Tena tian’izy ireo ny miara-manompo amin’ny mpitory samy hafa, anisan’izany ireo vaovao na ireo mbola tsy ampy traikefa.

  • Fianakaviana iray mandray tsara ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny

    Miezaha ho tia mandray vahiny. Sao dia afaka mampiantrano azy ireo ianao, na manasa azy hisakafo? Ho hitany amin’izay hoe tena tianao izy ireo. Zavatra tsotsotra dia efa mety aminy.—Lk 10:38-42.

  • Mpiandraikitra ny faritra iray mivory miaraka amin’ny anti-panahy

    Henoy izay torohevitra sy tari-dalana omeny ary ampiharo. Manampy antsika hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ny mpiandraikitra ny faritra. Mety hanome torohevitra hentitra mihitsy aza izy indraindray. (1Ko 5:1-5) Tena faly izy rehefa manaiky sy mankatò isika.—He 13:17.

  • Rahalahy sy anabavy maneho ny fankasitrahany ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny

    Ankasitraho izy ireo. Teneno azy ireo ny soa noraisinao noho ny ezaka mafy ataony. Azonao lazaina azy mivantana izany, na soratana amin’ny taratasy kely.—Kl 3:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara