FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Mey p. 7
  • “Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantaro ny Anton’ny Fananarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Volavolain’ny fitsipika mba hitera-bokatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Famaizana, Fananarana, Fifehezana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Vonona ny hanaiky ny fifehezana ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Mey p. 7
Mpivady iray mitomany sady mijery ny zanany lahy efa lehibe miala ny trano. Tsy nibebaka mantsy izy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”

Ny hoe manafay dia mifandray amin’ny hoe mananatra, mampianatra, manabe, manitsy, ary manasazy. Manafay antsika i Jehovah, satria tiany hanompo azy araka ny tokony ho izy isika. (Ro 12:1; He 12:10, 11) Mety ho mafy amintsika indraindray ny hoe anarina. Mahatonga antsika hanao ny marina sy hahazo fitahiana anefa izany. (Oh 10:7) Inona no tokony hotadidin’ireo mananatra sy ireo anarina?

Ilay mananatra. Mety ho anti-panahy, ray aman-dreny, na olon-kafa izany. Miezaka mafy izy ireo mba ho tsara fanahy sy ho be fitiavana hoatran’i Jehovah rehefa mananatra. (Je 46:28) Na mafy be aza ilay famaizana omena, dia tokony hifanaraka amin’ny zava-misy. Ny fitiavana koa no tokony ho antony anomezana azy.—Tit 1:13.

Ilay anarina. Na inona na inona fananarana na famaizana omena antsika, dia tsy tokony handa an’izany isika fa hiezaka hampihatra avy hatrany. (Oh 3:11, 12) Tsy lavorary isika ka mila fananarana daholo. Mety hiseho amin’ny endriny samihafa ilay izy, ohatra hoe avy amin’ny zavatra novakintsika tao amin’ny Baiboly, na rentsika tany am-pivoriana, na avy amin’ny komity mpitsara. Raha manaiky anarina isika, dia hihatsara ny fiainantsika ary hiaina mandrakizay isika.—Oh 10:17.

JEREO ILAY VIDEO HOE “IZAY TIAN’I JEHOVAH NO FAIZINY.” VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izay Tian’i Jehovah no Faiziny.’ Canon tamin’ny mbola kely, miara-mitory amin’ny ray aman-dreniny.

    Nanao ahoana ny fiainan’ny Rahalahy Canon tamin’ny voalohany, nefa nanao ahoana tatỳ aoriana?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izay Tian’i Jehovah no Faiziny.’ Canon efa tovolahy, miresaka amin’ny anti-panahy.

    Inona no fanampiana azony tamin’ny alalan’ny anti-panahy?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izay Tian’i Jehovah no Faiziny.’ Canon efa mpiandraikitra ny faritra, miresaka amin’ny tanora ao amin’ny fiangonana tsidihiny.

    Miezaha ho tia ny famaizana avy amin’i Jehovah

    Inona no ianarantsika avy amin’ny tantarany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara