FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Martsa p. 3
  • Te Hanampy ve Ianao Rehefa Misy Loza Mitranga?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te Hanampy ve Ianao Rehefa Misy Loza Mitranga?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Manampy ny Tra-boina ve Ianareo?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2023: “Tsapanay hoe Tia Be Anay i Jehovah”
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Inona no Azontsika Anampiana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Martsa p. 3

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Te Hanampy ve Ianao Rehefa Misy Loza Mitranga?

Mihabetsaka izao ny loza. Mila alamina tsara ny fomba izarana ny fanampiana rehefa mitranga izany. Nataon’ny Filan-kevi-pitantanana àry izay hisian’ny Sampan-draharahan’ny Vonjy Rano Vaky isaky ny biraon’ny sampana.

Rehefa henon’ireo rahalahy ao amin’io sampan-draharaha io hoe misy loza mitranga, dia mifandray avy hatrany amin’ny anti-panahy eo an-toerana izy ireo mba hahalalana izay fanampiana ilain’ny mpitory any. Raha be loatra ny zavatra rava ka tsy vitan’ny mpitory eo an-toerana ny mandamina azy, dia hanendry rahalahy ampy traikefa ny sampana mba hitarika ny asa. Mety hangataka mpiasa an-tsitrapo ireny rahalahy ireny na zavatra voafaritra tsara avy amin’ny mpiara-manompo. Mety hividy sy hizara ny zavatra ilain’ny tra-boina koa ry zareo.

Maro ny soa raisina rehefa arahina io fomba fiasa io. Tsy ho very maina ny ezaka ataontsika, hilamina tsara ny asa, ary tsy ho verivery fotsiny ny vola sy ny zavatra voangona. Izany no mety hitranga raha manao izay tiantsika fotsiny isika.

Hamantatra ny vola sy ny isan’ny mpiasa an-tsitrapo ilaina amin’ilay fanampiana vonjy rano vaky ireo rahalahy notendren’ny sampana. Afaka mifandray amin’ny manam-pahefana eo an-toerana koa ry zareo. Matetika izy ireny no afaka manampy antsika hanafaingana ny fikarakarana tra-boina. Tsy tokony tonga dia hanangona vola àry isika, na handefa fanampiana, na handeha any amin’ilay toerana raha tsy notendrena hanao an’izany.

Na izany aza anefa dia tena te hanampy isika rehefa misy loza. (He 13:16) Tiantsika mantsy ireo rahalahintsika. Inona àry no azontsika atao? Afaka mivavaka ho an’ireo tra-boina sy ho an’izay mandray anjara amin’ny vonjy rano vaky isika. Izany no tena zava-dehibe! Afaka manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany koa isika. Ny biraon’ny sampana, izay eo ambany fiandraiketan’ny Filan-kevi-pitantanana, no tena mahalala hoe aiza no tsara ampiasana an’ireny vola ireny. Ary raha te handray anjara amin’ny fanampiana vonjy rano vaky ianao, dia fenoy ilay Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo Manao Fanorenana eo An-toerana (DC-50).

JEREO ILAY VIDEO HOE TONDRA-DRANO TANY BREZILA, ARY VALIO ITY:

Sary avy amin’ilay video hoe “Tondra-drano Tany Brezila.” Sary nalaina avy eny ambony mampiseho trano sy hazo efa ho difotra noho ny tondra-drano.

Nandamina fanampiana vonjy rano vaky ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ilay tondra-drano tany Brezila tamin’ny 2020. Inona tamin’ilay izy no mampiaiky anao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara