FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Jolay p. 13
  • Inona avy no Tanjonao Amin’ny Taom-panompoana Vaovao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona avy no Tanjonao Amin’ny Taom-panompoana Vaovao?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2025-2026 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Mpiandraikitra ny Faritra
  • Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?
    Mifohaza!—2010
  • Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Jolay p. 13
Lalana miolakolaka mampiseho ny tanjona azontsika tratrarina. Misy takelaka eo amin’ny sisin’ilay izy mampiseho an’ireto: Fianarana samirery, fitoriana, toetra kristianina, fahaizana mampianatra.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona avy no Tanjonao Amin’ny Taom-panompoana Vaovao?

Tafiditra amin’ny hoe tanjona ara-panahy ny zavatra rehetra ezahintsika atao mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa sy hampifaliana azy. Manampy antsika hihamatotra ireny tanjona ireny, ka tokony hahafoy fotoana sy hery hanatratrarana azy ireny isika. (1Ti 4:15) Maninona isika no tokony handinika tsy tapaka ny tanjontsika? Satria miovaova ny zavatra iainantsika. Mety hoe tsy mifanaraka amin’ny fiainantsika amin’izao intsony ny tanjona napetratsika taloha, na mety hoe efa tratrantsika ilay izy dia mila manatratra tanjona hafa indray isika.

Alohan’ny hanombohan’ny taom-panompoana no tsara handinihana ny tanjona. Maninona raha resahina mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izany, dia mametraka tanjona vitsivitsy hotratrarin’ny tsirairay sy hotratrarin’ny fianakaviana?

Inona no tanjona voafaritra tsara tianao hapetraka mifandray amin’ireto lisitra eto ambany ireto? Ary inona no eritreretinao hatao mba hanatratrarana an’izany?

Famakiana Baiboly, fianarana samirery, fivoriana, manome valin-teny.​—w02 15/6 14-15 § 14-15

Fanompoana.​—w23.05 27 § 4-5

Toetra kristianina.​—w22.04 23 § 5-6

Hafa:

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara