FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Septambra p. 16
  • Ampiasao ny Pejy Fandraisana ao Amin’ny JW.ORG Rehefa Manompo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao ny Pejy Fandraisana ao Amin’ny JW.ORG Rehefa Manompo
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Efa Nieritreritra An’ireto ve Ianao?
    Mifohaza!—2019
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • “Hafakely Ilay Fomba Fampianatra!”
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Septambra p. 16
Sarin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org amin’ny fiteny isan-karazany.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampiasao ny Pejy Fandraisana ao Amin’ny JW.ORG Rehefa Manompo

Natao hanintona an’ireo olona tso-po tsy Vavolombelon’i Jehovah ny lahatsoratra sy video hita eo amin’ny pejy fandraisana. (As 13:48) Foto-kevitra resahin’ny vaovao na zavatra mitana ny sain’ny olona sy resadresahiny no matetika hita ao.

Ahoana no azonao ampiasana ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org rehefa manompo?

  • Tsidiho matetika ny tranonkalantsika. Jereo hoe inona avy no eo ambanin’ilay hoe “Mahaliana” eo amin’ny pejy fandraisana, dia diniho hoe ahoana no azonao ampiasana an’ireny mba hanampiana ny olona liana. (Raha te hahita an’ireo zavatra hafa nivoaka tato ho ato ianao, dia tsindrio ilay hoe “Hijery Misimisy Kokoa.”) Hahita hevitra vaovao horesahina eny amin’ny fanompoana ianao raha maharaka an’izay zavatra mivoaka ao amin’ny tranonkalantsika.

  • Ampiasao mba hanombohan-dresaka ireo lahatsoratra na video eo amin’ny pejy fandraisana. Mety hanampy antsika hahafantatra an’izay mety eritreretin’ny olona ao amin’ny faritanintsika izy ireny.

  • Asehoy ny olona ny pejy fandraisana. Asehoy azy hoe misy loha hevitra mahaliana maromaro ao, dia atoroy azy hoe ahoana no atao mba hahitana fanazavana ao amin’ilay tranonkala.

  • Andefaso rohy ilay olona. Misy olona sasany tsy dia tia miresaka amintsika nefa tsy mampaninona azy ny mijery ny tranonkalantsika. Raha liana ny olona iresahanao, dia aza misalasala mandefa ny rohin’ny pejy fandraisana, na rohin’ny lahatsoratra na video izay mipoitra eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara