FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Septambra p. 13
  • Ampio Hahafantatra ny Mpamorona Azy ny Olona Tsy Mpivavaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Hahafantatra ny Mpamorona Azy ny Olona Tsy Mpivavaka
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha Hanohina ny Fon’ny Olona Tsy Mpivavaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Ampiasao Tsara Ireo Fitaovana Fampianarana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Fivoriana ho amin’ny asa fitoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Ampianaro ny Marina ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Septambra p. 13
Anabavy iray mitory amin’ny vehivavy aziatika iray.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampio Hahafantatra ny Mpamorona Azy ny Olona Tsy Mpivavaka

Efa nisy fotoana ve ianao niahotra hiresaka amin’ny olona tsy mpivavaka satria nieritreritra hoe tsy hihaino izy? Raha izany, dia tadidio hoe efa maro ny olona tsy mpivavaka, anisan’izany ny olona tsy mino an’Andriamanitra, lasa Vavolombelon’i Jehovah. Matetika no mila ampiantsika kely fotsiny izy ireo mba hahita porofo hoe misy Andriamanitra.​—Ro 1:20; 10:14.

JEREO ILAY VIDEO HOE TADIDIO FA AFAKA NY HANAM-PINOANA NY OLONA TSY MANAM-PINOANA: IREO TSY MPIVAVAKA, ARY VALIO ITY:

Maninona ny tantaran’i Tommaso no manampy antsika tsy hiahotra hitory amin’ny olona tsy mpivavaka?

Ahoana no hanaovana an’izany?

Raha milaza aminao ny olona iray hoe tsy mino an’Andriamanitra izy dia miezaha ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja. (2Ti 2:24) Miezaha koa hahatakatra ny fomba fijeriny sy ny fihetseham-pony. Miresaha foto-kevitra mety hahaliana azy. Vonona hiresaka ve izy raha ampisehoana porofo nanampy olona maro hahita hoe misy ny Mpamorona? Raha vonona izy, dia ampiasao ireo video sy lahatsoratra navoakan’ny fandaminana momba an’izany. Nampidirina ho anisan’ny fitaovana fampianarana ny bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina mba ho mora ampiasaina.

Mety hisalasala hiresaka momba ny fahamarinana amin’ny olona tsy mino an’Andriamanitra ianao amin’ny voalohany. Maninona àry raha mangataka fanampiana amin’ny mpitory za-draharaha? Tadidio koa fa afaka manampy anao hanohina ny fon’ny olona manana toe-po tsara i Jehovah na dia hoe tsy mino azy aza ilay olona amin’ny voalohany.​—As 13:48.

Bokikely “Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?”
Bokikely “Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina.”
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara