FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 3 p. 15
  • Afaka Mifidy ny Hoavinao Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mifidy ny Hoavinao Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA AN’I JEHOVAH SY HIHAINO NY FEONY?
  • Miankina Amin’ny Safidinao ny Hoavinao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Afaka ny ho Akaiky An’Andriamanitra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • ‘Ny Mpandefitra no Handova ny Tany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 3 p. 15
Lehilahy iray miaraka amin’ny namany ao amin’ny toerana fisakafoana, ary mampiseho zavatra avy ao amin’ny telefaoniny.

Afaka Mifidy ny Hoavinao Ianao

Nilaza tamin’ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra, 3 500 taona teo ho eo izay, hoe inona no tokony hataon’izy ireo mba hananany hoavy sambatra. Hoy izy: “Efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao.”​—Deoteronomia 30:19.

Tsy maintsy nanao safidy tsara izy ireo raha te hanana hoavy sambatra. Mila manao hoatr’izany koa isika amin’izao. Manoro antsika ny tokony hatao ny Baiboly. Izao no lazainy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony.”​—Deoteronomia 30:20.

INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA AN’I JEHOVAH SY HIHAINO NY FEONY?

IANARO NY BAIBOLY: Mila mianatra an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah aloha ianao, vao ho afaka ny ho tia azy. Ho hitanao hoe Andriamanitra be fitiavana izy ary miahy izay tena hahasoa anao. Asainy hivavaka aminy ianao, satria ‘miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Mampanantena ny Baiboly fa raha miezaka hanatona azy ianao, dia ‘hanatona anao izy.’​—Jakoba 4:8.

AMPIHARO IZAY IANARANAO: Mihaino an’Andriamanitra ianao rehefa manaraka ny tari-dalana feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly. Raha manao an’izany ianao, dia “hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.”​—Josoa 1:8.

Te hahafantatra bebe kokoa momba an’izany ve ianao? Jereo ny tranonkalanay jw.org/mg. Afaka mamaky Baiboly ianao ao, sady afaka manao fangatahana mba hisy olona hanampy anao hahazo tsara izay lazain’ny Baiboly. Misy fianarana Baiboly koa ao.a

Avelao hitari-dalana anao dieny izao ny Baiboly, mba hanananao hoavy sambatra!

a Misy amin’ny fiteny fito izy io, anisan’izany ny teny sinoa mandarin sy kantôney.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara