Ny Mety sy ny Tsy Mety: Safidy Tsy Maintsy Ataonao
Miankina be amin’ny fitsipika momba ny fitondran-tena fidintsika arahina no hahasambatra antsika na tsia. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra izany, dia tiany raha manaraka ny fitsipiny isika.
Tian’i Jehovah hiadana sy ho sambatra isika.
“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mitarika anao any amin’izay lalana tokony halehanao. Raha mba mankatò ny didiko mantsy ianao, dia ho lasa toy ny renirano ny fiadananao ary ho lasa hoatran’ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!”—Isaia 48:17, 18.
Andriamanitra no Mpamorona antsika, dia fantany ny fomba fiaina tsara indrindra ho antsika. Asainy hanaraka ny tari-dalany isika satria hahasoa antsika izany. Rehefa mankatò ny didiny isika, dia tsy mila mieritreritra akory hoe hahasoa ve ity safidiko ity sa tsia. Hanao safidy tsara foana isika, izany hoe safidy hanampy antsika hilamin-tsaina sy ho sambatra.
Tsy mila voatsiary i Jehovah.
“Tsy sarotra loatra aminao izany didy omeko anao androany izany, sady tsy lavitra loatra anao.”—Deoteronomia 30:11.
Mety hila hanova ny fomba fisainantsika sy ny ataontsika isika, rehefa mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Tsy mitaky be loatra amintsika anefa i Jehovah. Izy rahateo no Mpamorona antsika, dia fantany ny zavatra mety ho vitantsika. Rehefa lasa mahafantatra azy isika, dia ho hitantsika hoe “tsy mavesatra ny didiny.”—1 Jaona 5:3.
Mampanantena i Jehovah hoe hanampy an’izay mifidy ny hankatò ny fitsipiny.
“Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana, dia Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”—Isaia 41:13.
Ho vitantsika ny hankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena satria hanampy antsika izy. Ahoana no anaovany an’izany? Nanome ny Teniny izy, izany hoe ny Baiboly. Mampahery sy manome fanantenana antsika izay voalaza ao.
An-tapitrisany eran-tany no mahita hoe nihatsara ny fiainany rehefa nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly ry zareo. Maninona àry raha mianatra bebe kokoa momba ny torohevitra tsara be omena ao? Azonao atao ny manomboka mamaky an’ilay bokikely ara-baiboly hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Azo alaina maimaim-poana ao amin’ny jw.org/mg izy io. Ireto ny lesona hita ao:
Afaka Manampy Anao ny Baiboly
Manome Fanantenana ny Baiboly
Azonao Itokisana ve ny Baiboly?
Ho hitanao hoe tsy lany andro ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mamakafaka azy io ianao. “Azo ianteherana foana” izy io, “amin’izao ka hatrany amin’ny mandrakizay.” (Salamo 111:8) Ho faran’izay tsara ny fomba fiainantsika, rehefa manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena isika. Tsy manery antsika hanao an’izany anefa Andriamanitra. (Deoteronomia 30:19, 20; Josoa 24:15) Safidy tsy maintsy ataon’ny tsirairay izany!