FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w24 Septambra p. 19
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Naniraka Mpianatra 70 mba Hitory i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fitandremana ny Teny Fanaovam-beloma Notononin’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
w24 Septambra p. 19
Jesosy manomboka mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo miaraka amin’ny apostoliny tsy mivadika.

Fanontanian’ny Mpamaky

Taiza ireo mpianatra 70 nirahin’i Jesosy hitory, tamin’izy nanomboka nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Nandao azy ve ry zareo?

Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy nankasitrahan’i Jesosy na nandao azy ireo mpianatra 70, matoa ry zareo tsy teo tamin’i Jesosy nanomboka nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Te hiaraka tamin’ireo apostoliny fotsiny i Jesosy tamin’io fotoana io.

Samy nankasitrahan’i Jesosy na ny apostoly 12 na ireo mpianatra 70. Be dia be ny mpianatr’i Jesosy, fa nifidy lehilahy 12 tamin’ireo izy aloha ary nantsoiny hoe apostoly ry zareo. (Lioka 6:12-16) Tany Galilia izy tamin’izy niantso azy “12 Lahy” ary “nirahiny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana izy ireo.” (Lioka 9:1-6) Nankany Jodia izy tatỳ aoriana, dia “nanendry mpianatra 70 ... ka naniraka azy ireo tsiroaroa.” (Lioka 9:51; 10:1) Lasa nisy mpanara-dia an’i Jesosy àry tany amin’ny toerana samihafa, ary nitory momba azy ry zareo.

Mbola nankalaza ny Paska isan-taona ny Jiosy lasa mpianatr’i Jesosy, ary azo inoana hoe niaraka tamin’ny fianakaviany ry zareo. (Eks. 12:6-11, 17-20) Nankany Jerosalema i Jesosy sy ny apostoliny, taloha kelin’ny hamonoana an’i Jesosy. Tsy novoriny daholo anefa ny mpianany rehetra tany Jodia sy Galilia ary Pere mba hiara-mankalaza ny Paska taminy. Tena te hiaraka tamin’ny apostoly izy tamin’io fotoana io. Izao no nolazainy tamin-dry zareo: “Efa tena niriko ny hiara-mihinana an’ity Paska ity aminareo, alohan’ny hijaliako.”​—Lioka 22:15.

Tena nisy antony matoa i Jesosy nanao an’izany. Tsy ho ela dia ho faty i Jesosy, “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29) Any Jerosalema izy no ho faty, satria any no fanaovana sorona ho an’Andriamanitra hatramin’izay. Nampahatsiahy ny Israelita ilay zanak’ondrin’ny Paska hoe nafahan’i Jehovah avy tany Ejipta ry zareo. Fanafahana lehibe kokoa noho izany anefa no hoentin’ilay sorona nataon’i Jesosy. (1 Kor. 5:7, 8) Hanafaka ny olombelona rehetra amin’ny ota sy ny fahafatesana izy. Lasa afaka ny ho anisan’ny fototry ny fiangonana kristianina koa ny apostoly 12, noho io sorona io. (Efes. 2:20-22) Mahaliana fa nisy “vato fototra 12” i Jerosalema, ilay tanàna masina, ary nosoratana teo amin’ireo “ny anarana roa ambin’ny folon’ny apostoly 12, dia ny apostolin’ny Zanak’ondry.” (Apok. 21:10-14) Handray anjara be amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra àry ny apostoly tsy mivadika. Tsy mahagaga raha te hiaraka tamin-dry zareo i Jesosy tamin’io Paska farany io sy ny Sakafo Harivan’ny Tompo, izay nataon-dry zareo taorian’izay.

Tsy niara-nisakafo tamin’i Jesosy ireo mpianatra 70 sy ny mpianatra hafa. Handray soa amin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo nataon’i Jesosy daholo anefa ny mpianany rehetra hita hoe tsy nivadika. Tafiditra ao amin’ny fifanekena momba ny fanjakana izay Kristianina rehetra lasa voahosotra. Io fifanekena io no noresahin’i Jesosy tamin’ny apostoly tamin’io alina io.​—Lioka 22:29, 30.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara