LAHATSORATRA FIANARANA 36
HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry
‘Antsoy ny Anti-panahy’
“Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana.”—JAK. 5:14.
HEVITRA HODINIHINA
Nahoana no zava-dehibe ny manatona anti-panahy rehefa mila fanampiana?
1. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe sarobidy aminy ny ondriny?
SAROBIDY amin’i Jehovah ny ondriny. Novidiny tamin’ny ran’i Jesosy ry zareo, dia notendreny hikarakara an-dry zareo ny anti-panahy. (Asa. 20:28) Tian’Andriamanitra raha tsara fanahy ny anti-panahy rehefa mikarakara ny ondriny. Manaraka ny tari-dalan’i Kristy ireny anti-panahy ireny, dia manampy ny ondry hifandray tsara amin’i Jehovah foana.—Isaia 32:1, 2.
2. Iza no tena anehoan’i Jehovah fiahiana manokana? (Ezekiela 34:15, 16)
2 Tena miahy ny ondriny tsirairay i Jehovah, indrindra fa ireo ondriny marary ara-panahy. Mampiasa ny anti-panahy izy mba hanampiana an-dry zareo. (Vakio ny Ezekiela 34:15, 16.) Tiany anefa raha isika mihitsy no mitady fanampiana rehefa mila an’izany. Manatona an’ireo “mpiandry sy mpampianatra” ao amin’ny fiangonana isika, ankoatra ny hoe mitalaho fanampiana amin’Andriamanitra.—Efes. 4:11, 12.
3. Inona ny soa raisintsika rehetra rehefa fantatsika tsara ny andraikitry ny anti-panahy?
3 Ho hitantsika ato hoe ahoana no ampiasan’Andriamanitra ny anti-panahy mba hanampiana an’ireo marary ara-panahy. Hamaly an’ireto isika: Rahoviana isika no tokony hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy? Nahoana isika no tokony hanao an’izany? Ary ahoana no anampian-dry zareo antsika? Na dia mbola tsy miatrika olana aza isika amin’izao, dia hanampy antsika hankasitraka kokoa ny fomba ampiasan’i Jehovah ny anti-panahy ny valin’ireo fanontaniana ireo, sady mety hamonjy ny aintsika any aoriana any.
RAHOVIANA ISIKA NO TOKONY ‘HIANTSO NY ANTI-PANAHY’?
4. Nahoana isika no milaza hoe olona marary ara-panahy no resahin’ny Jakoba 5:14-16, 19, 20? (Jereo koa ny sary.)
4 Nohazavain’i Jakoba mpianatra hoe ahoana no ampiasan’i Jehovah ny anti-panahy mba hanampiana an’ireo marary ara-panahy. Izao no nolazainy: “Misy marary ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana.” (Vakio ny Jakoba 5:14-16, 19, 20.) Olona marary ara-panahy no tian’i Jakoba horesahina eto. Tsy dokotera tsinona no nasainy nantsoina fa ny anti-panahy. Niresaka koa izy fa ho sitrana ilay olona rehefa voavela ny helony. Misy itovizana amin’ny mitsabo aretina tsotra ny mitsabo aretina ara-panahy. Rehefa mankany amin’ny dokotera izao ny olona iray, dia hazavainy hoe inona ny soritr’aretiny, ary avy eo arahiny ny tenin’ilay dokotera. Hoatr’izany koa no ataon’ny olona marary ara-panahy. Tokony hanatona anti-panahy izy, dia hazavainy aminy ilay olana, ary avy eo arahiny ny torohevitra avy ao amin’ny Soratra Masina omena azy.
Manatona dokotera isika rehefa marary. Tokony hiresaka amin’ny anti-panahy koa isika rehefa marary ara-panahy (Fehintsoratra 4)
5. Ahoana no hahalalana raha efa mitady harary ara-panahy ianao?
5 Ampirisihin’i Jakoba isika ao amin’ny Jakoba toko faha-5 mba hanatona anti-panahy, raha mahatsiaro hoe misy tsy metimety ny ara-panahintsika. Tsara anefa raha manao an’izany isika dieny mbola tsy simba be ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika. Mampitandrina antsika ny Soratra Masina fa mamita-tena isika raha mieritreritra hoe mifandray tsara amin’i Jehovah nefa tsy izany akory. (Jak. 1:22) Hoatr’izany mihitsy ny Kristianina sasany tany Sardisy, dia nilaza tamin-dry zareo i Jesosy hoe efa tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony ry zareo. (Apok. 3:1, 2) Ahoana no hamantaranao hoe mbola salama ara-panahy tsara ianao? Ampitahao raha mitovy ny hafanam-ponao amin’izao sy tamin’ianao vao vita batisa. (Apok. 2:4, 5) Saintsaino izao: ‘Lasa kamokamo mamaky Baiboly sy misaintsaina ve aho? Lasa tapatapaka amin’ny fivoriana ve aho? Tsy vitako tsara intsony ve ny fanomanako? Lasa tsy dia mazoto manompo intsony ve aho? Vola na zavatra hafa ve no tena andaniako fotoana sy mibahana ao an-tsaiko?’ Raha eny ny valin’ny iray na ny sasany amin’ireo, dia mety hidika izany fa efa tsy mifandray tsara amin’i Jehovah intsony ianao, ary mety ho ratsy kokoa ny vokany raha tsy alamina ilay izy. Tokony hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy isika raha tsy vitantsika samirery ny mamaha an’ilay olana, na efa nanao zavatra fantatsika hoe tsy mampifaly an’i Jehovah isika.
6. Inona no tokony hataon’izay nanao fahotana lehibe?
6 Mazava ho azy fa mila manatona anti-panahy ny olona iray nanao fahotana lehibe. Mety hahatonga azy hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana mantsy ny fahotana hoatr’izany. (1 Kor. 5:11-13) Mila fanampiana ny olona iray nanao fahotana lehibe vao ho tafaverina amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah. Mila ‘mampiseho amin’ny ataony izy fa mibebaka’, raha tiany ny hahazo famelan-keloka amin’ny alalan’ny vidim-panavotana. (Asa. 26:20) Mampiseho an’izany, ohatra, izy rehefa manatona anti-panahy.
7. Iza koa no mila ny fanampian’ny anti-panahy?
7 Tsy ny olona nanao fahotana lehibe ihany no ampian’ny anti-panahy. Ampian-dry zareo koa ny olona malemy ara-panahy. (Asa. 20:35) Anisan’izany ireo manahy hoe hoatran’ny tsy ho vitany intsony ny hiady amin’ny fanirian-dratsy. Mety ho vao mainka sarotra aminao ny miady amin’ilay izy, raha talohan’ny nianaranao ny fahamarinana ianao no efa nandevozin’ny zava-mahadomelina, na nijery sary vetaveta, na ratsy fitondran-tena. Tsy voatery hiady irery anefa ianao. Afaka manatona an’izay anti-panahy manavanana anao ianao. Hihaino tsara anao ry zareo, hanome torohevitra anao, ary hanome toky anao hoe ho faly i Jehovah raha tsy manatanteraka an’ilay fanirian-dratsy ianao. (Mpito. 4:12) Mety ho kivy angamba ianao satria tsy mety afaka mihitsy ilay fanirian-dratsy. Hampahatsiahy anao, amin’izay, ny anti-panahy hoe faly i Jehovah satria nangataka fanampiana ianao. Hita avy amin’izany hoe manetry tena ianao sady te hampifaly azy.—1 Kor. 10:12.
8. Mila manatona anti-panahy foana ve isika isaky ny manao zavatra tsy mety? Hazavao.
8 Tsy voatery hanatona anti-panahy foana ianao isaky ny misy zavatra tsy mety ataonao. Mety ho nanao teny mandratra tamin’ny rahalahy na anabavy iray, ohatra, ianao na tezitra be taminy. Tsy hoe handeha hanatona anti-panahy akory ianao amin’izay, fa azonao ampiharina ilay tenin’i Jesosy hoe mandehana mihavana amin’ny rahalahinao na anabavinao. (Mat. 5:23, 24) Azonao atao koa ny manao fikarohana momba ny fahalemem-panahy, ny faharetana, ary ny fifehezan-tena, amin’izay ianao hahay haneho kokoa an’ireo toetra ireo amin’ny hoavy. Raha mbola tsy vitanao ihany anefa ny mandamina an’ilay olana, dia afaka mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy ianao. Nasain’ny apostoly Paoly nanampy an’i Eodia sy Syntyke izao ny rahalahy iray, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipianina. Nisy olana mantsy izy mirahavavy ireo, dia tsy vitan-dry zareo ny nandamina an’ilay izy. Afaka manampy anao hoatr’izany koa ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo.—Fil. 4:2, 3.
NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIANTSO NY ANTI-PANAHY?
9. Nahoana no tsy tokony havelantsika hanakana antsika tsy hanatona anti-panahy ny henatra? (Ohabolana 28:13)
9 Mitaky finoana sy herim-po ny hoe mangataka fanampiana rehefa nanao fahotana lehibe isika, na mahatsapa hoe hoatran’ny tsy ho vitantsika intsony ny hiady amin’ny fahalementsika. Mety ho menatra anefa isika hiantso anti-panahy. Tsy tokony hanao an’izany isika. Nahoana? Efa nanome ny anti-panahy mantsy i Jehovah mba hanampiana antsika hifandray akaiky aminy foana. Raha miresaka amin-dry zareo àry isika, dia mampiseho hoe matoky an’i Jehovah sady mankatò azy. Miaiky isika hoe mila ny fanampiany rehefa mitady ho lavo. (Sal. 94:18) Ary raha nanota isika, dia hamindra fo amintsika Andriamanitra raha miaiky ny fahotantsika isika sady tsy mamerina an’ilay izy intsony.—Vakio ny Ohabolana 28:13.
10. Inona no ho vokany raha afenintsika ny fahotantsika?
10 Handray fitahiana isika raha miresaka amin’ny anti-panahy rehefa mila fanampiana. Vao mainka hitatra kosa ilay olana raha afenintsika ny fahotantsika. Niezaka nanafina ny fahotany, ohatra, i Davida Mpanjaka dia lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony, kivy be, ary narary mihitsy aza. (Sal. 32:3-5) Vao mainka hihombo ny aretina ara-panahy raha tsy karakaraina, hoatran’ny aretina tsotra ihany. Tsy tian’i Jehovah hitranga izany, dia manasa antsika izy mba “hifandamina” aminy. Mampiasa ny anti-panahy izy mba hanaovana an’izany.—Isaia 1:5, 6, 18.
11. Inona no ho vokany amin’ny hafa raha manafina ny fahotana lehibe nataontsika isika?
11 Raha manafina ny fahotana lehibe nataontsika isika dia mety hisy vokany amin’ny hafa izany. Lasa tsy miasa amin’ny fiangonana intsony ny fanahy masina, ary mety hiteraka olana eo amin’ireo rahalahy sy anabavy izany. (Efes. 4:30) Raha fantatsika koa hoe nanao fahotana lehibe ny olona iray ao amin’ny fiangonana, dia tokony hampirisihintsika izy hiresaka amin’ny anti-panahy momba an’ilay izy.a Meloka koa mantsy isika raha manafina ny fahotana nataon’ny olon-kafa. (Lev. 5:1) Tia an’i Jehovah isika, dia izay no mahatonga antsika hiresaka amin’ny anti-panahy rehefa misy olona nanao fahotana lehibe. Hadio foana ny fiangonana amin’izay, moa ilay olona nanota koa ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah indray.
AHOANA NO ANAMPIAN’NY ANTI-PANAHY ANTSIKA?
12. Ahoana no anampian’ny anti-panahy an’ireo malemy ara-panahy?
12 Asaina manampy an’izay malemy ara-panahy ny anti-panahy. (1 Tes. 5:14) Raha nanota ianao dia mety hametraka fanontaniana ry zareo mba hahalalana an’izay any am-ponao sy any an-tsainao any. (Ohab. 20:5) Mety ho sarotra aminao anefa ny hiresaka amin’ny anti-panahy satria hoe menatra ianao noho ilay zavatra nataonao, na efa izay mihitsy ny kolontsainao sy ny maha izy anao. Ho mora kokoa amin-dry zareo anefa ny hanampy anao raha resahinao mazava tsara ilay olana. Aza manahy mihitsy hoe: ‘Sao dia lazain’ny anti-panahy fa “mirediredy” aho.’ (Joba 6:3) Tsy ho maika hitsaratsara anao ry zareo fa hihaino tsara anao. Hiezaka hahazo tsara ny zava-misy rehetra koa ry zareo alohan’ny hanomezana torohevitra anao. (Ohab. 18:13) Hain’ny anti-panahy hoe mitaky fotoana ny manampy ny ondry. Mety hoe tsy indray mandeha fotsiny àry ry zareo no hiresaka aminao mba hanampiana anao.
13. Nahoana no manampy antsika ny vavaka sy ny torohevitra ara-baiboly omen’ny anti-panahy? (Jereo koa ny sary.)
13 Rehefa miresaka amin’ny anti-panahy ianao, dia tsy hataon-dry zareo izay hahatonga anao ho vao mainka hanamelo-tena. Hivavaka ho anao kosa ry zareo. Mety ho gaga ianao rehefa mahita hoe “misy vokany be” ny vavaka ataon’ny anti-panahy. Ankoatra izay, dia “hanosotra menaka [anao] amin’ny anaran’i Jehovah” ry zareo. (Jak. 5:14-16) Tsy inona io “menaka” io fa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hampiasa ny Baiboly ry zareo mba hampaherezana sy hampiononana anao ary hanampiana anao hifandray tsara amin’i Jehovah indray. (Isaia 57:18) Hanampy anao ho tapa-kevitra kokoa hanao ny tsara ny torohevitra omen-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly. Hoatran’ny maheno an’i Jehovah miteny ianao amin’izay hoe: “Ity no lalana ka andehano.”—Isaia 30:21.
Mampiasa Baiboly ny anti-panahy mba hampaherezana sy hampiononana an’ireo marary ara-panahy (Fehintsoratra 13-14)
14. Araka ny Galatianina 6:1, ahoana no anampian’ny anti-panahy an’izay nanao “zavatra tsy mety”? (Jereo koa ny sary.)
14 Vakio ny Galatianina 6:1. Manao “zavatra tsy mety” ny Kristianina iray rehefa mandika ny fitsipik’i Jehovah. Tsy nandray fanapahan-kevitra tsara angamba izy, na nanao fahotana lehibe. ‘Miezaka manitsy azy amim-pahalemem-panahy’ ny anti-panahy satria tia azy. Ilay teny grika nadika hoe ‘manitsy’ dia azo ampiasaina mba hilazana dokotera mamerina taolana mipitsoka amin’ny laoniny, mba tsy hahatonga an’ilay olona ho kilemaina. Mitandrina tsara ny dokotera mahay rehefa mamerina taolana amin’ny laoniny, mba tsy hanaintaina be ilay izy. Hoatr’izany koa no ataon’ny anti-panahy rehefa manasitrana olona marary ara-panahy. Tsy manampy trotraka ny fanaintainan’ilay olona ry zareo. Asaina ‘mitandrina tsara’ koa ry zareo rehefa manampy antsika hanitsy ny diantsika. Mba tsy lavorary koa mantsy ry zareo sady mora manao zavatra tsy mety. Miezaka mangoraka àry ny anti-panahy fa tsy hoe manambony tena, na miseho ho marina loatra, na mitsaratsara.—1 Pet. 3:8.
15. Inona no tokony hataontsika raha manana olana isika?
15 Afaka matoky ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana isika. Efa nampiofanina mantsy ry zareo mba hitana ny tsiambaratelontsika, sy hanome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly fa tsy izay hitany fa mety fotsiny, ary hanome fanampiana mitohy mba hiatrehantsika ny olana mahazo antsika. (Ohab. 11:13; Gal. 6:2) Samy manana ny maha izy azy sy ny traikefany ry zareo, fa mety foana izay iresahanao rehefa manana olana ianao. Mazava ho azy fa tsy handeha hitetitety anti-panahy ianao mandra-pahitanao an’izay anti-panahy hanome torohevitra metimety aminao. Raha manao an’izany mantsy ianao, dia hitovy amin’ireo olona resahin’ny 2 Timoty 4:3 hoe te haheno an’izay “zavatra mahafinaritra ny sofiny” fotsiny, fa tsy ny “fampianarana mahasoa” avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa miresaka olana amin’ny anti-panahy iray isika, dia mety hanontany izy raha efa niresaka tamin’ny anti-panahy hafa isika sy hoe inona ny torohevitra nomeny. Mety hangataka torohevitra amin’ny anti-panahy hafa aloha izy satria manetry tena.—Ohab. 13:10.
INONA NO ANDRAIKITSIKA?
16. Inona no andraikitsika?
16 Marina hoe manoro hevitra antsika sy manampy antsika ny anti-panahy, fa tsy ry zareo anefa no mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny toerantsika. Anjarantsika kosa ny mampiseho amin’ny tenintsika sy ny ataontsika hoe tia an’i Jehovah isika sady te hampifaly azy. Ampian’i Jehovah koa isika mba tsy hivadika aminy sy hahay handray fanapahan-kevitra. (Rom. 14:12) Tsy milaza amintsika an’izay tokony hataontsika àry ny anti-panahy, fa mampiasa ny Baiboly mba hahatakarantsika ny fomba fisainan’i Jehovah. Manazatra ny ‘saintsika’ isika rehefa manaraka ny torohevitra omen-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly ka lasa mahay manapa-kevitra.—Heb. 5:14.
17. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
17 Tombontsoa be mihitsy ny hoe anisan’ny ondrin’i Jehovah. Nomen’i Jehovah an’i Jesosy, ilay “mpiandry tena tsara”, isika. (Jaona 10:11) Nanome ny ainy ho antsika izy, amin’izay isika afaka manantena hiaina mandrakizay. Mampiasa ny anti-panahy koa i Jehovah mba hikarakara antsika, araka ilay nampanantenainy hoe: “Homeko mpiandry sitraky ny foko ianareo, ka hofahanan’izy ireo fahalalana sy fahaiza-mandinika.” (Jer. 3:15) Aza misalasala àry miantso ny anti-panahy, raha tsapanao hoe misy tsy metimety ny ara-panahinao na hoe mila alamina ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Hararaoty tsara ny fanampiana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny anti-panahy.
HIRA 31 Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!
a Mety hoe efa nomenao fotoana ampy tsara ilay olona nanota mba hiresahana an’ilay izy amin’ny anti-panahy, nefa tsy nanao zavatra izy. Ianao mihitsy amin’izay no mila manatona anti-panahy. Hita hoe tsy mivadika amin’i Jehovah ianao rehefa manao an’izany.