LAHATSORATRA FIANARANA 37
HIRA 114 Miezaha Hanam-paharetana
Ahoana no Hiatrehana ny Tsy Rariny?
“Nanantena foana izy hoe hanjaka ny rariny, saingy indrisy fa tsy nisy nanao ny rariny.”—ISAIA 5:7.
HEVITRA HODINIHINA
Raha manahaka an’i Jesosy isika rehefa miatrika ny tsy rariny, dia hampifaly an’i Jehovah.
1-2. Inona no ataon’ny olona maro rehefa mahita tsy rariny, ary inona no mety hahalasa saina antsika?
MANJAKA izao ny tsy rariny. Be dia be ny olona iharan’ny tsy rariny noho ny fahantrany, ny fiaviany, ny paozipaoziny, na noho ny antony hafa. Misy koa mijaly satria simba ny tontolo iainana, na vao mainka mihasimba, noho ny afitsoky ny mpandraharaha sy ny mpitondra fanjakana tia vola. Misy vokany amintsika rehetra ny tsy rariny, na mivantana izany na tsia.
2 Tsy mahagaga raha betsaka no tezitra rehefa mahita tsy rariny. Samy te hanana fiainana milamina sy te hoentina amin’ny fomba tsara mantsy isika rehetra. Te hitondra fanovana ny olona sasany. Manohitra ny lalàna sy ny fitondram-panjakana, ohatra, ry zareo, na mifidy an’izay mpanao politika mampanantena vahaolana. Kristianina anefa isika dia ampianarina hoe “tsy anisan’izao tontolo izao”, fa hiandry ny Fanjakan’Andriamanitra satria izy io no hanafoana ny tsy rariny rehetra. (Jaona 17:16) Na izany aza, dia manahy ihany isika, na tezitra mihitsy aza, rehefa mahita olona iharan’ny tsy rariny. Mety ho lasa saina isika hoe: ‘Ahoana àry no hataoko rehefa mitranga izany? Misy zavatra azoko atao ve dieny izao?’ Mba hamaliana an’ireo dia hojerentsika aloha hoe ahoana no fahitan’i Jehovah sy Jesosy ny tsy rariny.
MANKAHALA NY TSY RARINY I JEHOVAH SY JESOSY
3. Nahoana no ara-dalàna raha tezitra isika rehefa mahita tsy rariny? (Isaia 5:7)
3 Tsy mahagaga raha tezitra isika rehefa mahita olona iharan’ny tsy rariny. Manazava mantsy ny Baiboly hoe “tia rariny sy hitsiny” i Jehovah ary noforoniny hitovy endrika aminy isika. (Sal. 33:5; Gen. 1:26) Tsy manao ny tsy rariny izany mihitsy izy, dia tsy misy tiany hanao an’izany koa. (Deot. 32:3, 4; Mika 6:8; Zak. 7:9) Tamin’ny andron’i Isaia mpaminany, ohatra, dia be dia be ny Israelita nampijalin’ny mpiray firenena taminy ka lasa naheno “feon’olona mijaly sy mitaraina” i Jehovah. (Vakio ny Isaia 5:7.) Nosaziny àry ireo nikiry nandika ny lalàny sy nampijaly ny hafa.—Isaia 5:5, 13.
4. Inona no tsapan’i Jesosy tamin’izy nahita olona niharan’ny tsy rariny? (Jereo koa ny sary.)
4 Hoatran’i Jehovah ihany i Jesosy, ka tia rariny sady mankahala ny tsy rariny. Nisy fotoana, ohatra, izy nahita lehilahy maty tanana. Nalahelo an’ilay lehilahy izy dia nanasitrana azy. Tezitra be anefa ny mpitondra fivavahana rehefa nahita an’izany. Namorona fitsipika hentitra be momba ny Sabata mantsy ry zareo, dia ny hampiharana an’izany no masaka tao an-tsainy fa tsy izay hahasoa an’ilay olona marary. Inona no tsapan’i Jesosy rehefa nahita an’izany? “Nalahelo be [izy] noho ny hamafin’ny fon’ireo.”—Mar. 3:1-6.
Tsy hoatran’i Jesosy ny mpitondra fivavahana jiosy, satria tsy mba nangoraka ny olona nila fanampiana ry zareo (Fehintsoratra 4)
5. Nahoana isika no tsy tokony ho tezitra ela be rehefa misy tsy rariny?
5 Tsy diso isika raha tezitra rehefa mahita tsy rariny, satria i Jehovah sy Jesosy aza mahatsapa hoatr’izany koa. (Efes. 4:26) Na izany aza, dia tsy maintsy mitadidy isika hoe tsy hitondra vahaolana ny hatezerana, na dia ara-drariny aza. Mety harary aza isika na ho kivy be raha tezitra ela be na tsy mahafehy ny hatezerantsika. (Sal. 37:1, 8; Jak. 1:20) Inona àry no tokony hataontsika rehefa misy tsy rariny? Afaka manahaka ny ohatra nomen’i Jesosy isika.
AHOANA NO NATAON’I JESOSY REHEFA NISY TSY RARINY?
6. Inona no tsy rariny nanjaka tamin’i Jesosy teto an-tany? (Jereo koa ny sary.)
6 Nahita tsy rariny be dia be i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Ny masony mihitsy no nahita ny mpitondra fivavahana nampahory ny sarambabem-bahoaka. (Mat. 23:2-4) Fantany koa hoe nampijaly ny vahoaka ny mpitondra romanina. Betsaka, tamin’izany, ny Jiosy tsy te ho eo ambany fifehezan’ny Romanina intsony. Niady tamin’ny Romanina mihitsy aza ny sasany, anisan’izany ireo Jiosy nafana fo nantsoina hoe Zelôta. Na izany aza, dia tsy namorona na nanohana antoko te hitondra fanovana i Jesosy. Rehefa nisy olona nitady hanao azy ho mpanjaka dia niala teo izy.—Jaona 6:15.
Niala teo amin’ny vahoaka i Jesosy rehefa nitady hitaona azy hanao politika ry zareo (Fehintsoratra 6)
7-8. Nahoana i Jesosy no tsy niezaka nanafoana ny tsy rariny tamin’izy teto an-tany? (Jaona 18:36)
7 Tsy nanao politika i Jesosy mba hanafoanana ny tsy rariny, tamin’izy teto an-tany. Fa maninona? Satria fantany fa tsy mahay mifampitondra ny olombelona, sady tsy manana zo hanao an’izany. (Sal. 146:3; Jer. 10:23) Tsy vitan’ny olombelona koa ny manala ny fototry ny tsy rariny, izany hoe i Satana sy ny tsy fahalavorariana. I Satana Devoly mantsy no mpitondra an’izao tontolo izao. Lozabe izy dia mampiasa ny fahefany mba hampirisihana ny olona hanao ny tsy rariny. (Jaona 8:44; Efes. 2:2) Tsy lavorary koa na dia ny mpitondra tsara fikasa indrindra aza, ka tsy ho vitany ny hanao ny rariny foana.—Mpito. 7:20.
8 Fantatr’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanala tanteraka ny fototry ny tsy rariny. Izany no nahatonga azy hanokana ny fotoanany sy ny heriny mba ‘hitoriana sy hanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.’ (Lioka 8:1) Nanome toky an’ireo “noana sy mangetaheta ny fahamarinana” izy hoe tsy hisy intsony ny kolikoly sy ny tsy rariny amin’ny hoavy. (Mat. 5:6; Lioka 18:7, 8) Tsy ny fanjakan’olombelona mihitsy anefa no hahavita hanafoana an’izany, fa ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary tsy anisan’izao tontolo izao izy io.—Vakio ny Jaona 18:36.
TAHAFO I JESOSY
9. Nahoana ianao no resy lahatra fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanafoana ny tsy rariny rehetra?
9 Betsaka kokoa ny tsy rariny amin’izao, raha oharina amin’ny tamin’izay hitan’i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Mbola i Satana sy ireo olona tsy lavorary eo ambany fahefany ihany anefa no fototry ny tsy rariny amin’izao “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1-5, 13; Apok. 12:12) Miaiky hoatran’i Jesosy isika hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hanafoana ny fototry ny tsy rariny. Manohana tanteraka an’io Fanjakana io isika dia tsy midina an-dalambe, na mitokona, na manao zavatra hafa hanoherana ny tsy rariny. Diniho ny ohatr’ilay anabavy atao hoe Stacy.a Matetika izy no nidina an-dalambe niaraka tamin’ny olona nitaky fanovana, talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Lasa nisalasala anefa izy raha nety ny nataony. Izao no nolazainy: “Lasa saina aho, tamin’izahay nitokona, raha tena hitondra vahaolana ny zavatra nataonay. Amin’izao anefa aho manohana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia haiko hoe tena hitondra vahaolana izy io. Fantatro hoe na dia miezaka manafoana ny tsy rariny aza aho, dia tsara lavitra noho ny mety ho vitako ny vitan’i Jehovah.”—Sal. 72:1, 4.
10. Nahoana ny zavatra ataon’ny mpanao fihetsiketsehana no tsy mifanaraka amin’ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:43-48? (Jereo koa ny sary.)
10 Matetika ny mpanao fihetsiketsehana no tezitra be dia lasa mandika lalàna sy manisy ratsy ny hafa. Tsy hoatr’izany mihitsy anefa ny modely nomen’i Jesosy sy ny zavatra nampianariny antsika. (Efes. 4:31) Izao no nolazain’ny rahalahy iray atao hoe Jeffrey: “Fantatro hoe na dia hoatran’ny milamindamina aza ny mpitokona, dia mety ho tezitra be tampoka ka hahery setra sy handroba.” Isika anefa nampianarin’i Jesosy hoe tokony ho tia ny olona rehetra, na dia ireo tsy mitovy hevitra amintsika na manohitra antsika aza. (Vakio ny Matio 5:43-48.) Kristianina isika dia miezaka mba tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ny modely nomen’i Jesosy.
Mila herim-po isika mba tsy hidirana mihitsy amin’ny resaka politika sy ny olana eo amin’ny fiaraha-monina (Fehintsoratra 10)
11. Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny manahaka an’i Jesosy?
11 Na dia fantatsika aza hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanafoana tanteraka ny tsy rariny, dia mety ho sarotra amintsika ny hanahaka an’i Jesosy rehefa iharan’ny tsy rariny isika. Izany, ohatra, no nanjo an’i Janiya, tamin’izy nisy nanavakavaka. Hoy izy: “Tezitra be aho. Nalahelo koa aho dia tiako raha sazina ireny mpanavakavaka ireny. Nieritreritra ny hanohana fikambanana miady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra aho. Izany angamba no hampitony ny hatezerako.” Tsapan’i Janiya anefa tatỳ aoriana hoe nila niova izy. Izao no nolazainy: “Nanaraka an’izay noheverin’ny hafa hoe mety fotsiny aho, dia lasa ny olona indray no natokisako fa tsy i Jehovah. Nanapa-kevitra aho fa tsy hifanerasera tamin’ny olona tao amin’ilay fikambanana intsony.” Tsy maintsy mitandrina isika, mba tsy hahatonga antsika hiditra amin’ny politika na ny olana eo amin’ny fiaraha-monina ny hatezerana, na dia ara-drariny aza.—Jaona 15:19.
12. Nahoana no hendry isika raha mifidy tsara ny zavatra vakintsika sy henointsika ary jerentsika?
12 Inona no hanampy antsika hifehy ny hatezerantsika rehefa misy tsy rariny? Azo atao, ohatra, ny mifidy tsara ny zavatra vakintsika sy henointsika ary jerentsika. Izao mantsy: Amboamboarina be ny zavatra resahina ao amin’ny tambazotran-tserasera sasany, amin’izay ny olona ho tezitra amin’ny tsy rariny dia himenomenona amin’ny fanjakana. Matetika koa ny mpilaza vaovao no miresaka ny heviny fotsiny fa tsy ny tena zava-misy. Fa na marina aza ilay vaovao, dia inona moa no tombony ho azo raha mandany fotoana be hanarahana an’ilay izy isika? Isika fotsiny no ho tezitra na harary fo eo. (Ohab. 24:10) Mety tsy hifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra intsony aza isika, nefa io no hitondra vahaolana maharitra.
13. Nahoana ny fahazarana mamaky Baiboly no manampy antsika rehefa mahita olona iharan’ny tsy rariny isika?
13 Ho haintsika izay tokony hatao rehefa misy tsy rariny, raha zatra mamaky Baiboly sy misaintsaina isika. Izany no nanampy an’i Alia. Nalahelo be izy rehefa nahita olona nampijalijalina. Sosotra koa izy satria hoatran’ny afa-maina ny olona nampijaly an-dry zareo. Izao no nolazainy: “Tsapako hoe mila manova ny fomba fisainako aho raha tena mino fa hamaha an’ireny olana ireny i Jehovah. Tamin’izany mihitsy aho no namaky ny Joba 34:22-29. Nampahatsiahy ahy ireo andininy ireo fa mahita ny zava-drehetra i Jehovah. Izy ihany no tena mahafantatra ny atao hoe rariny, dia izy irery koa no hamaha tanteraka ny olana mahazo ny olombelona.” Mandra-pahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa, dia inona no azontsika atao rehefa misy tsy rariny?
INONA NO AZONTSIKA ATAO DIENY IZAO?
14. Inona no azontsika atao amin’izao rehefa misy tsy rariny? (Kolosianina 3:10, 11)
14 Mety tsy ho afaka hisakana ny olona tsy hanao ny tsy rariny isika. Isika kosa afaka miezaka manao ny rariny. Hitantsika teo aloha hoe manahaka an’i Jesosy isika rehefa maneho fitiavana. Izany fitiavana izany no mahatonga antsika hanaja ny hafa, na dia ireo manao ny tsy rariny aza. (Mat. 7:12; Rom. 12:17) Faly i Jehovah rehefa tsara fanahy sy manao ny rariny amin’ny olona rehetra isika.—Vakio ny Kolosianina 3:10, 11.
15. Nahoana isika no manampy ny hafa rehefa miresaka aminy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
15 Mila mampianatra ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika, satria izany no fomba tsara indrindra hiatrehana ny tsy rariny. Afaka manova olona mantsy ny “fahalalana an’i Jehovah”, ka na tia ady sy nahery setra aza izy taloha dia ho lasa tsara fanahy sy tia fihavanana. (Isaia 11:6, 7, 9) Hoatr’izany mihitsy izao i Jemal. Niaraka tamin’ny antokon’olona nikomy tamin’ny fanjakana izy talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Nihevitra mantsy ry zareo hoe nampijaly vahoaka ny fanjakana. Hoy i Jemal: “Tsy afaka manova olona ianao rehefa mampiasa herisetra. Tsy izany izao no nanova ahy fa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.” Ny zavatra nianaran’i Jemal no nahatonga azy tsy hikomy tamin’ny fanjakana intsony. Rehefa mampianatra ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika dia hanampy azy hiova ka tsy hampijaly ny hafa intsony.
16. Inona no mandrisika anao hiresaka amin’ny olona ny zavatra hataon’ilay Fanjakana?
16 Mafana fo hoatran’i Jesosy isika rehefa miresaka amin’ny olona hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanala tanteraka ny tsy rariny. Mety hampahery an’ireo nisy nampijaly izany fampanantenana izany. (Jer. 29:11) Izao no nolazain’i Stacy, ilay voaresaka terỳ aloha: “Rehefa fantatro hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no hanala ny fijaliana, dia lasa tony aho rehefa misy mampijaly na rehefa mahita ny hafa ampijalina. Ny hafatra ao amin’ny Baiboly tokoa no ampiononan’i Jehovah ny olona.” Mila miomana tsara ianao rehefa hiresaka amin’ny hafa ny fampanantenana ao amin’ny Soratra Masina. Raha tena resy lahatra ianao hoe marina ny zavatra resahin’ny Baiboly momba ny tsy rariny, dia ho vonona sy hahay handanjalanja kokoa ianao rehefa hiresaka an’izany amin’ny hafa, na any am-pianarana na any am-piasana.b
17. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiatrika ny tsy rariny?
17 Fantatsika hoe hisy foana ny tsy rariny raha mbola i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao.” Mandra-pahatongan’ny fotoana ‘handroahana’ azy anefa, dia tsy hoe tsy afa-manoatra isika na hoe tsy misy antenaina. (Jaona 12:31) Hazavain’i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina mantsy hoe nahoana no be dia be hoatr’izao ny tsy rariny, ary inona no tsapany rehefa mahita antsika iharan’ny tsy rariny izy. (Sal. 34:17-19) Ankoatra izay, dia naniraka ny Zanany izy mba hampianatra antsika an’izay tokony hatao rehefa iharan’ny tsy rariny isika. Nampianarin’i Jesosy koa hoe tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanala tanteraka ny tsy rariny. (2 Pet. 3:13) Enga anie isika hazoto hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana, sady hiandrandra an’ilay fotoana hanjakan’ny “rariny sy ny hitsiny” eran-tany!—Isaia 9:7.
HIRA 158 “Tsy ho Tara Izany”!
a Novana ny anarana sasany.
b Jereo koa ny fanazavana fanampiny A, hevitra 24-27, ao amin’ilay bokikely hoe Tiavo ny Olona ka Ampianaro.