FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Septambra p. 14-19
  • Manaja ny Hafa ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaja ny Hafa ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA ILAY HOE MANAJA NY HAFA?
  • HAJAO NY FIANAKAVIANAO
  • HAJAO NY MPIRAY FINOANA AMINAO
  • HAJAO NY OLONA TSY VAVOLOMBELONA
  • Nilaozan’ny Toetrandro ve ny Fanajana?
    Mifohaza!—2024
  • Loha Laharana Amin’ny Fanomezam-boninahitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Miezaha Hanaja ny Vadinao
    Mifohaza!—2016
  • Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Septambra p. 14-19

LAHATSORATRA FIANARANA 38

HIRA 120 Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

Manaja ny Hafa ve Ianao?

“Aleo hajain’ny olona toy izay mahazo volafotsy sy volamena.”​—OHAB. 22:1.

HEVITRA HODINIHINA

Ho hitantsika ato hoe nahoana no ilaina ny manaja ny hafa ary ahoana no hanaovana an’izany, indrindra rehefa tsy mora ilay izy.

1. Nahoana no tian’ny olona ilay hoe hajaina? (Ohabolana 22:1)

TIANAO ve raha mba manaja anao ny hafa? Mazava ho azy! Mila mahatsapa isika olombelona hoe hajaina. Faly isika rehefa misy manaja. Tsy mahagaga raha miteny ny Baiboly hoe: “Aleo hajain’ny olona toy izay mahazo volafotsy sy volamena.”​—Vakio ny Ohabolana 22:1.

2-3. Nahoana no tsy mora foana ny hoe manaja ny hafa, ary iza avy no tokony hohajaintsika?

2 Mety tsy ho mora foana ny manaja ny hafa. Hitantsika tsinona ny fahalemen-dry zareo, moa amin’izao koa be dia be ny olona tsy manaja ny hafa. Tokony hiavaka anefa isika. Tian’i Jehovah mantsy isika raha manome voninahitra, na manaja “ny karazan’olona rehetra.”​—1 Pet. 2:17.

3 Ho hitantsika ato ny dikan’ny hoe manaja ny hafa sy ny fomba hampisehoana an’izany amin’ny 1) mpianakavintsika, sy 2) ny mpiray finoana amintsika, ary 3) ny olona tsy Vavolombelona. Ny tena hifantohantsika anefa dia hoe ahoana no azontsika anehoana fanajana, indrindra rehefa tsy mora ny manao an’izany.

AHOANA ILAY HOE MANAJA NY HAFA?

4. Ahoana ilay hoe manaja ny hafa?

4 Ahoana no amaritana an’ilay hoe manaja? Mifandray ny hoe “manaja” sy ny hoe “manome voninahitra” amin’ny fiteny sasany. Ahoana izany? Ny fiheverantsika an’ilay olona no tena tiana horesahina amin’ilay hoe “manaja.” Rehefa manaja ny hafa isika dia mihevitra azy hoe mendrika ny hanehoana fiheverana, angamba noho ny toetra tsarany, ny zava-bitany, na ny toerana tanany. Ny fomba itondrantsika an’ilay olona kosa no asongadina amin’ilay hoe “manome voninahitra.” Rehefa manome voninahitra ny hafa isika dia asehontsika amin’ny fomba itondrantsika azy hoe sarobidy izy, ankasitrahantsika, ary misy vidiny. Tokony ho avy amin’ny fo anefa ilay hoe manome voninahitra.​—Mat. 15:8.

5. Inona no hanampy antsika hanaja ny hafa?

5 Tian’i Jehovah hanaja ny hafa isika, anisan’izany ny “manam-pahefana.” (Rom. 13:1, 7) Mety hisy hiteny anefa hoe: ‘Izay mendrika ny hohajaina ihany no hajaiko.’ Mety ve izany? Mpanompon’i Jehovah isika dia tsy hoe ny zavatra ataon’ny hafa ihany no mahatonga antsika hanaja azy. Tia an’i Jehovah kosa isika sady te hampifaly azy, dia izay no mahatonga antsika hanaja ny hafa.​—Jos. 4:14; 1 Pet. 3:15.

6. Ho vitanao ve ny hanaja olona iray raha izy aza tsy manaja anao? Hazavao. (Jereo koa ny sary.)

6 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Ho vitako ve ny hanaja olona iray raha izy aza tsy manaja ahy?’ Ho vitanao izany. Diniho izao: Nanambanimbany an’i Jonatana zanany teny imason’olona, ohatra, i Saoly Mpanjaka. (1 Sam. 20:30-34) Nanaja an’i Saoly foana anefa i Jonatana ka nanohana azy tany an’ady mandra-pahafatiny. (Eks. 20:12; 2 Sam. 1:23) I Hana indray nendrikendrehin’i Ely Mpisoronabe hoe mamo. (1 Sam. 1:12-14) Nanaja azy anefa i Hana rehefa niresaka taminy, na dia efa fantatry ny Israelita rehetra aza hoe tsy nahafehy ny zanany i Ely sady tsy nahavita tsara ny asany. (1 Sam. 1:15-18; 2:22-24) Nambanimbanin’ny olona tao Atena koa ny apostoly Paoly. Nolazain-dry zareo hoe “be resaka” izy. (Asa. 17:18) Na izany aza dia nanaja an-dry zareo i Paoly rehefa niresaka taminy. (Asa. 17:22) Raha tena tia an’i Jehovah isika sady matahotra sao tsy hampifaly azy, dia hanaja ny hafa foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Andao hojerentsika hoe iza avy no tokony hohajaintsika ary nahoana.

Jonatana sy Saoly ary ny miaramila israelita, any an’ady. Mitondra sabatra sy lefona ary ampinga ry zareo.

Na dia nambanimbanin’i Saoly aza i Jonatana, dia mbola niaro sy nanohana an’io mpanjaka rainy io foana izy (Fehintsoratra 6)


HAJAO NY FIANAKAVIANAO

7. Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny manaja ny mpianakavintsika?

7 Olana. Miaraka foana amin’ny mpianakavintsika isika, dia tsy ny toetra tsaran-dry zareo ihany no fantatsika fa ny fahalemeny koa. Misy amin’izy ireo izao marary, dia lasa sarotra amintsika ny mikarakara azy. Ny hafa indray mety hoe miady saina be. Misy mihitsy aza milaza na manao zavatra mankarary ny fontsika. Tokony hoe mba anjakan’ny fiadanana ny tokantrano nefa lasa anjakan’ny korontana rehefa tsy mifanaja ny mpianakavy. Lasa tsy afaka miara-miasa tsara àry ry zareo. Azo oharina amin’ny vatana ny fianakaviana. Mahatonga ny vatana tsy hiasa tsara ny aretina, dia hoatr’izany koa fa lasa tsy miara-miasa tsara ny mpianakavy rehefa tsy mifanaja. Afaka mianatra mifanaja anefa ry zareo, hoatran’ny aretina maro hoe azo sitranina.

8. Nahoana isika no tokony hanaja ny mpianakavintsika? (1 Timoty 5:4, 8)

8 Nahoana isika no tokony haneho fanajana? (Vakio ny 1 Timoty 5:4, 8.) Nosoratan’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty hoe tokony hikarakara an’izay ilain’ny ankohonany ny mpianakavy. Nohazavainy tao fa tsy tokony ho adidy fotsiny no mahatonga antsika hanaja ny mpianakavintsika, fa noho isika ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra.’ Midika izany hoe mikarakara ny fianakaviantsika isika satria tia an’i Jehovah, ary raisintsika ho anisan’ny fanompoana azy izany. I Jehovah koa no namorona ny fianakaviana. (Efes. 3:14, 15) Manome voninahitra azy àry isika rehefa manome voninahitra ny mpianakavintsika. Antony lehibe anajantsika ny mpianakavintsika izany.

9. Ahoana no hampisehoan’ny mpivady hoe mifanaja ry zareo? (Jereo koa ny sary.)

9 Ahoana no hanehoana fanajana? Raha manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy dia hasehony hoe sarobidy aminy izy, na eny imason’olona na tsia. (Ohab. 31:28; 1 Pet. 3:7) Tsy mamono azy izy, na manambanimbany azy, na manao izay hahatonga azy hahatsapa hoe tsy misy vidiny. Hoy i Ariel,a rahalahy mipetraka any Arzantina: “Milaza zavatra mankarary ny foko ny vadiko indraindray noho ny aretiny. Rehefa hoatr’izany, dia mitadidy foana aho hoe tsy vokatry ny fony ny zavatra teneniny. Rehefa tena mila tsy ho zakako ilay izy dia mitadidy ny 1 Korintianina 13:5 aho. Izany no manampy ahy hanaja azy foana fa tsy ho tezitra rehefa miresaka aminy.” (Ohab. 19:11) Manome voninahitra ny vadiny ny vehivavy raha tsy manaratsiratsy azy amin’ny olon-kafa. (Efes. 5:33) Tsy manao vazivazy maneso ny vadiny izy, na mametaka anarana manambany azy. Fantany hoe hoatran’ny harafesina amin’ny vy izany ary manimba tokantrano. (Ohab. 14:1) Miady saina be koa ny vadin’ny anabavy iray any Italia. Izao no nolazain’ilay anabavy: “Mieritreritra aho indraindray hoe tafahoatra loatra ny fanahian’ny vadiko. Hita be amin’ny endriko sy ny teniko, taloha, hoe tsy nanaja azy aho. Hitako anefa hoe lasa nanaja kokoa ny vadiko aho rehefa mifanerasera amin’ny olona manaja ny hafa amin’ny resaka ataony.”

Sary: Mpivady iray mifanaja. 1) Miara-mikarakara sakafo ao an-dakozia ry zareo, dia tsara fanahy ilay lehilahy miresaka amin’ny vadiny. 2) Manolotra sakafo ho an’ny rahalahy zokiolona iray ilay lehilahy, dia miresaka zavatra tsara momba azy amin’ny vahinin-dry zareo ilay vehivavy.

Rehefa asehontsika hoe manaja ny mpianakavintsika isika, dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay namorona ny fianakaviana (Fehintsoratra 9)


10. Ahoana no hampisehoan’ny tanora hoe manaja ny ray aman-dreniny ry zareo?

10 Ry tanora, ankatoavy ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninareo. (Efes. 6:1-3) Hajao ry zareo rehefa miresaka aminy ianao. (Eks. 21:17) Mila anao kokoa ny ray aman-dreninao rehefa mihalehibe. Ataovy àry izay tsara indrindra vitanao mba hikarakarana an-dry zareo. Tsy Vavolombelona, ohatra, ny dadan’i María. Kizitina be izy rehefa narary ka lasa sarotra tamin’i María ny nikarakara azy. Hoy i María: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanaja an’ny dadanay sady hahavita hampiseho an’izany. Nosaintsainiko hoe matoa aho asain’i Jehovah manome voninahitra ny ray aman-dreniko, dia hanome hery ahy hanaovana an’izany koa izany izy. Tonga saina aho hoe tsy miankina amin’izay ataon’ny dadanay no anajako azy.” Raha manome voninahitra ny mpianakavintsika isika, na dia tsy mora amintsika aza izany, dia asehontsika hoe manaja ny fandaharana nataon’i Jehovah isika.

HAJAO NY MPIRAY FINOANA AMINAO

11. Nahoana no mety ho sarotra ny manaja ny mpiray finoana amintsika?

11 Olana. Miezaka be ny mpiara-manompo amintsika mba hampihatra ny torolalan’ny Baiboly. Mety tsy ho tsara fanahy amintsika anefa ry zareo indraindray, na hitsaratsara antsika, na hanao zavatra mahasosotra antsika. Mety ho sarotra amintsika ny hanaja mpiara-manompo iray, raha “manana antony itarainana” momba azy isika. (Kol. 3:13) Inona àry no hanampy antsika?

12. Nahoana isika no tokony hanaja ny mpiray finoana amintsika? (2 Petera 2:9-12)

12 Nahoana isika no tokony haneho fanajana? (Vakio ny 2 Petera 2:9-12.) Nilaza i Petera tao amin’ny taratasiny faharoa hoe nisy Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany tsy nanaja an’ireo “manana voninahitra”, na ny anti-panahy, rehefa niresaka momba an-dry zareo. Ahoana no nataon’ny anjely tsy mivadika rehefa nahita an’izany? Tsy nanevateva an’ireo olona nanao ratsy ireo ry zareo, na dia kely fotsiny aza, ‘satria nanaja an’i Jehovah.’ Eritrereto ange izany e! Na ny anjely lavorary aza tsy nasiaka rehefa niresaka momba an’ireo lehilahy nanambony tena ireo. I Jehovah kosa no navelany hitsara sy hanasazy an-dry zareo. (Rom. 14:10-12; ampitahao amin’ny Joda 9.) Afaka mianatra avy amin’ireo anjely ireo isika. Raha ny olona manohitra antsika aza tokony hohajaintsika, mainka moa fa ny mpiara-manompo amintsika! Isika no tokony ho “voalohany” hanome voninahitra an-dry zareo. (Rom. 12:10) Asehontsika amin’izany hoe manaja an’i Jehovah isika.

13-14. Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny mpiara-mivory amintsika isika? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)

13 Ahoana no hanehoana fanajana? Ry anti-panahy, miezaha ho be fitiavana rehefa mampianatra. (Filem. 8, 9) Raha mila manome torohevitra ianareo dia miezaha ho tsara fanahy. Mitandrema anefa mba tsy hoe rehefa ilay sosotra iny ianao no manome torohevitra. Manampy ny fiangonana hifanaja foana koa ny anabavy raha tsy mifosafosa na manendrikendrika. (Tit. 2:3-5) Asehontsika rehetra hoe manaja ny anti-panahy isika rehefa miara-miasa amin-dry zareo. Mankasitraka an-dry zareo koa isika noho izy ireo miezaka mafy mitarika ny fivoriana sy ny asa fitoriana ary manampy an’izay manao “zavatra tsy mety.”​—Gal. 6:1; 1 Tim. 5:17.

14 Sarotra tamin’ny anabavy iray atao hoe Rocío ny nanaja an’ilay anti-panahy nanome torohevitra azy. Hoy izy: “Tsapako hoe nasiaka tamiko izy, dia nanaratsiratsy azy aho rehefa tany an-trano. Nihevitra aho hoe tsy tena te hanampy ahy izy dia tsy nanaraka ny toroheviny aho, na dia tsy nasehoko be aza izany.” Inona no nanampy an’i Rocío? Hoy izy: “Namaky Baiboly aho dia nahita ny 1 Tesalonianina 5:12, 13. Nanenjika ahy ny eritreritro rehefa tsapako hoe tsy nanaja an’io ranadahy io aho. Nivavaka tamin’i Jehovah àry aho, dia nanao fikarohana tao amin’ny boky sy gazetintsika mba hahitana fanazavana hanampy ahy hanitsy ny toe-tsaiko. Lasa azoko hoe ilay izaho nanambony tena no olana fa tsy ilay ranadahy. Hitako izao hoe mila manetry tena aho raha te hanaja ny hafa. Mbola mila miezaka kokoa hanaja ny hafa aho, nefa tsapako hoe mankasitraka ny ezaka ataoko i Jehovah.”

Sary: Anabavy be taona iray mamaky Baiboly sady mieritreritra ny asa mafy isan-karazany ataon’ny anti-panahy. 1) Anti-panahy iray manao lahateny. 2) Manampy rahalahy iray mandeha amin’ny seza misy kodiarana ilay anti-panahy. 3) Manala lanezy eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana izy.

Asehontsika rehetra hoe manaja ny anti-panahy isika rehefa miara-miasa amin-dry zareo sy mankasitraka ny asa mafy ataony (Fehintsoratra 13-14)


HAJAO NY OLONA TSY VAVOLOMBELONA

15. Nahoana no mety ho sarotra ny manaja ny olona tsy Vavolombelona?

15 Olana. Matetika isika no mahita olona tsy tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly rehefa mitory. (Efes. 4:18) Ny zavatra nampianarina azy angamba no mahatonga ny sasany tsy ho liana. Mety ho ratsy fanahy amintsika koa ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra amintsika, ary mety tsy hankasitraka an’izay ataontsika ny mpampiasa na ny mpampianatra antsika. Vokatr’izay dia mety tsy ho tsara fanahy amin-dry zareo sy tsy hanaja azy intsony isika.

16. Nahoana isika no tokony hanaja ny olona mbola tsy manompo an’i Jehovah? (1 Petera 2:12; 3:15)

16 Nahoana isika no tokony haneho fanajana? Tadidio hoe mahaliana an’i Jehovah ny fomba itondrantsika ny olona tsy Vavolombelona. Nampahatsiahy ny Kristianina ny apostoly Petera hoe raha tsara fitondran-tena ry zareo, dia mety hahatonga ny hafa “hanome voninahitra an’Andriamanitra” izany. Nampirisihiny àry ry zareo mba “halemy fanahy sy ho feno fanajana” rehefa miaro ny finoany. (Vakio ny 1 Petera 2:12; 3:15.) Ahoana no hampiharantsika an’izany rehefa miaro ny finoantsika eny amin’ny fitsarana isika, na rehefa miresaka amin’ny olona? Ataontsika hoatran’ny hoe manatrika eo Andriamanitra, ka hajaintsika foana ny olona tsy Vavolombelona. I Jehovah koa ange mihaino an’izay lazaintsika sady mahita ny fomba ilazantsika azy e! Tena tokony hanaja ny olona tsy Vavolombelona àry isika.

17. Ahoana no hampisehoantsika fa manaja ny olona tsy Vavolombelona isika?

17 Ahoana no hanehoana fanajana? Rehefa mitory isika dia tsy tiantsika hahatsapa ny olona hoe manambanimbany azy isika satria hoe tsy mahay na zara raha mahay Baiboly ry zareo. Tadidintsika kosa hoe sarobidy amin’Andriamanitra ry zareo sady ambony noho isika. (Hag. 2:7; Fil. 2:3) Raha misy manambanimbany anao noho ny zavatra inoanao dia miezaha mba tsy hamaly faty, ohatra hoe hanao vazivazy maneso. (1 Pet. 2:23) Raha nilaza zavatra tsy mety ianao dia miezaha hiala tsiny haingana. Ahoana indray no ampisehoanao hoe manaja ny olona any am-piasana ianao? Ataovy tsara ny asanao dia miezaha hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-miasa aminao sy ny mpampiasa anao. (Tit. 2:9, 10) Mety tsy hahavita hampifaly ny hafa foana ianao na dia manao ny marina sy manao asa amin’ny fo aza. Tena hampifaly an’Andriamanitra anefa ianao.​—Kol. 3:22, 23.

18. Nahoana isika no tsy maty antoka raha miezaka manaja ny hafa sy mampiseho an’izany?

18 Betsaka ny antony mahatonga antsika hiezaka hanaja ny hafa sady hampiseho an’izany. Hitantsika teo hoe rehefa manaja ny mpianakavintsika isika dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay namorona ny fianakaviana. Rehefa manaja an’ireo rahalahy sy anabavintsika koa isika dia manome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra. Ankoatra izay, dia ho mora kokoa amin’ny olona tsy Vavolombelona ny hanome voninahitra an’ilay Andriamanitsika rehefa manaja an-dry zareo isika. Tsy maty antoka isika raha miezaka manaja olona sy mampiseho an’izany, na dia tsy manaja antsika aza ny olona sasany. Nahoana? Satria hitahy antsika i Jehovah. Mampanantena mantsy izy hoe: “Izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra.”​—1 Sam. 2:30.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny mpianakavintsika isika?

  • Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny mpiray finoana amintsika isika?

  • Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny olona tsy Vavolombelona isika?

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

a Novana ny anarana sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara