Fivoriambe tany Indianapolis any Indiana, 1925
1925—Zato Taona Lasa Izay
HOY Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1925: “Manantena isika hoe hisy zavatra miavaka be hitranga amin’ity taona ity.” Izao koa anefa no nolazainy: “Tsy tokony hanahy loatra momba an’izay mety hitranga amin’ity taona ity ny Kristianina, sao tsy ho vitany tsara indray ny asa asain’ny Tompo ataony.” Inona no nantenain’ny Mpianatra ny Baiboly hoe hitranga tamin’ny 1925, ary inona no nanampy an-dry zareo ho be atao amin’ny asan’ny Tompo foana, na dia tsy tanteraka aza ilay izy?
TSY TANTERAKA ILAY ZAVATRA NANTENAINA
Betsaka ny Mpianatra ny Baiboly nanantena hoe ho lasa paradisa indray ny tany rehefa tonga ny taona 1925. Nanazava momba an’izany ny Rahalahy Albert Schroeder, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana. Hoy izy: “Nino isika hoe hiakatra any an-danitra ny sisa voahosotra mba ho anisan’ilay Fanjakana. Hatsangana amin’ny maty kosa ny olona nanam-pinoana hoatran-dry Abrahama sy Davida, mba ho andriana hitarika eto an-tany.” Kivy ny sasany rehefa nandeha teny ny volana nefa mbola tsy tanteraka ihany izany.—Ohab. 13:12.
Mbola be atao tamin’ny asa fitoriana anefa ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly na dia diso fanantenana aza. Lasa tsapany hoe izany no zava-dehibe indrindra. Hojerentsika, ohatra, ny fomba nampiasana ny radio mba hampielezana ny fahamarinana.
LASA NANANA RADIO MAROMARO ISIKA
Nisy vokany tsara ny fampiasana ny radio WBBR tamin’ny 1924. Nasiana radio matanjaka hafa indray àry tany akaikin’i Chicago any Illinois, tamin’ny 1925. WORD no natao anarany. Hoy i Ralph Leffler, anisan’ny injeniera namorona an’ilay radio: “Heno hatraiza hatraiza ny radio WORD tamin’ny alin’ny ririnina namirifiry. Naheno ny iray tamin’ireo fandaharana voalohandohany, ohatra, ny fianakaviana iray nipetraka tany Pilot Station, any Alaska. Tany amin’ny 5 000 kilaometatra mahery avy teo amin’ny nisy an’ilay radio izany. Nanoratra taratasy fisaorana ho an’ny mpiasan’ilay radio ry zareo. Nampahery azy mianakavy, hono, ilay fandaharana sady nanampy an-dry zareo hahalala kokoa an’Andriamanitra sy ny Baiboly.”
Ankavia: Pylônes nampiasain’ny radio WORD tany Batavia, Illinois
Ankavanana: Ralph Leffler, miasa ao amin’ilay radio
Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1925 rehefa nanazava hoe nahoana no be dia be no afaka naheno an’ilay radio: “I WORD no anisan’ny radio matanjaka indrindra eto Etazonia, satria herinaratra 5 000 watts no mampandeha azy. Mahazo tsara azy io ny farany atsinanana sy andrefana amin’i Etazonia, ary ny any Cuba sy ny any amin’ny farany avaratra amin’i Alaska. Betsaka tamin’ny olona mbola tsy naheno ny fahamarinana no lasa liana rehefa naheno an’io radio io.”
George Naish
Niezaka nampiasa radio koa ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany mba hitoriana ny vaovao tsara tany Kanada. Lasa nisy àry ny radio CHUC tany Saskatoon Saskatchewan tamin’ny 1924. Izy io no anisan’ny radiom-pivavahana voalohany tany Kanada. Nafindra toerana ilay radio tamin’ny 1925 satria nila toerana malalaka kokoa. Lasa fananan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana izy io, ary nafindra tao amin’ilay tranobe atao hoe Regent. Trano fanaovana teatra tao Saskatoon io tranobe io, ary novidin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sy nohavaozina mba hasiana an’ilay radio.
Noho io radio io, dia betsaka no sambany naheno ny vaovao tsara tany amin’ireo faritra tsy dia nisy mponina tany Saskatchewan. Anisan’izany Rtoa Graham, izay nipetraka tao amin’ny tanàna mitokana iray. Nanafatra boky ara-baiboly izy rehefa avy nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny radio. Izao no nolazain’ny Rahalahy George Naish: “Hoatran’ny nitalaholaho mihitsy izy hoe mba ampianaro izahay, ka tonga dia nalefanay tany aminy ny boky rehetra tamin’ilay hoe Fianarana ny Soratra Masina.” Tsy ela Rtoa Graham dia nampiely ny vaovao tsara tany amin’ny faritra lavitra kokoa.
LASA NAZAVA KOKOA NY FAHAMARINANA
Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1925 ilay lahatsoratra miavaka hoe “Fahaterahan’ilay Firenena.” Inona no nampiavaka azy io? Efa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly talohan’izay hoe manana fandaminana i Satana. Ny fanahy ratsy any an-danitra, miaraka amin’ny tontolo ara-pivavahana sy ara-barotra ary ara-politika eto an-tany no anisan’izy io. Nohazavain’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” tao amin’io lahatsoratra io anefa hoe manana fandaminana koa i Jehovah. Samy hafa amin’ny fandaminan’i Satana izy io, ary mifanohitra ireo fandaminana roa ireo. (Mat. 24:45) Nohazavain’ilay mpanompo koa hoe niforona tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. Nisy “ady tany an-danitra” tamin’io taona io, dia noroahina avy any i Satana sy ny demoniany. Tsy afa-miala etỳ amin’ny manodidina ny tany izao ry zareo.—Apok. 12:7-9.
Sarotra tamin’ny olona sasany anefa ny nanaiky an’izany fanazavana vaovao izany. Izao àry no nolazain’ilay lahatsoratra: “Raha misy mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana tsy manaiky an’izay voalaza ato, dia ampirisihinay ry zareo mba hanam-paharetana hiandry ny Tompo, sady hiezaka ny tsy hivadika foana.”
Nisy mpisava lalana atao hoe Tom Eyre, avy any Grande Bretagne, anefa nitantara hoe ahoana no fahitan’ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly an’ilay lahatsoratra. Hoy izy: “Faly be ireo rahalahy naheno ny fanazavana ny Apokalypsy 12. Vao fantatray hoe efa nanomboka nitondra ilay Fanjakana, dia nazoto erỳ izahay nizara an’izany vaovao tsara izany tamin’ny hafa. Vao mainka izahay te hampitombo ny fanompoanay, ary lasa hitanay hoe hanao zavatra miavaka i Jehovah amin’ny hoavy.”
NITORY MOMBA AN’I JEHOVAH
Efa mahazatra ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao ireo teny ao amin’ny Isaia 43:10 hoe: “‘Ianareo no vavolombeloko’, hoy i Jehovah, ‘sady mpanompoko izay nofidiko.’” Tsy dia noresahina tao amin’ny bokintsika io andininy io talohan’ny 1925. Niova anefa izany. Niresaka ny Isaia 43:10 sy 12 mantsy ny 11 tamin’ny Tilikambo Fiambenana nivoaka tamin’ny 1925.
Nanao fivoriambe tany Indianapolis any Indiana ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny faramparan’ny Aogositra 1925. Nisy teny fiarahabana avy amin’i Joseph Rutherford tao amin’ny fandaharan’ny fivoriambe. Izao no nolazainy: “Tonga manatrika an’ity fivoriambe ity isika mba hahazo ... hery avy amin’ny Tompo, amin’izay isika mazoto kokoa rehefa miverina eny amin’ny saha mba ho vavolombelony.” Nandritra an’ilay fivoriambe valo andro, dia nampirisihina ny mpanatrika mba hiresaka momba an’i Jehovah isaky ny mahita hirika.
Nanao an’ilay lahateny hoe “Antso ho Amin’ny Asa” ny Rahalahy Rutherford ny asabotsy 29 Aogositra. Nasongadiny tamin’ilay lahateny fa tena zava-dehibe ny asa fitoriana. Hoy izy: ‘Izao no lazain’i Jehovah amin’ny mpanompony: “Ianareo no vavolombeloko, ary izaho no Andriamanitra.” Misy an’izao baiko mazava izao avy eo: “Manangàna tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena.” Tsy misy olona afaka manangana tsato-kazo famantarana na mitory momba an’i Jehovah, eto an-tany, ankoatra an’izay omeny ny fanahiny. Tsy iza izany fa ny vahoakany.’—Isaia 43:12; 62:10.
Ilay taratasy mivalona hoe Hafatra Manome Fanantenana
Nisy fanapahan-kevitra nolanina taorian’ilay lahateny. “Hafatra Manome Fanantenana” no lohatenin’izy io, ary manasongadina hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manampy antsika “hilamina, hiadana, ho salama, ho velona foana, hanana fahalalahana, ary ho sambatra mandrakizay.” Nadika tamin’ny fiteny maro io fanapahan-kevitra io tatỳ aoriana, ary natao pirinty hoatran’ny taratasy mivalona. Nisy 40 tapitrisa teo ho eo no voazara tamin’izy io.
Mbola tsy novana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny anaran’ny Mpianatra ny Baiboly raha tsy taona maro tatỳ aoriana. Lasa azon-dry zareo anefa hoe zava-dehibe ny mitory momba an’i Jehovah sy misolo tena azy.
NOTSIDIHINA INDRAY IZAY LIANA
Nitombo ny isan’ny Mpianatra ny Baiboly maneran-tany, dia nampirisihina ry zareo mba hiverina hitsidika an’izay liana tamin’ny vaovao tsara. Taorian’ilay ezaka manokana nizarana an’ilay taratasy mivalona hoe Hafatra Manome Fanantenana, dia nisy toromarika tao amin’ny Gazetya hoe: “Tsidiho indray izay olona nomena an’ilay taratasy mivalona hoe Hafatra Manome Fanantenana nefa tsy nahazo boky na gazety.”
Nisy tatitra avy amin’ny Mpianatra ny Baiboly iray tany Plano any Texas tao amin’ny Gazety Janoary 1925. Izao no nosoratany: “Gaga be izahay hoe ahitana vokatra kokoa noho ny faritany vaovao ny faritany efa niverenana imbetsaka. Indimy, ohatra, ny tanàna kely iray tao amin’ny faritaninay no notsidihina tao anatin’ny folo taona. ... Vao haingana Ranabavy Hendrix sy mamanay no nitsidika tany, dia nahapetraka boky betsaka noho ny hatramin’izay.”
Izao no nosoratan’ny mpisava lalana iray avy any Panama: “Betsaka tamin’ny olona tsy nety nihaino no niova rehefa notsidihiko fanindroany na fanintelony. Ny niverina nitsidika an’ireo efa nitoriana taloha no tena nifantohako tamin’ity taona ity, dia nahafinaritra be ny niresadresaka tamin’ny sasany tamin-dry zareo.”
NIBANJINA NY HOAVY
Tamin’ny faramparan’ny 1925, dia nanoratra ho an’ny mpisava lalana ny Rahalahy Rutherford, hoatran’ny fanaony isan-taona. Noresahiny tao ny zava-bita nandritra ny taona sy ny asa mbola niandry an-dry zareo. Hoy izy: “Afaka nampionona olona maro nalahelo ianareo tamin’ity taona ity. Nahafaly anareo izany ... Mbola manana fahafahana indray ianareo amin’ny taona ho avy mba hitoriana momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany, ary hampisehoana amin’ny olona hoe iza no tena vavolombelony. ... Andao isika hiara-hientana, ka hiara-hanandra-peo hidera an’ilay Andriamanitsika sy ilay Mpanjakantsika.”
Nieritreritra ny hanitatra an’ireo trano tany Brooklyn ireo rahalahy, tamin’ny faramparan’ny 1925. Hiavaka àry ny taona 1926, satria mbola tsy nisy tetikasa ngezabe hoatran’io nataon’ny fandaminana talohan’izay.
Fanorenana teo amin’ny Adams Street, tany Brooklyn, any New York, 1926
a Antsoina hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana—Tari-dalana ho An’ny Fivoriana izy io amin’izao.