FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Novambra p. 10-15
  • Inona no Hanampy ny Olona Mikarakara Marary ho Falifaly Foana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy ny Olona Mikarakara Marary ho Falifaly Foana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • METY HIHENA NY FIFALIANA REHEFA MIKARAKARA MARARY
  • INONA NO HANAMPY ANAO HO FALIFALY FOANA?
  • AHOANA NO AZON’NY HAFA ANAMPIANA?
  • Inona no Hanampy ny Be Taona ho Falifaly Foana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Avy Amin’i Jehovah ny Tena Fifaliana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2025-2026 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Mpiandraikitra ny Faritra
  • Ahoana no Ikarakarana ny Zokiolona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Novambra p. 10-15

LAHATSORATRA FIANARANA 45

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

Inona no Hanampy ny Olona Mikarakara Marary ho Falifaly Foana?

“Izay mitomany rehefa mamafy, dia hihoby rehefa mijinja.”​—SAL. 126:5.

HEVITRA HODINIHINA

Manana olana manokana ny olona mikarakara marary. Inona no hanampy an-dry zareo hiatrika an’izany sy ho falifaly foana?

1-2. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireo mikarakara marary? (Ohabolana 19:17) (Jereo koa ny sary.)

HOY ny Rahalahy Jin-yeol avy any Korea: “Efa 32 taona mahery aho izay no nanambady. Voan’ny aretin’i Parkinson ny vadiko, dia zara izy raha afaka mihetsika. Efa dimy taona aho izay no nikarakara azy. Mahafaly ahy ny manao an’izany satria tiako be izy. Fandriana manokana no atoriany amin’ny alina. Matory eo akaikiny aho, dia tazoniko foana ny tanany.”

2 Mikarakara mararya ve ianao, ohatra hoe ny dadanao, mamanao, vadinao, zanakao, na ny namanao? Raha izany, dia azo antoka hoe mahafaly anao ny manampy azy satria tianao izy. Asehonao amin’izany koa hoe mahafoy tena ho an’i Jehovah ianao. (1 Tim. 5:4, 8; Jak. 1:27) Miatrika olana anefa ianao, ary tsy misy mahita izany matetika. Mety hieritreritra aza ianao indraindray hoe tsy misy mahatsapa ny olana mahazo anao. Mitsiky angamba ianao rehefa eny imason’olona, nefa malahelo rehefa irery. (Sal. 6:6) Mahatakatra ny olana mahazo anao foana i Jehovah, na dia tsy hoatr’izany aza ny hafa. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 3:7.) Sarobidy aminy ny ranomasonao sy ny sorona ataonao. (Sal. 56:8; 126:5) Hitany daholo izay ataonao mba hanampiana an’ilay marary. Hoatran’ny hoe mampisambotra azy ianao, dia mampanantena izy fa hamaly soa anao.​—Vakio ny Ohabolana 19:17.

Sary: Olona mikarakara marary, fa samy manana ny aretiny ireo marary. 1. Anabavy iray mamahana ny reniny. Efa be taona izy io, ary tsy afa-miala eo am-pandriana. 2. Anabavy iray mampiditra ba kiraro eo amin’ny tongotry ny vadiny. Mipetraka eo amin’ny seza misy kodiarana ilay vadiny. 3. Vehivavy iray manisy satroka fiarovana manokana eo amin’ny lohan’ny zanany, alohan’ny anaovany baolina miaraka amin’ny dadany. 4. Rahalahy iray mitsidika rahalahy iray efa zokiolona any an-tranony, ary mivavaka miaraka aminy.

Mikarakara olona iray akaikin’ny fonao ve ianao? (Fehintsoratra 2)


3. Inona ny olana mety ho natrehin’i Abrahama sy Saraha tamin-dry zareo nikarakara an’i Tera?

3 Misy tantarana lehilahy sy vehivavy be dia be nikarakara marary ao amin’ny Baiboly. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Abrahama sy Saraha. Rehefa niala tany Ora ry zareo, dia mety ho 200 taona teo ho eo i Tera rain’izy mivady. Mbola niaraka tamin-dry zareo anefa izy. Lalana 960 kilaometatra teo ho eo no nandehanan-dry zareo hatrany Harana. (Gen. 11:31, 32) Tian’i Abrahama sy Saraha i Tera nefa azo antoka hoe tsy mora ny nikarakara azy, indrindra teny an-dalana. Nitaingina ampondra na rameva angamba ry zareo, nefa mety ho tena mafy tamin’i Tera izany satria izy efa be taona. Tsy maintsy hoe reraka be izao ry zareo indraindray. Na ahoana na ahoana, dia azo antoka hoe nomen’i Jehovah ny hery nilainy ry zareo. Hanohana sy hanatanjaka anao koa izy, hoatran’ny nataony tamin’i Abrahama sy Saraha.​—Sal. 55:22.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Ho vitanao foana ny hikarakara an’ilay marary raha falifaly ianao. (Ohab. 15:13) Tadidio fa afaka ny ho faly foana ianao na dia miatrika zava-tsarotra aza. (Jak. 1:2, 3) Inona àry no hanampy anao? Azonao atao, ohatra, ny miantehitra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka sy mangataka aminy mba hanampy anao hanana toe-tsaina tsara foana. Hojerentsika ato hoe inona koa no hanampy an’izay mikarakara marary ho falifaly foana, ary ahoana no azon’ny hafa anampiana an-dry zareo. Hodinihintsika aloha hoe nahoana ny olona mikarakara marary no tokony ho falifaly foana ary inona no mety hahatonga an-dry zareo tsy ho falifaly intsony.

METY HIHENA NY FIFALIANA REHEFA MIKARAKARA MARARY

5. Nahoana ireo mikarakara marary no tokony ho falifaly foana?

5 Raha lasa tsy falifaly intsony ny olona mikarakara marary, dia mety ho mora reraka izy. (Ohab. 24:10) Rehefa reraka anefa izy, dia mety tsy ho tsara fanahy sady tsy hahavita hanampy an’ilay marary. Inona avy no mety hahatonga ny olona mikarakara marary tsy ho falifaly intsony?

6. Nahoana no reraka be ny olona sasany mikarakara marary?

6 Mety ho reraka be ny olona mikarakara marary. Hoy ilay anabavy atao hoe Leah: “Mahakivy ny mikarakara marary na dia rehefa tsy misy olana aza. Tsy manana hery intsony aho matetika rehefa hariva. Na ny hamaly SMS aza indraindray mila tsy ho vitako.” Ny hafa indray tsy ampy torimaso, na tsy manam-potoana hakana aina. Hoy ilay anabavy atao hoe Inés: “Tsy ampy torimaso mihitsy aho. Matetika aho amin’ny alina no mifoha isaky ny adiny roa mba hikarakara ny rafozam-baviko. Efa taona maro izao izahay mivady no tsy afaka nanao vakansy.” Mila fikarakarana foana koa ny marary sasany, ka voatery mandà ny olona mikarakara azy rehefa misy manasa na mahazo fanendrena. Mety hahatsiaro ho irery àry ry zareo na tsy afa-manoatra.

7. Nahoana ny olona sasany mikarakara marary no manamelo-tena na malahelo?

7 Mety hanamelo-tena na halahelo be ny olona mikarakara marary. Hoy ilay anabavy atao hoe Jessica: “Mahatsapa aho matetika hoe hoatran’ny tsy ampy izany izay ataoko ho an’i Dada. Enjehin’ny eritreritro aho rehefa mba maka aina, satria hoatran’ny hoe tia tena.” Manahy ny olona sasany hoe tsy ampy ny ezaka ataony. Mety hieritreritra koa ry zareo indraindray hoe hoatran’ny tsy ho vitany intsony ny hikarakara an’ilay havany. Misy koa tafateny zavatra mampalahelo an’ilay marary, rehefa ilay izy reraka be iny. Mety hahatonga an-dry zareo hanamelo-tena izany rehetra izany. (Jak. 3:2) Ny hafa indray malahelo an’ilay marary, dia lasa saina hoe: ‘Izao ve sisa no niafaran’ilay olona salama sy natanjaka be iny?’ Hoy ilay anabavy atao hoe Barbara: “Anisan’ny mafy indrindra amiko ny mahita an’ilay namako mihamarary andro aman’alina.”

8. Milazà fitantarana mampiseho hoe misy vokany be amin’ireo mikarakara marary ny teny fankasitrahana.

8 Mahatsapa hoe tsy misy mankasitraka ny olona sasany mikarakara marary. Tsy dia misy misaotra na midera mantsy ry zareo amin’ny asa mafy sy ny sorona ataony. Misy vokany be anefa na dia teny kely fotsiny aza. (1 Tes. 5:18) Hoy ny anabavy atao hoe Melissa: “Misy fotoana aho latsa-dranomaso, satria reraka be na kivy. Rehefa miteny amiko anefa ny olona karakaraiko hoe ‘misaotra amin’izay rehetra ataonao ho ahy’, dia lasa faly indray aho. Lasa vonombonona hikarakara an-dry zareo aho ny ampitso maraina, rehefa misy miteny hoatr’izany.” Misy vokany be amin’ny Rahalahy Ahmadu koa ny teny fankasitrahana. Mikarakara ny zana-drahavavin’ny vadiny izy mivady. Voan’ny fanintona mantsy ilay ankizivavy. Hoy i Ahmadu: “Mety ho tsy tena azony hoe manao sorona be izahay mba hikarakarana azy, nefa faly be aho rehefa mankasitraka anay izy na miezaka manoratra hoe: ‘Tiako ianareo.’”

INONA NO HANAMPY ANAO HO FALIFALY FOANA?

9. Ahoana no ampisehoan’ireo mikarakara marary fa miaiky izy hoe voafetra ny mety ho vitany?

9 Ekeo hoe voafetra ny vitanao. (Ohab. 11:2) Voafetra ny fotoana sy ny hery ananantsika rehetra. Mila feranao àry hoe hatraiza no azonao atao, dia mila mandà ny fangatahan’ny olona ianao indraindray. Tsy maninona izany. Asehonao amin’izany mantsy hoe manetry tena ianao. Raha misy olona te hanampy anao, dia aza mandà. Hoy ilay rahalahy atao hoe Jay: “Voafetra ihany ny azontsika atao ao anatin’ny iray andro. Ho falifaly foana isika raha tsy manezakezaka manao izay tsy ho vita.”

10. Nahoana ireo mikarakara marary no tokony hahay handinika? (Ohabolana 19:11)

10 Mahaiza mandinika. (Vakio ny Ohabolana 19:11.) Raha mahay mandinika ianao, dia azo inoana kokoa hoe ho tony foana rehefa misy mahatezitra. Raha nisy zavatra nolazain’ilay olona na nataony, dia hiezaka ianao hahatakatra ny anton’ilay izy. Mety hanao zavatra tsy fanaony taloha ny olona iray noho ny aretiny. (Mpito. 7:7) Na dia tsara fanahy sy be fiahiana aza, ohatra, ny olona iray dia mety ho lasa kizitina na tia ady. Mety hila vaniny koa izy, na ho tia manakiana, na ho sarotra ampifaliana. Raha mikarakara olona marary mafy ianao, dia mety hanampy anao ny mianatra momba an’ilay aretiny. Rehefa hainao tsara mantsy ilay aretiny dia ho azonao hoe tsy fanahy iniany ilay izy miteny na manao zavatra mahasosotra.​—Ohab. 14:29.

11. Tokony hanokana fotoana hanaovana inona ny olona mikarakara marary, isan’andro? (Salamo 132:4, 5)

11 Manokàna fotoana hanatsaranao ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Mila mampandefitra ny zavatra sasany ianao indraindray, mba hanaovana an’izay “zava-dehibe kokoa.” (Fil. 1:10) Anisan’izany ilay hoe manatsara ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra tamin’i Davida Mpanjaka. (Vakio ny Salamo 132:4, 5.) Tena ilaina koa isan’andro ny manokana fotoana hamakiana Baiboly sy hivavahana. Hoy ny anabavy iray atao hoe Elisha: “Falifaly foana aho satria mivavaka sy misaintsaina andinin-teny mampahery ao amin’ny Salamo. Ny vavaka no tena manampy ahy. Mivavaka amin’i Jehovah aho mandritra ny andro mba ho tony foana.”

12. Nahoana ny olona mikarakara marary no tokony hitandrina ny fahasalamany?

12 Miezaha hitandrina ny fahasalamanao. Anisan’ny olona be atao ireo mikarakara marary. Tsy dia manana fotoana hiantsenana na hikarakarana sakafo mahasalama ry zareo, ka mety ho sarotra aminy ny mitandrina ny sakafo haniny. Na dia voafetra aza ny fotoananao, dia zava-dehibe ny hoe mihinana sakafo mahasalama sy manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, satria mahasoa ny vatanao sy ny sainao izany. (Efes. 5:15, 16) Miezaha koa ho ampy torimaso. (Mpito. 4:6) Hita tamin’ny fikarohana hoe manampy ny atidoha hihavao ny torimaso. Milaza ny lahatsoratra iray momba ny fitsaboana fa tsy hiady saina loatra ny olona iray raha ampy torimaso, sady ho tony foana rehefa ao anatin’ny sarotra. Mila manokana fotoana hialana voly koa ianao. (Mpito. 8:15) Hoy ny vehivavy iray mikarakara marary: “Rehefa tsara iny ny andro, dia mivoaka eny an-tokotany aho maka masoandro. Manokana fotoana iarahana amin’ny namako koa aho, indray mandeha isam-bolana, fara fahakeliny.” Izany, hono, no manampy azy ho falifaly foana.

13. Nahoana no mahasalama ny mihomehy? (Ohabolana 17:22)

13 Miezaha ho tia vazivazy. (Vakio ny Ohabolana 17:22; Mpito. 3:1, 4) Mahasalama ny vatana sy ny saina ny mihomehy. Rehefa mikarakara marary ianao, dia tsy voatery ho araka izay noeritreretinao foana ny zava-mitranga. Mety ho mora kokoa aminao anefa ny hiatrika olana raha mahay mivazivazy ianao. Vao mainka hifandray am-po ianao sy ilay olona karakarainao, raha miara-mihomehy ianareo.

14. Nahoana no mahasoa anao ny miresaka amin’ny namana atokisanao?

14 Miresaha amin’ny namana iray atokisanao. Mety mbola hiady saina ihany ianao indraindray, na dia efa miezaka ny ho falifaly foana aza. Mety hanampy anao ny mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny namanao amin’izay. Tsy hitsaratsara anao mantsy ny namana tsara. (Ohab. 17:17) Hihaino tsara anao kosa izy sady hampahery anao, dia mety ho izay mihitsy no ilainao mba hahatonga anao ho falifaly indray.​—Ohab. 12:25.

15. Nahoana ianao no ho faly raha mifantoka amin’ny fanantenanao?

15 Saintsaino izay hataonareo ao amin’ny Paradisa. Miezaha hitadidy hoe mandalo ihany ilay ianao mikarakara marary. Tsy anisan’ny asa noeritreretin’i Jehovah hataon’ny olombelona mantsy izany. (2 Kor. 4:16-18) Mbola ho avy ny “tena fiainana.” (1 Tim. 6:19) Azo inoana fa ho faly be ianao rehefa miresaka amin’ilay olona karakarainao hoe inona no hataonareo any amin’ny Paradisa. (Isaia 33:24; 65:21) Hoy ilay anabavy atao hoe Heather: “Matetika aho no miresaka amin’ireo olona ampiako hoe tsy ho ela izahay dia hiaraka hanjaitra sy hihazakazaka ary hitaingina bisikileta. Hiaraka hanao mofomamy sy hahandro sakafo ho an’ireo havanay hatsangana amin’ny maty izahay. Misaotra an’i Jehovah izahay satria nomeny fanantenana.”

AHOANA NO AZON’NY HAFA ANAMPIANA?

16. Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo mikarakara marary ao amin’ny fiangonantsika? (Jereo koa ny sary.)

16 Soloy tsindraindray ilay olona mikarakara marary. Afaka manolo-tena hikarakara an’ilay marary isika iray fiangonana aminy. Hanam-potoana hakana aina sy hikarakarana an’izay ilainy manokana ilay mpikarakara marary amin’izay. (Gal. 6:2) Manao fandaharam-potoana hanaovana an’izany isan-kerinandro ny mpitory sasany. Hoy i Natalya, anabavy iray mikarakara an’ilay vadiny malemy: “Tonga indray mandeha na indroa isan-kerinandro ny anadahy iray, dia manao zavatra miaraka amin’ny vadiko. Miara-manompo ry zareo, miresadresaka, ary miara-mijery filma mihitsy aza. Tena tian’ny vadiko ireny fotoana ireny, moa izaho koa mba afaka manao izay tiako, ohatra hoe mandehandeha kely.” Mety ho azonao atao aza ny manolo-tena hiambina an’ilay marary mandritra ny alina, amin’izay ilay mpikarakara azy mba afaka matory tsara.

Anabavy roa mitsidika anabavy zokiolona iray any an-tranony. Handeha hivoaka ny trano ilay mpikarakara azy, dia faly erỳ manao veloma an-dry zareo.

Ahoana no azonao anampiana olona iray mikarakara marary ao amin’ny fiangonanareo? (Fehintsoratra 16)b


17. Ahoana no azontsika anampiana an’ireo mikarakara marary, mandritra ny fivoriana?

17 Ampio ireo mikarakara marary mandritra ny fivoriana. Tsy dia mandray soa amin’ny fivoriana na fivoriambe ny olona mikarakara marary, satria sahirana amin’ilay havany. Afaka manolo-tena hiara-mipetraka amin-dry zareo àry ny mpiara-manompo mandritra ny fivoriana manontolo, na ny ampahany aminy. Raha tsy afaka mivoaka ny trano ilay marary, dia afaka manolo-tena ho any an-tranony ianao ary manaraka ny fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence, amin’izay ilay mpikarakara azy mba afaka mivory mivantana.

18. Ahoana koa no azontsika anampiana an’ireo mikarakara marary?

18 Derao ireo mikarakara marary ary mivavaha ho an-dry zareo. Tokony hitsidika azy ireo matetika ny anti-panahy mba hampaherezana azy. (Ohab. 27:23) Isika rehetra mihitsy anefa no tokony hidera an’ireo mikarakara marary sy hanome toky azy hoe tiantsika izy sady sarobidy amintsika. Afaka mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hanome hery an-dry zareo foana sy hanampy an-dry zareo ho falifaly foana.​—2 Kor. 1:11.

19. Inona no antenaintsika fa hitranga amin’ny hoavy?

19 Tsy ho ela dia hofafan’i Jehovah daholo ny ranomasom-pahoriana. Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana. (Apok. 21:3, 4) “Hitsambikina hoatran’ny serfa ny malemy tongotra.” (Isaia 35:5, 6) Hitantsika hoe mampalahelo ny vokatry ny fahanterana ary tsy mora ny mikarakara marary. Anisan’ireo ‘zavatra taloha tsy hotsaroana intsony’ anefa izany. (Isaia 65:17) Na amin’izao aza, dia afaka matoky isika hoe tsy handao antsika mihitsy i Jehovah, mandra-pahatongan’ny fotoana hanatanterahany an’izany fampanantenana kanto izany. Raha mangataka hery aminy foana isika, dia hampiany mba ‘hahavita hiaritra ny zava-drehetra sady hanam-paharetana sy ho falifaly.’​—Kol. 1:11.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no mety hahatonga an’ireo mikarakara marary tsy ho falifaly intsony?

  • Inona no hanampy an’ireo mikarakara marary ho falifaly foana?

  • Ahoana no azonao anampiana ny olona mikarakara marary ao amin’ny fiangonanareo?

HIRA 155 Ny Mahafaly Indrindra

a Natao ho an’ny olona mikarakara zokiolona koa ity lahatsoratra ity.

b FANAZAVANA SARY: Anabavy tanora roa miaraka amin’ny anabavy zokiolona iray, amin’izay ilay anabavy mikarakara azy mba afaka mandehandeha kely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara