FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Novambra p. 22-27
  • “Tena Sarobidy Ianao”!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tena Sarobidy Ianao”!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAMPIAN’I JESOSY NY OLONA HAHATSAPA FA SAROBIDY RY ZAREO
  • AMPITOVIO AMIN’NY AN’I JEHOVAH NY FAHITANAO NY TENANAO
  • “Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Tena Tia Anao i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Lesona avy Amin’ireo 40 Andro Farany Nijanonan’i Jesosy Tetỳ An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Novambra p. 22-27

LAHATSORATRA FIANARANA 47

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

“Tena Sarobidy Ianao”!

“Tena sarobidy ianao.”​—DAN. 9:23.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy an’ireo mahatsiaro ho tsy misy vidiny ity lahatsoratra ity hahatsapa fa tena sarobidy amin’i Jehovah ry zareo.

1-2. Inona no hanampy antsika hatoky fa sarobidy amin’i Jehovah isika?

SAROBIDY amin’i Jehovah ny mpanompony. Misy amin’izy ireo anefa mahatsiaro ho tsy misy vidiny, satria nisy nanambanimbany angamba. Efa nahatsapa hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia inona no hanampy anao hatoky hoe sarobidy amin’i Jehovah ianao?

2 Mety hahasoa anao ny mamaky tantara ao amin’ny Baiboly manasongadina hoe ahoana no tian’i Jehovah hitondrana ny olona. I Jesosy Zanany, ohatra, tsara fanahy sy nanaja olona. Nasehony tamin’izany hoe tena sarobidy amin’izy sy ny Rainy ny olona mihevi-tena ho ambany. (Jaona 5:19; Heb. 1:3) Horesahintsika ato hoe: 1) Ahoana no nanampian’i Jesosy ny olona hahatsapa fa sarobidy ry zareo? 2) Inona no hanampy antsika ho resy lahatra fa tena sarobidy amin’Andriamanitra isika?​—Hag. 2:7.

NAMPIAN’I JESOSY NY OLONA HAHATSAPA FA SAROBIDY RY ZAREO

3. Ahoana no nitondran’i Jesosy an’ireo Galilianina nitady fanampiana tany aminy?

3 Be dia be ny olona nanatona an’i Jesosy tany amin’izay toerana nalehany, tamin’izy nitory fanintelony tany Galilia. Te hihaino azy mantsy ry zareo sady te hositraniny. Nilaza i Jesosy hoe: “Nampijalina izy ireo sady tsy nisy niraharaha hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.” (Mat. 9:36) Nanambanimbany an-dry zareo ny mpitondra fivavahana, ary niantso azy ireo hoe “voaozona” mihitsy aza. (Jaona 7:47-49) Tsara fanahy sy nanaja an’ilay vahoaka anefa i Jesosy, ka nanokana fotoana hampianarana an-dry zareo sy hanasitranana ny aretiny. (Mat. 9:35) Tian’i Jesosy koa raha betsaka kokoa ny olona mahazo fanampiana, ka nampiofaniny hitory ny apostoly sady nomeny alalana hanasitrana aretina.​—Mat. 10:5-8.

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy an’ireo olona nambanin’ny hafa?

4 Tsara fanahy sy nanaja ny olona nihaino azy i Jesosy. Nasehony tamin’izany hoe sarobidy amin’izy sy ny Rainy ny olona ambanimbanin’ny fiaraha-monina. Manompo an’i Jehovah ve ianao, nefa misalasala raha sarobidy aminy na tsia? Raha izany, dia saintsaino ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona nihevi-tena ho ambany nefa te hampianariny. Ho hitanao avy amin’izany hoe tena sarobidy amin’i Jehovah ianao.

5. Hoatran’ny ahoana ny zavatra niainan’ilay vehivavy galilianina nihaona tamin’i Jesosy?

5 Tsy hoe nampianatra vahoaka tamin’ny fitambarany fotsiny i Jesosy, fa niahy ny olona tsirairay koa. Nihaona tamin’ny vehivavy iray nandeha ra nandritra ny 12 taona, ohatra, izy rehefa nitory tany Galilia. (Mar. 5:25) Naloto izy io araka ny lalàna, ary lasa naloto koa izay nikasika azy. Zara raha nifandray tamin’olona àry izy. Tsy azony natao koa ny nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny olona tany amin’ny synagoga na nandritra an’ireo fety. (Lev. 15:19, 25) Tsy vitan’ny hoe narary àry io vehivavy io fa nety ho nahatsapa koa hoe tsy nisy vidiny.​—Mar. 5:26.

6. Inona no nataon’ilay vehivavy nandeha ra mba ho sitrana izy?

6 Te hositranin’i Jesosy io vehivavy narary io. Tsy nanatona azy nivantana anefa izy. Nahoana? Menatra angamba izy noho ilay aretiny, na nety ho natahotra sao hobedesin’i Jesosy satria nitsofotsofoka tany anaty vahoaka nefa izy naloto. Ny akanjon’i Jesosy ivelany fotsiny àry no nokasihiny. Resy lahatra mantsy izy hoe izay ihany dia hahasitrana azy. (Mar. 5:27, 28) Sitrana tokoa izy noho ny finoany. Nanontany i Jesosy avy eo hoe iza no nikasika azy, dia nilaza an’izay nataony ilay vehivavy. Ahoana no nataon’i Jesosy?

7. Ahoana ny fomba nitondran’i Jesosy an’io vehivavy narary mafy io? (Marka 5:34)

7 Tsara fanahy sy nanaja an’ilay vehivavy i Jesosy. Hitany mantsy hoe “natahotra sy nangovitra” izy, dia nampahereziny. (Mar. 5:33) Nantsoiny hoe “anaka” mihitsy aza izy. Tsy hoe nanaja an’ilay vehivavy fotsiny izy rehefa niteny an’io, fa tsara fanahy taminy koa sady nampiseho hoe tia azy. (Vakio ny Marka 5:34.) Eo ihany i Jesosy no miantso vehivavy hoe ‘anaka’ ao amin’ny Baiboly. Nampiasa an’io teny mamy io angamba izy teo, satria hitany hoe “nangovitra” ilay vehivavy. Maivamaivana erỳ izao ilay vehivavy. Ahoana anefa raha tsy nanome toky azy i Jesosy? Mety hoe ny aretiny fotsiny no sitrana, fa izy kosa nokaikerin’ny nenina satria hoe nikasika an’i Jesosy sady nandeha tao anaty vahoaka. Nampian’i Jesosy anefa izy mba hahatsapa fa zanak’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra izy sady sarobidy aminy.

8. Inona ny olana natrehin’ny anabavy iray avy any Brezila?

8 Kivy sy mahatsiaro ho tsy misy vidiny koa ny mpanompon’i Jehovah sasany amin’izao, noho ny aretiny na ny kilemany. Anisan’izany i Maria,a mpisava lalana any Brezila. Vao teraka izy dia efa tsy nisy tongotra sy tanana havia. Izao no nolazainy: “Nampijalin’ny ankizy aho tany am-pianarana satria sembana. Nopetahan-dry zareo anarana koa aho. Na ny fianakaviako aza nanambanimbany ahy.”

9. Ahoana no nanampiana an’i Maria mba ho tsapany hoe sarobidy amin’i Jehovah izy?

9 Inona no nanampy an’i Maria? Rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nampahery azy ny mpiara-manompo sady nanampy azy hahita hoe hoatran’ny ahoana no fahitan’i Jehovah azy. Hoy izy: “Raha hosoratako daholo ny anaran’ny anadahy sy rahavavy nanampy ahy, dia tsy ho omby ao anaty kahie. Misaotra an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho nanome ahy fianakaviana mahafinaritra be.” Nampian’ny mpiara-manompo i Maria hahita hoe sarobidy amin’Andriamanitra izy.

10. Inona avy ny olana natrehin’i Maria Magdalena? (Jereo koa ny sary.)

10 Diniho koa ny fomba nanampian’i Jesosy an’i Maria Magdalena, ilay vehivavy nisy demonia fito. (Lioka 8:2) Tsy maintsy hoe nihatakatahan’ny olona izy rehefa nihetsehan’ireo demonia ireo. Nijaly be izy tamin’izany, ary tsy maintsy ho nahatsiaro ho nailikilika sy tsy nisy mpitia ary tsy afa-nanoatra. I Jesosy angamba no nanala an’ireo demonia tao amin’i Maria Magdalena, dia lasa mpanara-dia azy izy. Ahoana koa no nanampian’i Jesosy azy hahatsapa hoe tena sarobidy tamin’Andriamanitra izy?

Sary: 1. Jesosy mijery an’i Maria Magdalena kivikivy sady mandohalika eo amin’ny elakela-trano maizimaizina. 2. Maria Magdalena falifaly miaraka amin’i Jesosy sy ny mpianatra hafa.

Inona no nataon’i Jesosy mba ho tsapan’i Maria Magdalena hoe sarobidy tamin’i Jehovah izy? (Fehintsoratra 10-11)


11. Inona no nataon’i Jesosy mba ho tsapan’i Maria Magdalena hoe sarobidy tamin’i Jehovah izy? (Jereo koa ny sary.)

11 Nasain’i Jesosy niaraka tamin-dry zareo i Maria Magdalena, rehefa nitory tany amin’ny tanàna samihafa izy sy ny mpianany.b Tsy maintsy hoe nandray soa foana izao izy, rehefa naheno an’i Jesosy nampianatra. Niseho taminy koa i Jesosy tamin’ilay andro nananganana azy tamin’ny maty. I Maria Magdalena no anisan’ny mpianatra voalohany niresahany tamin’io andro io, ary nirahiny mihitsy aza mba hilaza tamin’ny apostoliny hoe efa nitsangana izy. Hita avy amin’izany fa tena sarobidy tamin’i Jehovah i Maria Magdalena.​—Jaona 20:11-18.

12. Hazavao ny zavatra niainan’i Lidia, ka nahatonga azy hahatsapa hoe nailikilika izy.

12 Betsaka koa amin’izao no mahatsapa hoe ailikiliky ny olona, hoatran’i Maria Magdalena. Izany no nanjo an’i Lidia, anabavy any Espaina. Saika nesorin’ny mamany, hono, izy tamin’izy mbola tao an-kibo. Tadidin’i Lidia hoe tsy noraharahian’ny mamany izy sady nokitakitainy tamin’izy mbola kely. Hoy izy: “Tiako izao raha mba misy mpitia aho sady mana-namana. Izany no mba nandrandraiko. Nieritreritra anefa aho hoe tsy hisy mihitsy izany, satria nalentik’i Mama tato an-tsaiko hoe olona ratsy toetra aho.”

13. Inona no nanampy an’i Lidia hahatsapa hoe sarobidy amin’i Jehovah izy?

13 Rehefa nianatra ny fahamarinana i Lidia, dia lasa tsapany hoe sarobidy amin’i Jehovah izy. Inona no nanampy azy? Ny vavaka sy ny fianarana samirery. Tsara fanahy taminy koa ny mpiara-manompo, ary hita tamin’ny tenin-dry zareo sy ny zavatra nataony izany. Hoy i Lidia: “Matetika ny vadiko no miteny amiko hoe tiany be aho. Imbetsaka izy no mampahatsiahy ahy hoe manana toetra tsara aho. Hoatr’izany koa no ataon’ny namako hafa.” Iza koa no hitanao hoe mila ampiana mba hahatsapa fa tena sarobidy amin’i Jehovah izy?

AMPITOVIO AMIN’NY AN’I JEHOVAH NY FAHITANAO NY TENANAO

14. Nahoana ny 1 Samoela 16:7 no manampy antsika hahatakatra hoe hoatran’ny ahoana no fahitan’i Jehovah antsika? (Jereo koa ilay hoe “Nahoana no Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony?”)

14 Tadidio hoe tsy hoatran’ny an’izao tontolo izao no fahitan’i Jehovah anao. (Vakio ny 1 Samoela 16:7.) Tsy ny paozinao, na ny saranga misy anao, na ny fianarana vitanao no amaritany hoe sarobidy ianao na tsia. (Isaia 55:8, 9) Ny fahitan’i Jehovah anao àry ifantohana, fa tsy ny fahitan’izao tontolo izao anao. Nisy fotoana ny olona sasany tsy natoky hoe misy vidiny izy. Anisan’izany i Elia, Naomy, ary Hana. Vakio ao amin’ny Baiboly ny tantaran-dry zareo, dia saintsaino hoe ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa sarobidy taminy ry zareo. Soraty koa izay zava-nitranga teo amin’ny fiainanao ka nanaporofo fa tena tian’i Jehovah ianao sady sarobidy aminy. Ankoatra izay, dia mitadiava fanazavana ao amin’ny bokintsika momba ny hoe ‘mihevi-tena ho tsy misy dikany’ na ‘mahatsiaro ho tsy misy vidiny.’c

Nahoana no Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony?

Tsy mitovy amin’ny nanaovan’i Jehovah ny biby ny nanaovany antsika olombelona. Nataony afaka mifandray aminy sy ho lasa namany isika. (Gen. 1:27; Sal. 8:5; 25:14; Isaia 41:8) Na izany fotsiny aza dia efa mahatonga antsika hatoky hoe sarobidy isika. Vao mainka ho sarobidy amin’ilay Andriamanitsika sy Mpamorona antsika anefa isika, raha miezaka mifandray akaiky aminy sy manokan-tena ho azy ary mankatò azy.​—Isaia 49:15.

15. Nahoana i Daniela no nolazain’i Jehovah hoe “tena sarobidy”? (Daniela 9:23)

15 Matokia hoe sarobidy amin’i Jehovah ianao rehefa tsy mivadika. Nisy fotoana i Daniela mpaminany “tena reraka be” sady kivy, tamin’izy efa ho 100 taona. (Dan. 9:20, 21) Ahoana no nampaherezan’i Jehovah azy? Nirahiny ny anjely Gabriela mba hampahatsiahy an’i Daniela hoe “tena sarobidy” izy, ary efa henon’Andriamanitra ny vavaka nataony. (Vakio ny Daniela 9:23.) Nahoana i Daniela no sarobidy be tamin’Andriamanitra? Satria tia fahamarinana izy sady tsy nivadika. (Ezek. 14:14) Nasain’i Jehovah nosoratana tao amin’ny Baiboly ny tantarany mba hampiononana antsika. (Rom. 15:4) Henoin’i Jehovah koa ny vavaka ataonao ary sarobidy aminy ianao satria tia fahamarinana sady tsy mivadika aminy.​—Mika 6:8, f.a.p.; Heb. 6:10.

16. Inona no hanampy anao hihevitra an’i Jehovah ho toy ny Ray be fitiavana?

16 Ataovy hoatran’ny hoe Ray tena tia anao i Jehovah. Te hanampy anao izy fa tsy mitsongoloka ny fahadisoanao. (Sal. 130:3; Mat. 7:11; Lioka 12:6, 7) Nandray soa ny olona maro nahatsiaro ho tsy nisy dikany rehefa nisaintsaina an’izany. Anisan’izany i Michelle, anabavy any Espaina. Nahatsiaro ho nailikilika sy tsy nisy nilana azy izy, satria nanevateva azy foana ny vadiny nandritra ny taona maro. Izao no nolazainy: “Isaky ny mahatsiaro ho tsy misy vidiny aho, dia saintsainiko hoe trotroin’i Jehovah aho, sady tambatambazany, ary arovany.” (Sal. 28:9) I Lauren, anabavy any Afrika Atsimo, indray miezaka mitadidy hoe: “Tsara fanahy tamiko i Jehovah, dia nitarika ahy tamin’ny tadim-pitiavana. Nampiany koa aho mba ho akaiky azy foana nandritra an’ireny taona maro ireny. Izaho aza nampiasainy mba hampianatra ny hafa. Tsy maintsy hoe sarobidy aminy àry aho, sady ilaina.”​—Hosea 11:4.

17. Inona no hanampy anao ho resy lahatra hoe ankasitrahan’i Jehovah ianao? (Salamo 5:12) (Jereo koa ny sary.)

17 Miezaha ho resy lahatra fa mankasitraka anao i Jehovah. (Vakio ny Salamo 5:12.) Nampitovin’i Davida tamin’ny “ampinga lehibe” miaro ny olo-marina ny fankasitrahan’i Jehovah. Raha fantatrao fa mankasitraka sy manohana anao i Jehovah, dia tsy hibahana ao an-tsainao intsony ny hoe tsy misy vidiny ianao. Ahoana anefa no ahalalanao hoe mankasitraka anao izy? Hitantsika teo fa mampahafantatra anao an’izany izy ao amin’ny Teniny. Ampiasainy koa ny anti-panahy sy ny namanao akaiky ary ny olon-kafa, mba hampahatsiahy anao hoe sarobidy aminy ianao. Ahoana no tokony hataonao rehefa misy miteny anao an’izany?

Anabavy iray mitsikitsiky mivoaka ny Efitrano Fanjakana fa handeha hanompo. Misakambina azy ny anabavy iray hafa

Tsy hihevi-tena ho tsy misy vidiny isika, raha haintsika hoe mankasitraka antsika i Jehovah (Fehintsoratra 17)


18. Nahoana ianao no tokony hino an’ireo zavatra tsara lazain’ny olona momba anao?

18 Raha miresaka zavatra tsara momba anao ny olona mahafantatra anao sy tia anao, dia aza mieritreritra hoe diso ry zareo. Tadidio foana hoe mety ho ry zareo no ampiasain’i Jehovah mba hanampiana anao ho resy lahatra fa ankasitrahany ianao. Hoy i Michelle, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tsy mandeha ho azy ilay hoe mino ny zavatra tsara lazain’ny hafa momba ahy, fa mila ianarako tsikelikely. Tsy mora ilay izy, nefa fantatro hoe izay no tian’i Jehovah hataoko.” Nahasoa an’i Michelle koa ny fanampian’ny anti-panahy. Mpisava lalana izy izao, sady miasa ho an’ny Betela avy any an-tranony.

19. Nahoana ianao no afaka matoky fa sarobidy amin’i Jehovah ianao?

19 Nampahatsiahy antsika i Jesosy hoe sarobidy be amin’ilay Raintsika any an-danitra isika. (Lioka 12:24) Afaka matoky an’izany àry isika. Enga anie isika ka tsy hanadino an’izany mihitsy! Andao koa isika hiezaka mafy mba hanampy ny hafa hahatsapa hoe tena sarobidy amin’Andriamanitra ry zareo.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana no nanampian’i Jesosy ny olona hahatsapa hoe sarobidy amin’Andriamanitra ry zareo?

  • Ahoana no nanampian’i Jesosy an’ilay vehivavy nandeha ra?

  • Inona no hanampy antsika hahatsapa hoe sarobidy amin’i Jehovah isika?

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

a Novana ny anarana sasany.

b Anisan’ireo vehivavy niaraka tamin-dry Jesosy i Maria Magdalena, rehefa nitory tany amin’ny tanàna samihafa izy sy ny mpianany. Nampiasa ny fananany ireny vehivavy ireny, mba hikarakarana an’izay nilain’i Jesosy sy ny apostoly.​—Mat. 27:55, 56; Lioka 8:1-3.

c Jereo, ohatra, ny toko faha-​24 amin’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. Jereo koa ny andinin-teny sy ny ohatra ao amin’ny Baiboly, eo ambanin’ilay foto-kevitra hoe “Mihevi-tena ho Tsy Misy Dikany” ao amin’ny boky Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara