LAHATSORATRA FIANARANA 48
HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy
Mahasoa An’ireo Mijaly ny Bokin’i Joba
“Tsy mba manao ratsy mihitsy Andriamanitra.”—JOBA 34:12.
HEVITRA HODINIHINA
Manampy antsika ny bokin’i Joba hahita hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana, ary inona no hanampy antsika hiaritra rehefa mijaly isika.
1-2. Nahoana no mahasoa antsika ny mamaky ny bokin’i Joba?
VAO haingana ve ianao no namaky ny bokin’i Joba? Matetika io boky tranainy io no lazaina hoe anisan’ny sangan’asa miavaka, na dia efa 3 500 taona teo ho eo aza no nanoratana azy. Nidera ny mpanoratra azy io ny boky iray, satria nampiasa teny mora azo sy kanto ary manohina ny fo izy. Marina hoe i Mosesy no nanoratra an’io boky miavaka io, kanefa i Jehovah Andriamanitra, raha ny marina, no nampanoratra azy an’izany.—2 Tim. 3:16.
2 Anisan’ny boky sarobidy ao amin’ny Baiboly ny bokin’i Joba. Nahoana? Resahina mazava tsara ao ilay adihevitra lehibe mahakasika ny anjely sy ny olombelona rehetra. Tsy inona izany fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah. Mampianatra antsika momba ny toetra tsaran’i Jehovah koa izy io, toy ny fitiavany, ny fahendreny, ny fanaovany ny rariny, ary ny heriny. In-31, ohatra, ny bokin’i Joba no miantso an’i Jehovah hoe ‘ilay Mahery Indrindra.’ Mbola vitsy noho izany ny an’ny boky hafa rehetra mitambatra. Betsaka amin’ireo fanontaniana momba ny fiainana koa no valiana ao amin’io boky io. Anisan’izany ilay manahiran-tsaina olona maro hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela antsika hijaly?
3. Inona koa ny soa ho azontsika raha mianatra ny bokin’i Joba isika?
3 Hoatran’ny hoe mianika tendrombohitra ianao rehefa mamaky ny bokin’i Joba. Mahatazana tsara ny manodidina mantsy ianao rehefa eny ambony eny. Hoatr’izany koa fa ho haintsika tsara hoe hoatran’ny ahoana no fahitan’i Jehovah ny fijaliana, rehefa mamaky ny bokin’i Joba isika. Hovaliantsika ato ireto: Nahoana io boky io no manampy antsika rehefa mijaly isika? Nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny tantaran’i Joba? Inona ny soa azontsika avy amin’izy io izao? Ary ahoana no hampiasantsika an’io tantara io mba hanampiana ny hafa?
NAVELAN’ANDRIAMANITRA HIJALY I JOBA
4. Inona no tena tsy nampitovy an’i Joba tamin’ny Israelita tany Ejipta?
4 Nisy lehilahy iray atao hoe Joba nipetraka tany Oza, tamin’ny Israelita andevo tany Ejipta. Tany atsinanan’ny Tany Nampanantenaina sy tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia angamba no nisy an’io toerana io. Tena tsy nitovy tamin’ny Israelita anefa i Joba. Nanomboka nanompo sampy ry zareo tany Ejipta, fa i Joba kosa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy. (Jos. 24:14; Ezek. 20:8) Hoy i Jehovah momba an’i Joba: “Tsy misy hoatr’azy eny ambonin’ny tany.”a (Joba 1:8) Tena nanan-karem-be i Joba, ary izy no lehilahy nohajain’ny olona indrindra tamin’ny Tatsinanana rehetra. (Joba 1:3) Tsy maintsy hoe tezitra be izao i Satana rehefa nahita hoe nanompo an’Andriamanitra sady tsy nivadika taminy io lehilahy nalaza sy nohajain’ny olona io.
5. Nahoana i Joba no navelan’i Jehovah hijaly? (Joba 1:20-22; 2:9, 10)
5 Nilaza i Satana fa tsy hanompo an’i Jehovah intsony i Joba raha mijaly. (Joba 1:7-11; 2:2-5) Marina hoe tian’i Jehovah i Joba. Navelany anefa i Satana mba hanaporofo raha marina ny teniny na tsia. (Joba 1:12-19; 2:6-8) Dia inona no nataon’i Satana? Naripany ny biby fiompin’i Joba, novonoiny ny zanak’i Joba folo, ary nataony nisy vay nampanaintaina i Joba hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa i Joba na dia nampijalin’i Satana aza. (Vakio ny Joba 1:20-22; 2:9, 10.) Naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny ny fiainan’i Joba tatỳ aoriana. Lasa salama tsara indray izy, nanan-karena, nalaza, ary nomeny zanaka folo fanampiny. Nanao fahagagana koa izy, dia nampiany 140 taona ny androm-piainan’i Joba, ka hitany hatramin’ny taranany fahefatra. (Joba 42:10-13, 16) Nahoana no nety ho nahasoa ny olona fahiny io tantaran’i Joba io, ary inona ny soa azontsika avy amin’izy io?
6. Nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny nahafantatra hoe maninona ny olona no avelan’Andriamanitra hijaly? (Jereo koa ny sary.)
6 Nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny tantaran’i Joba? Tsy mora ny fiainan’ny Israelita tany Ejipta. Andevo foana, ohatra, i Josoa sy Kaleba tamin-dry zareo mbola tanora. Avy eo ry zareo tsy maintsy nivezivezy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona, nefa tsy ry zareo akory no diso. Raha nahafantatra momba ny fitsapana nahazo an’i Joba sy ny niafaran’ny fiainany ny Israelita sy ny taranany, dia ho azon’izy ireo hoe iza no tena mahatonga ny fijaliana. Ankoatra izay, dia ho azon-dry zareo kokoa hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana ary tena sarobidy aminy ny tsy fivadihan’ny olombelona.
Andevo ela be tany Ejipta ny Israelita. Tsy maintsy ho naheno ny tantaran’i Joba ry zareo rehefa niala tany, ka nety ho nahasoa an-dry zareo ny modely nomeny (Fehintsoratra 6)
7-8. Nahoana no manampy an’ireo mijaly ny bokin’i Joba? Manomeza ohatra.
7 Nahoana no mahasoa antsika ny tantaran’i Joba? Mampalahelo fa be dia be ny olona tsy mino an’Andriamanitra intsony, satria tsy azony hoe maninona ny tsara fanahy no mijaly. Diniho ny tantaran’i Hazel,b avy any Rwanda. Nino an’Andriamanitra izy tamin’izy mbola kely. Nitsimbadika anefa ny fiainany. Nisaraka ny ray aman-dreniny, dia nanambady indray ny mamany. Nampijaly azy anefa ny raikeliny. Nisy nanolana koa izy tamin’izy tanora. Mba nitady fampiononana tany am-piangonana izy fa tsy nahazo. Nosoratany tamin’ny taratasy ny zavatra tiany holazaina tamin’Andriamanitra tatỳ aoriana. Izao no voalaza tao: “Andriamanitra ô! Nivavaka taminao aho. Niezaka nanao ny tsara aho, nefa zava-dratsy no navalinao an’izany. Tsy hivavaka aminao intsony aho. Aleoko manao izay tiako.” Tena mahavaky fo ny mahita olona nofahanana lainga hoatran’i Hazel, ka lasa mino hoe Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana!
8 Lasa fantatsika avy amin’ilay tantara ao amin’ny bokin’i Joba anefa hoe tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana fa i Satana. Lasa tsy manatsoaka hevitra koa isika hoe nisy zavatra nataon’ny olona iray matoa izy mijaly. Resahin’ny Soratra Masina fa mety ho tratran’ny “sampona” daholo na iza na iza amin’ny “fotoana tsy ampoizina.” (Mpito. 9:11; Joba 4:1, 8) Lasa haintsika koa hoe afaka mamaly ny fiampangan’i Satana i Jehovah rehefa miaritra fitsapana isika sady tsy mivadika. Miaro ny anaran’i Jehovah isika rehefa manao an’izany. (Joba 2:3; Ohab. 27:11) Faly isika mahafantatra an’izany. Haintsika mantsy izao hoe maninona isika sy ny havantsika no mijaly. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Hazel tatỳ aoriana, dia lasa fantany hoe tsy Andriamanitra no nahatonga ny fijaliany. Hoy izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra tamin’ny foko manontolo indray aho. Nolazaiko tamin’i Jehovah fa na niteny aza aho hoe tsy hivavaka aminy intsony, dia tsy hoe tena te hanao an’izany akory. Izaho koa moa tsy tena nahafantatra azy rahateo. Haiko amin’izao hoe tia ahy i Jehovah, ary tena sambatra aho.” Faly isika mahalala hoe nahoana isika no avelan’Andriamanitra hijaly. Hodinihintsika izao hoe nahoana ny tantaran’i Joba no manampy antsika rehefa miatrika fitsapana isika.
NAHOANA NY TANTARAN’I JOBA NO MANAMPY ANTSIKA HIARITRA?
9. Hoatran’ny ahoana i Joba tamin’ilay izy nipetraka teo amin’ny lavenona? (Jakoba 5:11)
9 Alao sary an-tsaina hoe mipetraka eo ambony lavenona i Joba. Feno vay ny vatany sady manaintaina be. Efa lasa nihakaozatra izy, ary simba be ny hodiny sady miendakendaka. Teny kely ny herin’i Joba. Hoatran’ny hoe tsy misy ataony afa-tsy ny mikiky ny tenany amin’ny vakim-bilany tanimanga sy mitaraindraina mamoaka ny alahelony. Nahavita zavatra tena lehibe anefa izy. Nahavita niaritra izy sady tsy nivadika. (Vakio ny Jakoba 5:11.) Inona no nanampy azy?
10. Inona no mampiseho hoe nifandray tsara tamin’i Jehovah i Joba?
10 Namboraka ny fihetseham-pony tamin’i Jehovah i Joba. (Joba 10:1, 2; 16:20) Resahina ao amin’ny toko faha-3, ohatra, fa nitaraindraina mafy i Joba noho ny loza nanjo azy. I Jehovah koa no noeritreretiny hoe nahatonga an’ireny. Nisy adihevitra be teo amin’izy sy ireo namany telo lahy taorian’izay. Niaro tena foana anefa i Joba hoe tsy nivadika izy, ary matetika ny teniny no navantany tany amin’i Jehovah. Nisy fotoana i Joba hoatran’ny te hiteny hoe marina noho Andriamanitra izy. (Joba 10:1-3; 32:1, 2; 35:1, 2) Niaiky anefa izy hoe “nirediredy” rehefa niezaka nanaporofo hoe tsy nivadika. (Joba 6:3, 26) Hita ao amin’ny toko faha-31 fa tian’i Joba raha namaly azy Andriamanitra ka niteny hoe tsy meloka izy. (Joba 31:35) Mazava ho azy fa tsy tokony hisisika hangataka amin’Andriamanitra i Joba mba hilaza aminy hoe naninona izy no nijaly.
11. Ahoana no nataon’i Jehovah rehefa nanizingizina i Joba hoe tsy nivadika izy?
11 Hita amin’ireny fitalahoan’i Joba ireny hoe nifandray akaiky tamin’i Jehovah izy, sady natoky tanteraka fa hitan’Andriamanitra ny tsy fivadihany. Namaly azy avy tao anaty tafio-drivotra i Jehovah tamin’ny farany. Tsy noresahiny tamin’ny an-tsipiriany anefa hoe nahoana i Joba no nijaly. Tsy nomelohiny koa i Joba satria hoe nitaraindraina na nanizingizina hoe tsy meloka. Nampianariny hahay handinika kosa i Joba, hoatran’ny ataon’ny ray amin’ny zanany, ary izay mihitsy no tokony ho izy. Dia inona no vokany? Nanetry tena i Joba sady niaiky hoe tena kely ny zavatra fantany. Nifona tamin’ny teny tsy voahevitra nolazainy koa izy. (Joba 31:6; 40:4, 5; 42:1-6) Nety ho nahasoa ny olona fahiny ve io fitantarana io, sady mety hahasoa antsika amin’izao? Andao hojerentsika.
12. Nahoana ny tantaran’i Joba no nety ho nahasoa ny Israelita?
12 Nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny tantaran’i Joba? Afaka niana-javatra avy tamin’ny tantaran’i Joba ny Israelita. Diniho ny ohatr’i Mosesy. Tsy maintsy niaritra olana be dia be izy, diso fanantenana, ary kivy, tamin’izy nitarika ny firenen’Israely. Tsy nimenomenona tamin’i Jehovah hoatran’ny Israelita mpikomy anefa izy fa namboraka ny fihetseham-pony tamin’i Jehovah kosa. (Eks. 16:6-8; Nom. 11:10-14; 14:1-4, 11; 16:41, 49; 17:5) Tsy maintsy niaritra koa i Mosesy rehefa nahitsy. Nisy fotoana ny Israelita nitoby tao Kadesy, angamba tamin’ilay taona faha-40 nivezivezen-dry zareo tany an-tany efitra. “Nanao teny tsy voahevitra” i Mosesy tamin’izay, ka tsy nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah. (Sal. 106:32, 33) Tsy navelan’i Jehovah niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry izy. (Deot. 32:50-52) Tsy maintsy hoe mafy tamin’i Mosesy io sazy io, nefa nanetry tena izy dia nanaiky an’ilay izy. Afaka nanampy an’ireo Israelita velona tatỳ aoriana ny tantaran’i Joba rehefa niatrika fitsapana ry zareo. Rehefa nisaintsaina azy io ry zareo, dia tokony ho hainy hoe ahoana no atao rehefa mamboraka ny fihetseham-po amin’i Jehovah. Azon’izy ireo nianarana avy tamin’izy iny koa hoe tsy misy marina noho i Jehovah, ary tokony hanetry tena sy hanaiky ny fanitsian’i Jehovah ry zareo.
13. Nahoana no manampy antsika hiaritra ny tantaran’i Joba? (Hebreo 10:36)
13 Nahoana no mahasoa antsika ny tantaran’i Joba? Mila miaritra koa isika Kristianina. (Vakio ny Hebreo 10:36.) Misy, ohatra, marary, kivy, manana olana ara-pianakaviana, namoy olona akaikin’ny fony, na miatrika olana lehibe hafa. Manampy trotraka an’izany koa indraindray ny zavatra lazain’ny hafa na ataony. (Ohab. 12:18) Ianarantsika avy amin’ny bokin’i Joba anefa hoe afaka mamboraka ny fihetseham-pontsika amin’i Jehovah isika, sady matoky hoe hihaino antsika izy. (1 Jaona 5:14) Tsy ho tezitra amintsika izy na dia mety ‘hirediredy’ hoatran’i Joba aza isika rehefa mitalaho aminy. Omeny ny hery sy ny fahendrena ilaintsika kosa isika mba hahavita hiaritra. (2 Tan. 16:9; Jak. 1:5) Mety hanitsy antsika koa izy, hoatran’ny nataony tamin’i Joba. Ianarantsika avy amin’ny bokin’i Joba koa hoe inona no hanampy antsika hiaritra rehefa mahazo torohevitra na fanitsiana isika, ohatra hoe avy amin’ny Tenin’i Jehovah, ny fandaminany, na namana matotra. (Heb. 12:5-7) Handray soa hoatran’i Joba isika raha manetry tena ka manaiky ahitsy. (2 Kor. 13:11) Tena mahasoa antsika tokoa ny tantaran’i Joba. Andao hojerentsika indray hoe ahoana no azontsika ampiasana an’io tantara io mba hanampiana ny hafa.
AMPIASAO HANAMPIANA NY HAFA NY BOKIN’I JOBA
14. Ahoana no azontsika amaliana an’izay manontany hoe maninona ny olombelona no mijaly?
14 Efa nisy nanontany ve ianao teny amin’ny fanompoana hoe nahoana isika no mijaly? Dia ahoana no namalianao azy? Mety ho noresahinao taminy izay nitranga tany Edena, araka ny tantarain’ny Baiboly. Nolazainao angamba aloha hoe nandainga tamin’ilay mpivady voalohany ilay anjely ratsy atao hoe Satana, dia lasa nikomy tamin’Andriamanitra ry zareo. (Gen. 3:1-6) Mety ho nohazavainao avy eo hoe rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia lasa nijaly sy maty ny olombelona. (Rom. 5:12) Avy eo nofarananao tamin’ny hoe navelan’Andriamanitra handeha aloha ny fotoana mba hanaporofoana fa diso ny tenin’i Satana, sy mba hahafahana mitory an’ilay vaovao tsara hoe ho lavorary indray ny olombelona amin’ny hoavy. (Apok. 21:3, 4) Tena tsara izany fanazavana izany, ary mety haharesy lahatra olona maro.
15. Ahoana no azontsika ampiasana ny bokin’i Joba, raha misy manontany hoe maninona ny olombelona no mijaly? (Jereo koa ny sary.)
15 Azonao ampiasaina koa anefa ny tantaran’i Joba mba hanazavana hoe nahoana ny olombelona no mijaly. Maninona raha deraina aloha izy, satria tena tsara ny fanontaniany? Lazao azy fa tsy vao izy no nametraka fanontaniana hoatr’izany. Efa niady saina hoatr’izany koa ilay lehilahy nanam-pinoana atao hoe Joba, tamin’izy nijaly be. Nino mihitsy aza izy fa Andriamanitra no nahatonga ny fijaliany. (Joba 7:17-21) Mety ho gaga ilay olona hoe hay efa ela no nisy te hahafantatra ny anton’ny fijaliana. Azonao hazavaina aminy avy eo fa tsy Andriamanitra no nahatonga ny fijalian’i Joba fa ny Devoly. Te hanaporofo mantsy izy hoe fitiavan-tena fotsiny no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. Afaka manazava ianao avy eo fa na dia tsy Andriamanitra aza no nahatonga ny fijalian’i Joba, dia nisy antony matoa izy namela an’izany hitranga. Natoky izy fa afaka manaporofo ny olombelona tsy mivadika hoe mpandainga i Satana. Amin’ny farany ianao afaka manazava fa notahin’Andriamanitra i Joba tatỳ aoriana, satria tsy nivadika. Mety hampionona an’ilay olona àry isika raha manome toky azy hoe tsy avy amin’i Jehovah ny fijaliana.
Ahoana no azonao ampiasana ny bokin’i Joba, mba hanampiana ny olona hatoky fa ‘tsy mba manao ratsy Andriamanitra’? (Fehintsoratra 15)
16. Milazà fitantarana mampiseho hoe afaka manampy an’izay mijaly ny bokin’i Joba.
16 Nanampy an’i Mario ny bokin’i Joba. Nitory an-telefaonina ny anabavy iray, indray andro, tamin’ny 2021. Niresaka andinin-teny iray tamin’i Mario izy, tamin’izy niantso azy voalohany. Nohazavainy fa tsy hoe mihaino ny vavaka ataontsika fotsiny Andriamanitra fa manomana hoavy tsara ho antsika koa. Rehefa nanontaniany momba an’ilay andininy i Mario dia nilaza fa teo am-panoratana taratasy, hono, izy no naneno ny telefaoniny. Nanoratra taratasy ho an’ny fianakaviany izy fa hamono tena. Izao koa no nolazainy tamin’ilay anabavy: “Mino an’Andriamanitra aho nefa lasa saina aho hoe maninona izy no nahafoy ahy.” Niresaka momba ny fijalian’i Joba ilay anabavy, tamin’izy niantso an’i Mario fanindroany. Hitan’i Mario hoe nila namaky ny bokin’i Joba manontolo izy, dia nandefasan’ilay anabavy rohy hakana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Dia inona no vokany? Nanaiky hianatra Baiboly i Mario, ary faly erỳ izy nianatra bebe kokoa momba an’ilay Andriamanitra be fitiavana sy niahy azy.
17. Nahoana no mahafaly anao ilay hoe nataon’i Jehovah ho anisan’ny Teniny ny bokin’i Joba? (Joba 34:12)
17 Hita hoe tena misy heriny amin’ny olona ny Tenin’Andriamanitra, ary anisan’ny mandray soa avy amin’izany ny olona mijaly. (Heb. 4:12) Faly isika fa nataon’i Jehovah ho anisan’ny Teniny ny tantaran’i Joba. (Joba 19:23, 24) Manome toky antsika io boky io fa “tsy mba manao ratsy mihitsy Andriamanitra.” (Vakio ny Joba 34:12.) Ampahafantariny antsika koa hoe maninona Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy ary inona no hanampy antsika hiaritra an’izany. Ankoatra izay, dia manampy antsika hampionona an’ireo mijaly io boky io. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe nahoana ny bokin’i Joba no manampy antsika hahay hanome torohevitra.
HIRA 156 Satria Mino Aho
a Azo inoana hoe taorian’ny nahafatesan’i Josefa (1657 T.K.) sy talohan’ny nanendrena an’i Mosesy hanafaka ny Israelita avy tany Ejipta (t. 1514 T.K.) ilay resadresaka nifanaovan’i Jehovah sy Satana sy ny fitsapana nahazo an’i Joba.
b Novana ny anarana sasany.