LAHATSORATRA FIANARANA 49
HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo
Manampy Anao Hahay Hanome Torohevitra ny Bokin’i Joba
“Henoy ... izao ny teniko, ry Joba, azafady indrindra.”—JOBA 33:1.
HEVITRA HODINIHINA
Hianarantsika ao amin’ny bokin’i Joba hoe inona no tokony holazaina rehefa manome torohevitra, ary ahoana no hilazana azy.
1-2. Nahoana no sarotra tamin’ireo naman’i Joba telo lahy sy Eliho ny nampionona an’i Joba?
VETIVETY dia niely ny vaovao. Fongana, hono, ny fananan’i Joba. Rehefa naheno an’izany ny namany telo lahy, izany hoe i Elifaza sy Bildada ary Zofara, dia nankany Oza mba hampionona azy. Tsy nampoizin-dry zareo anefa ny zavatra hitany.
2 Eritrereto izay nitranga. Hoatran’ny hoe nesorina tamin’i Joba daholo izay rehetra nananany. Nanana ondry, osy, omby, rameva, ary ampondra be dia be izy, nefa tsy nisy tavela izany. Nianjeran’ny trano ny zanany dia maty tao daholo. Nisy namono koa ny mpanompony. Tsy izay ihany fa lasa narary be koa izy. Feno vay nampanaintaina ny vatany. Hitan’ireo namany telo lahy avy lavitra hoe nipetraka teo amin’ny lavenona i Joba sady kivy be. Dia ahoana no nataon-dry zareo? Tsy niteny tsy nivolana ry zareo tao anatin’ny fito andro, na dia hitany aza hoe nijaly be i Joba. (Joba 2:12, 13) Tonga teo koa ny lehilahy iray tanora kokoa. Eliho no anarany, ary nipetraka teo akaiky teo izy. Niteny ihany i Joba tamin’ny farany, ka nanozona ny andro nahaterahany sady te ho faty. (Joba 3:1-3, 11) Tena nila fanampiana izy! Inona anefa izao no hotenenin’ireo lehilahy ireo, ary ahoana ny fomba hilazany azy? Arakaraka izay mantsy no ahitana raha tena naman’i Joba ry zareo sady nitady an’izay hahasoa azy.
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Nasain’i Jehovah nosoratan’i Mosesy ny zavatra notenenin’ny naman’i Joba telo lahy sy nataony, dia hoatr’izany koa ny an’i Eliho. Tsara homarihina fa toa avy amin’ny fanahy ratsy ny zavatra sasany nolazain’i Elifaza. Avy amin’i Jehovah kosa ny tenin’i Eliho. (Joba 4:12-16; 33:24, 25) Na dia ahitana torohevitra tsara be aza izany ao amin’ny bokin’i Joba, dia ahitana torohevitra ratsy be koa ao. Hojerentsika izao hoe nahoana ny bokin’i Joba no mahasoa antsika rehefa mila manome torohevitra isika. Hojerentsika aloha hoe inona ny ohatra ratsy nomen’ny naman’i Joba telo lahy. Hodinihintsika avy eo ny modely nomen’i Eliho. Rehefa mandinika an’ireo isika dia hijery hoe nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny bokin’i Joba, ary nahoana koa no mahasoa antsika izy io.
AHOANA NO NATAON’NY NAMAN’I JOBA TELO LAHY?
4. Nahoana no tsy tratran’ireo naman’i Joba telo lahy ny tanjony? (Jereo koa ny sary.)
4 Milaza ny Baiboly hoe rehefa naheno ny loza nanjo an’i Joba ny namany telo lahy, dia nankany aminy mba “hiara-miory aminy sy hampionona azy.” (Joba 2:11) Tsy tratran-dry zareo anefa izany tanjony izany. Fa maninona? Noho ny antony telo, fara fahakeliny. Voalohany, maika hanatsoaka hevi-diso ry zareo. Nolazainy, ohatra, hoe nanao ratsy, hono, i Joba dia voasazy.a (Joba 4:7; 11:14) Faharoa, betsaka tamin’ny torohevitra nomen-dry zareo no tsy nahasoa, nasiaka, ary nankarary fo. Hoatran’ny hoe tsara, ohatra, ny zavatra nolazain-dry zareo nefa tsy nisy nilana azy. (Joba 13:12) Indroa i Bildada no nilaza fa be resaka loatra i Joba. (Joba 8:2; 18:2) I Zofara indray niteny hoe “tsy misy saina” i Joba. (Joba 11:12) Fahatelo, na tsy nivazavaza aza ry zareo rehefa niresaka tamin’i Joba, dia hita tamin’ny tenin-dry zareo hoe nanambanimbany, naneso, ary nanendrikendrika an’i Joba ry zareo. (Joba 15:7-11) Tsy ny hampahery na ny hampionona an’i Joba no tena nifantohan-dry zareo, fa ny hanaporofo hoe diso izy.
Miezaha mba tsy hanambanimbany an’ilay olona omenao torohevitra. Ny hanampy azy mantsy no tokony ho tanjonao (Fehintsoratra 4)
5. Inona no vokatry ny torohevitra nomen’izy telo lahy?
5 Tsy mahagaga raha tsy nisy vokany tsara ny torohevitra nomen’izy telo lahy. Tsapan’i Joba hoe nandevilevy azy ny tenin-dry zareo. (Joba 19:2) Dia azontsika avy amin’izany hoe naninona izy no te hiaro tena, ka lasa tsy nisaina tsara sy niteny zavatra tsy tokony hotenenina. (Joba 6:3, 26) Tsy nanana ny fomba fisainan’i Jehovah ny naman’i Joba, sady tsy nangoraka an’ilay namany. Lasa fitaovana nampiasain’i Satana àry ry zareo. (Joba 2:4, 6) Nahoana no nety ho nahasoa ny olona fahiny ny tantaran’i Joba? Ary nahoana koa izy io no mahasoa antsika amin’izao?
6. Inona no azon’ny anti-panahy teo amin’ny Israely nianarana avy tamin’ny zavatra tsy nety nataon’izy telo lahy?
6 Nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny tantaran’i Joba? Rehefa avy nanome ny lalàny ho an’ny Israelita i Jehovah, dia nifidy anti-panahy izy hitsara ny vahoakany sy hanampy azy ireo hanaraka ny lalàny. (Deot. 1:15-18; 27:1) Nila nihaino tsara aloha ireny lehilahy ireny vao nanome torohevitra na namoaka didim-pitsarana. (2 Tan. 19:6) Tokony hanadihady tsara koa ry zareo, fa tsy hieritreritra hoe efa hainy daholo ny zava-drehetra. (Deot. 19:18) Ankoatra izay, dia tsy tokony hasiaka amin’izay mangataka fanampiana aminy ry zareo. Raha izany mantsy, dia tsy hazoto hamboraka ny ao am-pony ny olona. (Eks. 22:22-24) Raha nandinika ny tantaran’i Joba àry ny anti-panahy teo amin’ny Israely, dia ho afaka nianatra an’ireo lesona ireo.
7. Iza koa no afaka nanome torohevitra teo amin’ny Israely, ary inona no azon’izy ireo nianarana avy tamin’ny tantaran’i Joba? (Ohabolana 27:9)
7 Mazava ho azy hoe tsy ny lehilahy matotra ihany no afaka nanome torohevitra teo amin’ny Israely. Afaka nanao an’izany daholo na ny antitra na ny tanora, na lahy na vavy, rehefa nisy namana nila nampiana hifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah, na nila nanova ny fitondran-tenany. (Sal. 141:5) Vonona hifanampy hoatr’izany ny tena mpinamana. (Vakio ny Ohabolana 27:9.) Azon’ny Israelita nianarana avy tamin’izay nataon’izy telo lahy hoe inona no tsy tokony holazaina sy tsy tokony hatao rehefa manome torohevitra.
8. Inona ny zavatra telo mila tadidintsika rehefa manome torohevitra isika? (Jereo koa ny sary.)
8 Nahoana no mahasoa antsika ny tantaran’i Joba? Kristianina isika ka vonona foana hanampy ny mpiara-manompo amintsika rehefa miatrika fitsapana ry zareo. Tsy tokony hanao hoatran’ireo naman’i Joba telo lahy anefa isika. Voalohany, tsy tokony ho maika hanatsoaka hevitra isika, ary tokony hataontsika azo antoka hoe fantatsika ny zava-drehetra vao manome torohevitra isika. Faharoa, tokony hataontsika miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra omentsika, fa tsy amin’ny hevitsika manokana hoatran’ny nataon’i Elifaza. (Joba 4:8; 5:3, 27) Fahatelo, tsy tokony hasiaka na ho tia manakiana isika. Misy marina ihany aloha ny zavatra sasany noresahin’i Elifaza sy ny namany e! Nisy tamin’ny teny nolazain-dry zareo aza nampiasain’ny mpanoratra Baiboly hafa. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 3:19 ny Joba 5:13.) Tsy marina anefa ny ankamaroan’ny zavatra noresahin-dry zareo momba an’Andriamanitra, sady nankarary ny fon’i Joba. Nilaza àry i Jehovah hoe diso ny zavatra nolazain-dry zareo. (Joba 42:7, 8) Mila mitandrina tsara isika rehefa manome torohevitra, mba tsy hahatonga ny olona hieritreritra hoe masiaka i Jehovah na hoe tsy tiany ny mpanompony. Andao hodinihintsika izao izay azontsika ianarana avy amin’i Eliho.
Rehefa hanome torohevitra ianao, dia 1) fantaro ny zava-misy rehetra, 2) ampiasao ny Tenin’Andriamanitra, ary 3) miezaha ho be fitiavana rehefa miteny (Fehintsoratra 8)
AHOANA NO NATAON’I ELIHO?
9. Nahoana i Joba no nila fanampiana rehefa tsy niteny intsony ireo namany telo lahy, ary ahoana no nanampian’i Jehovah azy?
9 Azo inoana hoe samy tezitra na i Joba na ireo namany telo lahy taorian’ilay adihevitra. Naharitra ela be ny resaka nifanaovan-dry zareo, ka nahafeno toko 28 ao amin’ny Baiboly. Hita amin’ny ankamaroan’ny tenin-dry zareo hoe sosotra ry zareo na tezitra mihitsy aza. Tsy mahagaga raha mbola kivy foana i Joba. Mbola nila fampiononana sy fanitsiana izy. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy? Nasainy nanome torohevitra azy i Eliho. Fa naninona i Eliho no tsy niteny aloha kokoa? Hoy izy: “Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa be taona. Koa ho fanajana anareo, dia tsy niteny aho aloha.” (Joba 32:6, 7) Hoatran’ny olona maro amin’izao, dia nihevitra i Eliho hoe efa ela niainana ny zokiolona sady niana-javatra, ka manana fahendrena sy traikefa mety tsy hananan’ny tanora. Rehefa avy nihaino tsara an’i Joba sy ny namany anefa i Eliho, dia tsy maintsy niteny. Hoy izy: “Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena, ary tsy ny zokiolona ihany no mahalala an’izay tokony hatao.” (Joba 32:9) Inona no nolazain’i Eliho taorian’izay, ary ahoana no nilazany azy?
10. Inona no nataon’i Eliho talohan’ny nanomezany torohevitra an’i Joba? (Joba 33:6, 7)
10 Tsy tonga dia nanome torohevitra i Eliho fa niezaka nampitony an’i Joba aloha. Ahoana no nataony? Niezaka nifehy ny fihetseham-pony aloha izy. Resahin’ny Baiboly mantsy hoe tezitra i Eliho tamin’ny voalohany. (Joba 32:2-5) Tsy nanitsy an’i Joba tamin-katezerana anefa izy na indray mandeha aza. Nanome toky an’i Joba kosa izy. Hoy, ohatra, izy tamin’i Joba: “Fa hoatr’anao ihany aho eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra.” (Vakio ny Joba 33:6, 7.) Nasehon’i Eliho avy eo hoe nihaino tsara an’izay nolazain’i Joba izy. Nofintininy mantsy ny hevi-dehibe tamin’ireo zavatra noresahin’i Joba. (Joba 32:11; 33:8-11) Dia mbola namerina an’izay nolazain’i Joba koa izy rehefa nanohy ny teniny.—Joba 34:5, 6, 9; 35:1-4.
11. Ahoana no nataon’i Eliho rehefa nanome torohevitra an’i Joba izy? (Joba 33:1)
11 Rehefa nanome torohevitra an’i Joba i Eliho, dia nanaja an’io lehilahy tsy nivadika io. Nanonona ny anaran’i Joba, ohatra, izy fa toa tsy nanao an’izany kosa izy telo lahy. (Vakio ny Joba 33:1.) Tadidiny hoe te hiteny be mihitsy izy tamin’i Joba sy ny namany telo lahy mbola niady hevitra. Nomeny fotoana hitenenana koa àry i Joba rehefa nanome torohevitra azy izy. (Joba 32:4; 33:32) Nohazavain’i Eliho tamin’i Joba hoe nahoana no tsy nety ny zavatra sasany nolazainy sy nataony. Nampahatsiahiviny azy koa fa hendry sy mahery i Jehovah sady tia rariny, ary be fitiavana sy tsy mivadika. (Joba 36:18, 21-26; 37:23, 24) Azo inoana hoe nanomana an’i Joba handray torohevitra fanampiny avy amin’ny Mpamorona azy ny torohevitra tsara nomen’i Eliho. (Joba 38:1-3) Nahoana no nety ho nahasoa ny olona fahiny ny ohatr’i Eliho, ary nahoana izany no mahasoa antsika amin’izao?
12. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny mpaminany mba hanampiana ny vahoakany, ary inona no azon’ny Israelita nianarana avy tamin’i Eliho?
12 Nahoana no nety ho nahasoa ny Israelita ny tantaran’i Joba? Matetika i Jehovah no nampiasa mpaminany, mba hampahafantatra ny fikasany tamin’ny Israelita. Nampiasa an’i Debora mpaminanivavy, ohatra, izy tamin’ny andron’ny mpitsara mba hanome tari-dalana ny vahoakany. Efa hatramin’ny mbola kely koa i Samoela no nampiasainy mba hanome toromarika ny Israelita. (Mpits. 4:4-7; 5:7; 1 Sam. 3:19, 20) Saika nisy mpaminany foana koa tamin’ny andron’ny mpanjaka, mba hanampy ny vahoaka hanaraka ny fivavahana madio foana sy hanitsy an’izay nivily lalana. (2 Sam. 12:1-4; Asa. 3:24) Nety ho nahasoa ny lehilahy sy vehivavy tsy nivadika tamin’izany ny ohatr’i Eliho ao amin’ny bokin’i Joba, satria lasa fantatr’izy ireo hoe inona no holazaina rehefa manome torohevitra ary ahoana no hilazana azy.
13. Ahoana no azon’ny Kristianina ampaherezana ny mpiara-manompo aminy?
13 Nahoana no mahasoa antsika ny tantaran’i Joba? Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra hoatran’ireo mpaminany koa isika Kristianina, rehefa miresaka amin’ny olona an’izay lazain’ny Baiboly. Manao an’izany koa isika, rehefa mifidy tsara ny teny lazaintsika mba hampahery sy hanatanjaka ny rahalahy sy anabavy. (1 Kor. 14:3) Ny anti-panahy no tena tokony hahatsapa hoe mila ‘mampahery’ ny rahalahy sy anabaviny izy. Mila ampahereziny foana na dia ireo tezitra na ‘mirediredy’ aza.—1 Tes. 5:14; Joba 6:3.
14-15. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Eliho rehefa manome torohevitra? Manomeza ohatra.
14 Eritrereto izao: Lasa fantatry ny anti-panahy iray hoe kivy ny anabavy iray ao amin’ny fiangonan-dry zareo. Tena nety ny nataony satria nitsidika an’ilay anabavy izy sy ny rahalahy iray mba hampahery azy. Nolazain’ilay anabavy tamin-dry zareo izay nahakivy azy. Nilaza izy hoe na dia mivory sy manompo aza izy, dia tsy tena mahita fifaliana. Ahoana no hataon-dry zareo?
15 Hiezaka hamantatra aloha ireo rahalahy ireo hoe inona no tena mahakivy an’ilay anabavy. Mila mihaino tsara azy àry ry zareo. Mahatsapa ve ilay anabavy hoe tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra izy? Sa misy vokany be aminy ny “fanahiana eo amin’ny fiainana”? (Lioka 21:34) Hiezaka hijery izy roa lahy avy eo hoe inona no azo iderana an’ilay anabavy. Mbola mivory sy manompo mantsy izy na dia kivy aza. Rehefa azon-dry zareo amin’izay ny zavatra manjo an’ilay anabavy sy izay mahakivy azy, dia hampiasa ny Baiboly ry zareo mba hanampiana azy hatoky hoe tia azy Andriamanitra.—Gal. 2:20.
MIEZAHA FOANA HIANATRA AVY AMIN’NY BOKIN’I JOBA
16. Inona no tokony hataontsika raha te handray soa avy amin’ny bokin’i Joba foana isika?
16 Be dia be mihitsy ny soa raisintsika rehefa mandinika ny bokin’i Joba isika. Inona, ohatra, no nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha? Fantatsika avy ao amin’ny bokin’i Joba hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny olona hijaly, ary inona no hanampy antsika hiaritra rehefa mijaly isika. Nianarantsika tato indray hoe ho afaka hanome torohevitra tsara isika rehetra raha manahaka an’i Eliho, fa tsy manahaka an’ireo naman’i Joba telo lahy. Maninona raha averina jerena ny lesona nianaranao tao amin’ny bokin’i Joba rehefa hanome torohevitra ianao amin’ny manaraka? Ary raha efa ela ianao no namaky farany ny bokin’i Joba, dia maninona raha vakina indray io boky miavaka io? Ho hitanao hoe mbola mahasoa amin’izao izy io, hoatran’ny tamin’ny fotoana nanoratana azy ihany.
HIRA 125 “Sambatra ny Mamindra Fo”
a Toa fanahy ratsy no nahatonga an’i Elifaza hieritreritra hoe ‘tsy misy olombelona heverin’i Jehovah hoe marina, ka noho izany dia tsy misy olona afaka mampifaly an’Andriamanitra.’ Nibahana tao an-tsain’i Elifaza izany hevi-diso izany ka naverimberiny foana.—Joba 4:17; 15:15, 16; 22:2.