FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Desambra p. 14-19
  • Miezaha Hanetry Tena Hoatran’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hanetry Tena Hoatran’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MORA HATONINA I JEHOVAH
  • MAHAY MANDANJALANJA I JEHOVAH
  • MANAM-PAHARETANA I JEHOVAH
  • OMEN’I JEHOVAH VONINAHITRA IZAY MANETRY TENA
  • Tahafo ny Fomba Fisainan’i Jehovah sy Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ho Sambatra Kokoa Ianao Raha Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Desambra p. 14-19

LAHATSORATRA FIANARANA 50

HIRA 48 Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro

Miezaha Hanetry Tena Hoatran’i Jehovah

“Tahafo ... Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo.”​—EFES. 5:1.

HEVITRA HODINIHINA

Fomba efatra ampisehoantsika hoe manetry tena hoatran’i Jehovah isika.

1. Nahoana no miavaka ny fanetren-tenan’i Jehovah?

MANETRY TENA ve no fahitanao ny manam-pahefana? Azo antoka fa tsia. I Jehovah anefa manetry tena, na dia izy aza no mahery indrindra. (Sal. 113:5-8) Efa maha izy azy mihitsy izany. Tsy manambony tena mihitsy izy na dia kely aza. Handinika toetran’i Jehovah efatra isika, dia hojerentsika hoe nahoana no hita amin’ireo toetra ireo koa hoe manetry tena izy. Hojerentsika koa hoe ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa manetry tena hoatran’ny Rainy izy. Mahasoa antsika ny mandinika an’ireo toetra ireo, satria hanampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy hanetry tena kokoa hoatr’azy.

MORA HATONINA I JEHOVAH

2. Inona no resahin’ny Salamo 62:8 momba an’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

2 Sarotra hatonina ny olona manambony tena amin’ny ankapobeny. Mihevi-tena ho ambony ry zareo sady tsy tsara fanahy, ka misalasala ny olona ny hanatona azy na mihatakataka aminy. Tsy hoatr’izany mihitsy i Jehovah. Manetry tena mantsy io Raintsika any an-danitra io, dia asainy isika hanatona azy sy hiresaka aminy an’izay ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. (Vakio ny Salamo 62:8.) Tena tian’ny ray be fitiavana ho fantatra izay mampiady saina ny zanany. Hoatr’izany koa i Jehovah. Tena te hihaino ny vavaka ataon’ny mpanompony izy. Be dia be mihitsy aza ny vavaka nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly. Hita avy amin’izany hoe tena mora hatonina izy. (Jos. 10:12-14; 1 Sam. 1:10-18) Ahoana anefa raha mahatsapa isika indraindray hoe tsy mendrika ny hivavaka amin’i Jehovah?

Mihaino tsara ny raim-pianakaviana iray, rehefa manazava ilay zanany lahikely hoe voadonan’ny raoplaniny ilay vazim-boninkazo tamin’izy nilalao.

Namaky vazy ny ankizilahikely iray rehefa nilalao. Manahaka an’i Jehovah anefa ny rainy, ka manetry tena sady mihaino tsara azy (Fehintsoratra 2)


3. Nahoana ianao no afaka matoky fa tian’i Jehovah hivavaka aminy foana ianao?

3 Afaka mivavaka amin’i Jehovah foana isika, na dia mahatsapa hoe tsy mendrika ny hotiaviny aza. Nahoana? Noharin’i Jesosy tamin’ny ray tsara fanahy i Jehovah, tao amin’ilay fanoharana momba an’ilay zanaka adala. Nibebaka ny zanak’io lehilahy io, nefa nieritreritra hoe tsy mendrika ny ho anisan’ilay fianakaviana intsony. Ahoana no nataon’ny dadany rehefa nody ilay zanany? Nilaza i Jesosy hoe vao tazany ilay zanany, dia “nihazakazaka” izy “ary namihina azy sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” (Lioka 15:17-20) Hoatran’io dadany io i Jehovah. Manamelo-tena be ve ianao noho ny fahadisoana nataonao? Sa tototry ny fanahiana eo amin’ny fiainana ianao? Tadidio fa manetry tena i Jehovah, ka tonga dia manongilan-tsofina izy raha vao maheno ny vavaka ataonao. (Fitom. 3:19, 20) Mangoraka anao i Jehovah, ka hoatran’ny hoe ‘mihazakazaka’ mihitsy izy mba hampionona anao sy hanome toky hoe mamindra fo aminao izy sady tia anao. (Isaia 57:15) Ahoana no ataony? Matetika izy no mampiasa ny anti-panahy, ireo havantsika Vavolombelona, na ny mpiara-manompo hafa. (Jak. 5:14, 15) Ampiany isika satria tiany hifandray akaiky aminy.

4. Ahoana no ahitana hoe mora hatonina i Jesosy?

4 Nanahaka ny Rainy i Jesosy. Manetry tena hoatran’ny Rainy i Jesosy. Tsy nisalasala àry ny olona nanatona azy, tamin’izy tetỳ an-tany, sady tsy natahotra nametraka fanontaniana taminy. (Mar. 4:10, 11) Rehefa nasainy naneho hevitra àry ireny olona ireny, dia nilaza an’izay tena tao am-pony. (Mat. 16:13-16) Tsy nihorohoro koa ry zareo rehefa nanao fahadisoana, satria fantany hoe tsara fanahy i Jesosy, namindra fo, ary nanam-paharetana. (Mat. 17:24-27) Nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy, ka lasa nahafantatra kokoa an’i Jehovah ny mpanara-dia azy. (Jaona 14:9) Lasa fantatr’izy ireo hoe tsy hoatran’ny mpitondra fivavahana tamin’izany i Jehovah. Ry zareo ireny mantsy nasiaka sy nanambony tena ary tsy niraharaha ny hafa. I Jehovah kosa manetry tena sady mora hatonina.

5. Nahoana isika no ho mora hatonina kokoa raha manetry tena?

5 Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah? Ho mora hatonina kokoa isika raha miezaka hanetry tena. Raha tsy manetry tena isika dia ho be fialonana, hanambony tena, ary tsy hamela heloka. Hihatakataka amintsika anefa ny olona, raha manana an’ireo toetra ireo isika. Ho tsara fanahy kosa isika, hanam-paharetana, ary hamela heloka raha manetry tena. Ho mora hatonina isika amin’izay. (Kol. 3:12-14) Ny anti-panahy no tena tokony hiezaka ho mora hatonina. Ahoana anefa no hanatonan’ny olona azy raha tsy hita foana izy? Tokony hiezaka hivory mivantana àry izy, fa tsy hoe hanaraka amin’ny vidéoconférence tsy amin’antony. Hiezaka hitory isan-trano miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy koa izy raha mbola azo atao. Rehefa mifankazatra kokoa amin’ny anti-panahy ny mpiara-manompo, dia hahazo aina ry zareo miresaka aminy raha vao mila fanampiana.

MAHAY MANDANJALANJA I JEHOVAH

6-7. Milazà ohatra mampiseho hoe mandefitra i Jehovah ka mihaino ny fangatahan’ny mpanompony.

6 Matetika no tsy mahay mandanjalanja ny olona manambony tena rehefa mifandray amin’ny hafa. I Jehovah kosa manetry tena ka mahay mandanjalanja na mandefitra, na dia izy aza no ambony sy mahay indrindra. Hoatr’izany izao no nataony tamin’i Miriama, anabavin’i Mosesy. Nimenomenona tamin’i Mosesy izy sy Arona, nefa solontenan’i Jehovah i Mosesy. Tsy nanaja an’i Jehovah àry i Miriama, raha ny marina. Dia inona no vokany? Tezitra tamin’i Miriama i Jehovah ka nataony boka izy. Inona anefa no nataony, rehefa nitalaho taminy i Arona sy Mosesy mba hanasitrana ny anabavin-dry zareo? Tsy niziriziry tamin’ny fanapahan-keviny izy. Nilefitra kosa izy dia nanasitrana an’i Miriama satria izy nanetry tena.​—Nom. 12:1-15.

7 Nanetry tena koa i Jehovah rehefa nifandray tamin’i Hezekia Mpanjaka. Naniraka ny mpaminaniny i Jehovah mba hilaza tamin’i Hezekia hoe ho faty izy. Niangavy an’i Jehovah anefa izy mba hanasitrana azy sady nitomany be. Namindra fo taminy àry i Jehovah, dia nampiany 15 taona ny andro niainany. (2 Mpanj. 20:1, 5, 6) Hita avy amin’izany fa lasa mamindra fo sy mandefitra i Jehovah noho izy manetry tena.

8. Inona ny ohatra mampiseho hoe mahay mandanjalanja i Jesosy? (Marka 3:1-6)

8 Nanahaka ny Rainy i Jesosy. Nanao soa tamin’ny hafa foana izy teto an-tany rehefa nisy hirika hanaovana an’izany. Mbola nanasitrana olona foana, ohatra, izy tamin’ny Sabata, na dia tsy nanaiky an’izany aza ireo mpanohitra mafy fo. (Vakio ny Marka 3:1-6.) Mahay mandanjalanja foana izy hatramin’izao rehefa mitarika ny fiangonana. Raha misy manao fahotana lehibe, ohatra, ao amin’ny fiangonana, dia manam-paharetana amin’ilay olona izy ka manome azy fotoana ampy tsara mba hiovana.​—Apok. 2:2-5.

9. Inona no hanampy antsika hahay handanjalanja, ary ahoana no ampisehoantsika an’izany? (Jereo koa ny sary.)

9 Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah? Tsy maintsy miezaka hahay handanjalanja hoatran’i Jehovah isika amin’ny eritreritsika sy ny ataontsika. (Jak. 3:17) Mahay mandanjalanja, ohatra, ny ray aman-dreny raha tsy milefitra loatra sy tsy mitaky be loatra amin’ny zanany. Nanao hoatr’izany i Jakoba, araka ny tantarain’ny Genesisy 33:12-14. Mahay mandanjalanja sy manetry tena koa ny ray aman-dreny raha tsy mampitaha ny zanany iray amin’ny zanany hafa. Ary ny anti-panahy? Tsy maintsy mahay mandanjalanja koa ry zareo. Manao an’izany, ohatra, ny anti-panahy iray raha tsy miziriziry amin’ny heviny fa manohana ny hevitry ny ankamaroan’ny anti-panahy, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny torolalan’ny Baiboly ilay izy. (1 Tim. 3:2, 3) Tokony hiezaka isika rehetra mba hahazo ny fomba fijerin’ny hafa, na dia tsy mitovy amin’ny antsika aza izany. (Rom. 14:1) Ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana mihitsy àry no tokony hiezaka mba ho “fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja.”​—Fil. 4:5.

Sary: Raim-pianakaviana iray falifaly, mitory isan-trano miaraka amin’ny zanany. 1. Mitsiky izy mahita an’ilay zanany lahy mametraka an’ilay bokikely “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” amin’ny lehilahy iray. 2. Mitsiky izy mahita an’ilay zanany vavy manome karatra jw ho an’ny vehivavy iray.

Mahay mandanjalanja ny raim-pianakaviana iray, ka tsy mitaky be loatra amin’ny zanany rehefa eny amin’ny fanompoana (Fehintsoratra 9)


MANAM-PAHARETANA I JEHOVAH

10. Ahoana no ahitana fa manam-paharetana i Jehovah?

10 Voamarikao angamba fa tsy tia miandry ny olona manambony tena. Tsy manam-paharetana ry zareo. Tsy hoatr’izany mihitsy anefa i Jehovah, satria izy no manam-paharetana indrindra. Nilaza, ohatra, i Jehovah tamin’ny andron’i Noa hoe vonona hiandry 120 taona izy vao handringana ny ratsy fanahy. (Gen. 6:3) Nanam-potoana nitaizana ny zanany àry i Noa, dia avy eo izy mianakavy afaka niaraka nanamboatra an’ilay sambofiara. Nanam-paharetana nihaino an’i Abrahama koa ny anjely iray nisolo tena an’i Jehovah, rehefa nanontany momba ny handravana an’i Sodoma sy Gomora i Abrahama. Raha nanambony tena izao ilay anjely dia nety ho nilaza hoe: “Aza be fanontaniana!” Nanam-paharetana tamin’i Abrahama anefa io anjely io, satria nanahaka an’i Jehovah izy.​—Gen. 18:20-33.

11. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy amin’izao, araka ny 2 Petera 3:9?

11 Manam-paharetana koa i Jehovah amin’izao, noho izy manetry tena. Vonona hiandry an’ilay fotoana efa nofaritany hamaranana an’izao tontolo izao izy. “Tsy tiany hisy ho ringana” mantsy “ny olona fa tiany hibebaka daholo.” (Vakio ny 2 Petera 3:9.) Very maina ve izany faharetan’i Jehovah izany? Tsia! An-tapitrisany ny olona tso-po afaka nanatona azy, dia manantena isika hoe mbola hisy olona an-tapitrisany hafa hanao an’izany koa. Misy fetrany ihany anefa ny faharetan’i Jehovah. Tia olona izy nefa tsy hoe milefitra loatra. Tsy havelany hitohy mandrakizay ny faharatsiana.​—Hab. 2:3.

12. Ahoana no ahitana hoe manam-paharetana hoatran’i Jehovah i Jesosy?

12 Nanahaka ny Rainy i Jesosy. Nanam-paharetana hoatran’i Jehovah i Jesosy nandritra ny an’arivony taona. Hitany ny nanendrikendrehan’i Satana an’i Jehovah sy ny olona tsy mivadika. (Gen. 3:4, 5; Joba 1:11; Apok. 12:10) Nahita olona niaritra fahoriana mafy koa izy. Tsy maintsy hoe tsy andriny izao ny “handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Miandry ny fotoana hilazan’i Jehovah aminy anefa izy hoe: ‘Mahazo mandrava ny asan’ny Devoly amin’izay ianao.’ Inona no manampy azy hanam-paharetana? Iray amin’izany ny fanetren-tena. Fantany fa i Jehovah ihany no manapaka hoe rahoviana no hamaranany an’izao tontolo ratsy izao.​—Asa. 1:7.

13. Ahoana no ahitana hoe nanam-paharetana tamin’ny apostoliny i Jesosy, ary inona no antony?

13 Nanam-paharetana tamin’ny apostoliny koa i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Im-be dia be, ohatra, ry zareo no niady hevitra hoe iza tamin’izy ireo no lehibe indrindra. Tsy nieritreritra anefa i Jesosy hoe tsy hiova mihitsy ry zareo. Nanam-paharetana tamin-dry zareo foana izy. (Lioka 9:46; 22:24-27) Natoky izy hoe mbola hiova ry zareo. Imbetsaka ve ianao no namerina fahadisoana iray? Raha izany, dia azo antoka fa faly ianao manana Mpanjaka manetry tena sy manam-paharetana.

14. Inona no hanampy antsika hanam-paharetana?

14 Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah? Hanahaka kokoa ny fomba fisainan’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra isika, raha miezaka hanana “ny sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:16) Inona anefa no azontsika atao mba hitovy kokoa amin’ny an’i Kristy ny fomba fisainantsika? Tsy maintsy mamaky ny Filazantsara isika. Avy eo isika mila maka fotoana hisaintsainana hoe inona no nataon’i Jesosy, ary nahoana izy no nanao an’izany. Mila mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hanampy antsika hanetry tena sy hanam-paharetana hoatran’i Jesosy. Hanahaka kokoa an’Andriamanitra isika rehefa miezaka hanana ny sain’i Kristy, ka hanam-paharetana amin’ny tenantsika sy amin’ny mpiara-manompo.​—Mat. 18:26-30, 35.

OMEN’I JEHOVAH VONINAHITRA IZAY MANETRY TENA

15. Ahoana no ahitana hoe nanatanteraka ny voalazan’ny Salamo 138:6 i Jehovah?

15 Vakio ny Salamo 138:6. Eritrereto ange e! Ilay Mpanjakan’izao rehetra izao mihitsy no tia an’ireo manetry tena. Voninahitra tsy misy hoatr’izany! Betsaka ny olona tsy mba nasiana vidiny nefa voamarik’i Jehovah. Mety tsy ho tonga ao an-tsaintsika avy hatrany ny sasany amin’izy ireny na dia resahin’ny Baiboly aza. Nasain’i Jehovah noresahin’i Mosesy ao, ohatra, i Debora, ilay vehivavy nampinono an’i Rebeka. Nanompo ny fianakavian’i Isaka sy Jakoba izy, nandritra ny 125 taona teo ho eo. Kely ihany ny zavatra fantatsika momba an’io vehivavy tsy mivadika io. Misy tsipiriany nasain’i Jehovah nosoratan’i Mosesy anefa, mba hahitantsika hoe tena mamy hoditra izy. (Gen. 24:59; 35:8, f.a.p.) Nasandratr’i Jehovah koa i Davida, taonjato maro tatỳ aoriana. Nataony mpanjakan’ny firenen’Israely io ankizilahikely mpiandry ondry io. (2 Sam. 22:1, 36) Taoriana kelin’ny nahaterahan’i Jesosy indray, dia naniraka anjely ho any amin’ny mpiandry ondry vitsivitsy izy. Nomeny voninahitra ry zareo, satria ry zareo no nampahafantariny voalohany hoe teraka tao Betlehema ny Mesia. (Lioka 2:8-11) Nanome voninahitra an’i Simeona sy Ana koa i Jehovah, ka nasehony an’ireo zokiolona ireo ny Zanany rehefa nentin’i Josefa sy Maria tany amin’ny tempoly. (Lioka 2:25-30, 36-38) Hita mihitsy hoe “na avo aza i Jehovah, dia mijery an’izay manetry tena”!

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe nanahaka ny Rainy izy rehefa nifandray tamin’ny hafa?

16 Nanahaka ny Rainy i Jesosy. Nomeny voninahitra koa ny olona manetry tena. Nampianariny momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny “olon-tsotra” sady “tsy nahita fianarana.” (Asa. 4:13; Mat. 11:25) Nanasitrana ny marary koa izy, ary nataony izay hahatsapan’izy ireo indray hoe tiana ry zareo sady nohajaina. (Lioka 5:13) Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nanao ny asan’ny mpanompo izy rehefa nanasa ny tongotry ny apostoly. (Jaona 13:5) Talohan’ny niakarany tany an-danitra indray, dia nomeny voninahitra ny mpanara-dia azy rehetra, anisan’izany isika, ka nomeny an’ilay asa lehibe indrindra hatramin’izay. Tsy inona izany fa ny hanampy ny olona hahazo fiainana mandrakizay.​—Mat. 28:19, 20.

17. Ahoana no ampisehoantsika hoe manome voninahitra ny hafa isika? (Jereo koa ny sary.)

17 Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah? Manome voninahitra ny olona isika raha miresaka aminy ny vaovao tsara, na inona na inona fiaviany, volon-kodiny, ary na nahita fianarana izy na tsia. Manome voninahitra an’ireo rahalahy sy anabavy koa isika raha mihevitra an-dry zareo ho ambony noho isika, na inona na inona fahaizana na tombontsoam-panompoana ananantsika. (Fil. 2:3) Faly i Jehovah raha manetry tena isika, ka isika mihitsy no “voalohany” manome voninahitra ny hafa amin’ireo lafiny ireo na amin’ny fomba hafa.​—Rom. 12:10; Zef. 3:12.

Anabavy roa mampianatra Baiboly vehivavy iray any am-ponja.

Manetry tena hoatran’i Jehovah isika raha mitory ny vaovao tsara amin’ny olona isan-karazany (Fehintsoratra 17)a


18. Nahoana ianao no te hanetry tena hoatran’i Jehovah?

18 Raha miezaka hanetry tena hoatran’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, dia ho mora hatonina sy hahay handanjalanja ary hanam-paharetana kokoa. Hanome voninahitra ny hafa koa isika, hoatran’ny ataon’i Jehovah. Raha manao izay rehetra azontsika atao isika mba hanahaka kokoa an’ilay Andriamanitra manetry tena, dia vao mainka ho sarobidy aminy.​—Isaia 43:4.

NAHOANA NY FANETREN-TENA NO MANAMPY ANTSIKA...

  • ho mora hatonina?

  • hahay handanjalanja?

  • hanam-paharetana?

HIRA 159 Voninahitra Anie ho An’i Jehovah!

a FANAZAVANA SARY: Manetry tena hoatran’i Jehovah ny anabavy vitsivitsy, ka mampianatra olona migadra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara