LAHATSORATRA FIANARANA 51
HIRA 132 Iray Isika Izao
Mariazy Manome Voninahitra An’i Jehovah
“Ataovy amin’ny fomba mendrika sy milamina tsara ny zava-drehetra.”—1 KOR. 14:40.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no azon’ny olon-droa atao mba hanome voninahitra an’i Jehovah ry zareo amin’ny andron’ny mariaziny?
1-2. Tian’i Jehovah ho hoatran’ny ahoana ny mariazin’ny Kristianina?
EFA tapa-kevitra ve ianao sy ilay olon-tianao hoe hivady ianareo? Tsara be izany! Azo inoana hoe efa manomana ny mariazinareoa ianareo. Zava-dehibe amin’i Jehovah ny mariazinareo. Tiany hankafy an’io andro iray toa zato io ianareo sady tiany ho sambatra foana.—Ohab. 5:18; Tonon. 3:11.
2 Mendrika ny hahazo voninahitra i Jehovah amin’ny mariazinareo. Fa maninona? Ary ahoana no hanaovana an’izany? Marina hoe natao ho an’ny olon-droa manomana mariazy ity lahatsoratra ity. Hanampy antsika rehetra hanome voninahitra an’i Jehovah koa anefa ny torolalana ato, raha asaina hanatrika mariazy isika na angatahana soso-kevitra momba an’ilay izy.
NAHOANA I JEHOVAH NO MILA OMENA VONINAHITRA?
3. Inona no tokony hodinihin’ny Kristianina rehefa manomana mariazy ry zareo, ary nahoana?
3 Tokony hanaraka ny torolalan’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny Kristianina rehefa manomana mariazy. I Jehovah mantsy no namorona ny fanambadiana. Izy no nandamina an’ilay fampakaram-bady voalohany, dia ny an’i Adama sy Eva. (Gen. 1:28; 2:24) Izay heverin’Andriamanitra fa mety àry no tokony hoeritreretina voalohany rehefa manomana mariazy.
4. Nahoana koa ny Kristianina no tokony hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny andron’ny mariaziny?
4 Misy antony hafa koa tokony hamantaranao ny hevitr’i Jehovah momba an’ilay mariazy. Izy mantsy ilay Rainao any an-danitra sady Namanao akaiky indrindra. (Heb. 12:9) Tianao raha mpinamana be foana ianareo. Tsy tianao hisy zavatra hampalahelo azy amin’io andro io na amin’ny andro hafa. (Sal. 25:14) Tsy mendrika ny hahazo voninahitra ve izy amin’ny mariazinao, raha jerena ny zavatra efa nataony ho anao sy izay mbola hataony?—Sal. 116:12.
AHOANA NO HANOMEZANA VONINAHITRA AN’I JEHOVAH?
5. Nahoana ny Baiboly no afaka manampy ny Kristianina rehefa manomana mariazy ry zareo?
5 Tsy misy lisitra lava be momba an’izay tokony hatao sy tsy tokony hatao amin’ny mariazy ao amin’ny Baiboly. Manan-tsafidy àry izy roa arakaraka ny zava-misy, ny kolontsaina eo an-toerana, na izay tian-dry zareo. Manaja ny lalàn’i Kaisara koa ny tena Kristianina. (Mat. 22:21) Hampifaly sy hanome voninahitra an’i Jehovah anefa ilay mariazy, raha atao mifanaraka amin’ny torolalany. Inona àry ny torolalana tokony hotadidina?
6. Nahoana ny olon-droa mikasa hivady no tokony hanara-dalàna?
6 Miezaha hanara-dalàna. (Rom. 13:1, 2) Misy lalàna momba ny fanambadiana any amin’ny tany maro. Mila fantarinareo roa hoe inona ny lalàna eo an-toerana. Aza misalasala manontany ny anti-panahy raha mila fanampiana.b
7. Tokony hanao ahoana ny mariazy, ary ahoana no hahavitana an’izany?
7 Ataovy mendri-kaja ilay izy. (1 Kor. 10:31, 32) Iezaho mba hoe ny vokatry ny fanahy no tena misongadina mandritra an’ilay mariazy, fa tsy ny toe-tsain’izao tontolo izao. (Gal. 5:19-26) Resahin’ny Soratra Masina fa ny lahy no lohan’ny vavy. Izy àry no tena tokony hanao azo antoka hoe fotoana mahafaly sy mendri-kaja ilay mariazy. Ahoana no hahatratrarana an’izany tanjona izany? Tokony hanaja tsara sy ho be fitiavana ilay rahalahy manao ny lahatenim-panambadiana, amin’izay ho azon’ny mpanatrika hoe fanomezana avy amin’i Jehovah ny fanambadiana ary tena zava-dehibe. Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny Kristianina hifidy hoe atao any amin’ny Efitrano Fanjakana io lahateny io raha mbola azo atao. Raha izany no safidinareo, dia manaova fangatahana an-tsoratra ary omeo ny anti-panahy aloha be izany.
8. Inona no azo atao mba ho mendri-kaja foana ilay fety? (Romanina 13:13)
8 Vakio ny Romanina 13:13. Raha te hanao fety ianareo, dia inona no azonareo atao mba tsy ho hita taratra amin’ilay izy ny toe-tsain’izao tontolo izao? Ilay teny grika nadika hoe “fety tsy voafehy” dia ilazana fiaraha-mikorana misy olona misotro tafahoatra sy mozika hatramin’ny alina be. Te handroso zava-pisotro misy alkaola ve ianareo? Raha izany, dia mandraisa fepetra mialoha mba ho azo antoka hoe tsy hisy olona hisotro toaka be loatra.c Ahoana indray raha mifidy ny hanisy mozika ianareo? Aza atao mafy loatra izany, amin’izay ny olona afaka mifankaheno tsara rehefa miresaka. Jereo tsara mialoha koa ny karazana mozika halefa sy ny tonony mba tsy hisy ho tafintohina.
9. Inona no tokony hotadidin’izy roa, raha tiany hisy olona handray fitenenana na zavatra hafa natao hampifalifaliana olona amin’ilay fety?
9 Amin’ny mariazy sasany, dia mety handray fitenenana ny namana na ny fianakavian’izy roa kely. Ny an’ny hafa indray mampiseho video, na sarin’izy roa, na zavatra hafa natao hampifaliana ny olona. Mahatonga an’ilay fety hiavaka ny zavatra hoatr’izany matetika. Raha hisy an’izany amin’ny mariazinareo, dia ataovy azo antoka hoe mampahery ilay izy. (Fil. 4:8) Saintsaino izao: ‘Tsy hahasadaikatra ve ilay izy? Sao dia tsy hanaja ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fanambadiana ilay izy?’ Ary ny zava-dehibe indrindra dia hoe: ‘Hanome voninahitra an’i Jehovah ve ilay izy?’ Mety tsara ny hatsikana sasany nefa tokony hitandrina ilay manao azy mba tsy hilaza zavatra tsy mendrika, ka hahatonga ny olona hieritreri-dratsy. (Efes. 5:3) Raha te handray fitenenana amin’ilay fety ny fianakavianareo sy ny namanareo, dia teneno an-dry zareo mialoha hoe zavatra hoatran’ny ahoana no tsy tianareo horesahina.
10. Nahoana ny Kristianina no tokony hanetry tena rehefa manomana mariazy? (1 Jaona 2:15-17)
10 Miezaha hanetry tena. (Vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Faly i Jehovah rehefa ny hanome voninahitra azy no zava-dehibe amin’ny mpanompony, fa tsy ny hanasongadina ny tenany. Raha manetry tena àry ny Kristianina, dia tsy hanao fandaniana tafahoatra amin’ny mariazy sy tsy ‘hampideradera fananana.’ Handray soa ianareo raha ataonareo tsotra ny mariazinareo. Nahoana? Hoy i Mike, rahalahy avy any Norvezy: “Tsy nidi-trosa izahay fa izay teo am-pelatananay no nampiasainay, dia mbola afaka nanao mpisava lalana foana izahay. Tsotra ny mariazinay nefa nahafinaritra sady tsy ho hadinonay mihitsy.” Hoy i Tabitha, anabavy avy any Inde: “Tsy niady saina be izahay. Tsotra ny mariazinay, dia tsy nila fanomanana be sady tsy dia nisy nampifamaly.”
Tokony ho tsotra, hahafinaritra, ary tsy ho hay hadinoina ny mariazin’ny Kristianina na aiza na aiza misy azy ireo. (Fehintsoratra 10-11)
11. Ahoana no hampisehoan’izy roa amin’ny paoziny hoe manetry tena ry zareo? (Jereo koa ny sary.)
11 Ary ahoana ny akanjo? Mba te hanao metimety izao ianareo roa. Na tamin’ny andron’ny Baiboly aza, dia nanao paozy mety tsara ny mpampakatra sy ny ampakarina. (Isaia 61:10) Azo antoka hoe tianareo hiavaka amin’ny mahazatra ny paozinareo amin’io andro io. Tokony ho maotina foana anefa ilay izy. (1 Tim. 2:9) Tsy tokony ho ny paozinareo no hisongadina indrindra amin’ilay mariazy.—1 Pet. 3:3, 4.
12. Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanaraka an’ireo fombafomba tsy araka ny Soratra Masina?
12 Mitandrema amin’ny fombafomba tsy araka ny Soratra Masina. (Apok. 18:4) Matetika ny mariazy amin’izao no misy fombafomban’ny fivavahan-diso sy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy ary finoanoam-poana. Mampitandrina antsika amin’ireny fanao maloto ireny i Jehovah. (2 Kor. 6:14-17) Raha misy fombafomba tsy azo antoka any amin’ny faritra misy anareo, dia fantaro ny niandohany. Fantaro koa izay torolalan’ny Baiboly hanampy anareo hanapa-kevitra raha hasiana an’ilay izy amin’ny mariazinareo na tsia.
13. Ahoana no hanahafan’ny mpivady vao an’i Jehovah amin’ny resaka fanomezana?
13 Fanao any aminareo ve ilay hoe manao fanomezana ho an’ny mpivady vao ny olona nasaina? Mety ho arakaraka ny vola ananan’ny olona ny fanomezana omeny. Marina aloha hoe ampirisihina ho tia manome ny Kristianina, ary mahafaly an-dry zareo ny manao an’izany. (Ohab. 11:25; Asa. 20:35) Tsy tokony hataon’izy roa anefa izay hahatsapan’ireo nasaina hoe tsy maintsy manome ry zareo, na tsy maintsy manao fanomezana lafo vidy. Manahaka an’i Jehovah isika, ka avelantsika ny olona mba hanome an-tsitrapo fa tsy an-tery ary ankasitrahantsika izay omeny.—2 Kor. 9:7.
AHOANA NO HISOROHANA SY HIATREHANA OLANA?
14. Inona ny olana atrehin’ny Kristianina sasany rehefa manomana mariazy ry zareo?
14 Mba te hanao mariazy manome voninahitra an’i Jehovah ianareo, nefa mety hiteraka olana izany. Mety ho sarotra, ohatra, ny hanomana mariazy tsotsotra. Hoy i Charlie, avy any amin’ny Nosy Salomon: “Tena tsy mora taminay ny nifidy hoe iza no hasaina. Be namana izahay, dia te hasaina daholo ry zareo. Hoatr’izany mantsy ny kolontsaina atỳ aminay.” Hoy koa i Tabitha, ilay voaresaka terỳ aloha: “Fanaon’ny olona atỳ aminay ny manao mariazy makotrokotroka. Ela be mihitsy izahay vao nahavita nandresy lahatra ny ray aman-dreninay hoe olona 100 eo ho eo fotsiny no tianay hasaina.” Hoy i Sarah, avy any Inde: “Tena zava-dehibe amin’ny olona sasany ny fomba fijerin’ny fiaraha-monina. Nanao mariazy makotrokotroka ny zanaky ny iray tam-po amin’ny dadanay, dia tian’ny olona hanao mariazy makotrokotroka noho ny an-dry zareo aho.” Inona no hanampy anao hiatrika olana hoatr’izany sy ny olana hafa?
15. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka rehefa manomana mariazy?
15 Mivavaha foana momba an’ilay fanomanana. Azonareo resahina amin’i Jehovah izay olana mipoitra na ny fihetseham-ponareo. (Fil. 4:6, 7) Iangavio izy mba hanampy anareo hahay hanapa-kevitra, sy ho tony rehefa miady saina, ary ho be herim-po rehefa ilaina izany. (1 Pet. 5:7) Vao mainka ianareo hatoky an’i Jehovah rehefa mahita hoe manampy anareo izy. Hoy koa i Tabitha: “Natahotra izahay roa sao dia hifamaly na hifamaly amin’ny fianakavianay. Isaky ny hiresaka momba an’ilay fanomanana àry izahay dia nivavaka aloha. Tena tsapanay hoe nanampy anay i Jehovah. Nifanaraka tsara foana izahay sady tsy nanana olana tamin’ny fianakavianay.”
16-17. Nahoana no zava-dehibe ny mifampiresaka tsara rehefa manomana mariazy?
16 Mahaiza mifampiresaka tsara. (Ohab. 15:22) Be dia be ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisinareo roa momba an’ilay mariazy. Anisan’izany ny daty, ny fandaniana, ary ny olona hasaina. Isaky ny handray fanapahan-kevitra ianareo, dia diniho daholo ny safidy anananareo sy ny torolalan’ny Baiboly afaka manampy anareo ary ny torohevitra nomen’ny Kristianina matotra sy efa za-draharaha. Miezaha ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja rehefa miresaka momba ny zavatra tianao manokana. Raha misy zavatra angatahin’ny fianakavianareo akaiky, ohatra hoe ny ray aman-dreninareo, ary azo tanterahina ihany ilay izy, dia mba omeo fahafaham-po ry zareo. Andro manokana ho an-dry zareo koa mantsy io. Raha tsy afaka manatanteraka ny fanirian-dry zareo ianareo, dia mahaiza mandanjalanja rehefa manazava ny antony. (Kol. 4:6) Hazavao tsara amin’ny fianakavianareo hoe ny hanome voninahitra an’i Jehovah no tena tanjonareo amin’io fotoana mahafaly io.
17 Mety ho sarotra be aminareo ny hanazava ny safidinareo amin’ny ray aman-dreny, indrindra raha tsy Vavolombelona ry zareo. Ho vitanareo anefa izany. Hoy i Santhosh, rahalahy any Inde: “Tian’ny fianakavianay hasiana fombafomba hindoa isan-karazany amin’ilay mariazy. Ela be mihitsy izahay roa vao nahavita nanazava ny fanapahan-kevitray tamin-dry zareo. Nekenay ny zavatra sasany nangatahin-dry zareo rehefa hitanay hoe tsy mampahatezitra an’i Jehovah ilay izy. Novanay hifanaraka tamin’izay tian-dry zareo, ohatra, ny sakafo, dia nanapa-kevitra izahay hoe tsy hasiana hira na dihy amin’ilay izy satria ry zareo tsy zatra an’izany.”
18. Inona no azonareo atao mba ho azo antoka hoe hety tsara ny zava-drehetra? (1 Korintianina 14:40) (Jereo koa ny sary.)
18 Mahaiza mandamina mialoha. Tsy dia hiady saina loatra ianareo amin’ilay andro malaza, raha efa mipetrapetraka tsara daholo ny zava-drehetra. (Vakio ny 1 Korintianina 14:40.) Hoy ny rahalahy iray avy any Taïwan: “Nanao fivoriana kely niaraka tamin’ireo nanolo-tena hanampy anay amin’ilay mariazy izahay, andro vitsivitsy talohan’ilay izy. Niresaka momba an’ilay fandaharana izahay, dia nasiana famerenana ny zavatra sasany mba ho azo antoka hoe hety tsara ilay izy.” Miezaha mba hanao zavatra ara-potoana ho fanajana an’ireo nasaina.
Mahaiza mandamina mialoha mba ho azo antoka hoe hizotra tsara ny zava-drehetra (Fehintsoratra 18)
19. Inona no azonareo atao mba ho azo antoka hoe ho mendri-kaja foana ny fety amin’ilay mariazy?
19 Betsaka ny olana azo sorohina raha eritreretinareo mialoha hoe inona ny zava-tsarotra mety hitranga, ary ahoana no hatao raha mitranga ilay izy. (Ohab. 22:3) Fanaon’ny olona any aminareo ve, ohatra, ny hoe tonga any amin’ny mariazy anankiray na dia tsy nasaina aza? Diniho àry hoe inona no azonareo atao mba tsy hitranga izany. Raha manasa havana tsy Vavolombelona ianareo dia ampahafantaro an-dry zareo hoe inona no ho hitany any, ary ahoana no fiheveranareo ny fombafomba sasany fanao amin’ny mariazy. Azonareo resahina aminy ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Hoatran’ny Ahoana ny Mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah?” Afaka miangavy rahalahy matotra iray ianareo mba ho “mpiandraikitra ny fanasana”, amin’izay mba misy manampy anareo manara-maso an’ilay fety. (Jaona 2:8) Raha hazavainareo tsara aminy ny fandaharana rehetra, dia ho afaka hanampy anareo izy mba hahatonga an’ilay fety ho mendri-kaja sy hizotra tsara araka ny nieritreretanareo azy.
20. Inona no tokony hotsaroan’ny Kristianina momba ny mariaziny?
20 Mety hiady saina be ianao vao mieritreritra ny fanomanana rehetra amin’ilay mariazy. Tadidio anefa hoe iray andro ihany ny mariazinareo. Eo ianareo roa no hanomboka fiainam-baovao, dia hiara-hanompo an’i Jehovah. Ataovy àry izay azonareo atao mba ho tsotra ilay izy sady ho mendri-kaja. Matokia an’i Jehovah. Raha manaraka ny tari-dalany ianareo, dia hilamina tsara ny mariazinareo ary tsy hanenina mihitsy ianareo rehefa mieritreritra an’io andro io fa ho faly sy ho afa-po.—Sal. 37:3, 4.
HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra
a FANAZAVANA: Misy lahatenim-panambadiana ny mariazy any amin’ny tany maro. Mifanolotra peratra izy roa amin’io fotoana io ary manao voady. Misy fety koa aorian’ilay lahateny. Tsy manao an’ireo na ny sasany amin’ireo anefa ny olona any amin’ny tany hafa rehefa atao mariazy. Na izany aza, dia mbola tokony hanaraka ny torolalan’ny Baiboly noresahina tato foana ny mpivady vao amin’ny andron’ny mariaziny.
b Manaraka an’izay takin’ny lalàna momba ny fanambadiana ny Kristianina. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fampakaram-bady Mendri-kaja eo Imason’Andriamanitra sy ny Olona”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2006.
c Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Hasiana Zava-pisotro Misy Alkaola Ve?