Ry Zokiolona, Sarobidy Amin’ny Fiangonana Ianareo
“Tena gaga aho hoe be dia be mihitsy ny zavatra vitako taloha. Tantara anefa izany sisa.”—Connie, 83 taona.
Tsy mahavita zavatra be hoatran’ny taloha intsony koa ve ianao, satria efa mihantitra? Kivy angamba ianao rehefa mampitaha ny zava-bitanao taloha sy amin’izao, na dia efa aman-taonany aza ianao no tsy nivadika tamin’i Jehovah. Raha izany, dia inona no hanampy anao ho falifaly indray?
INONA NO TAKIN’I JEHOVAH AMINAO?
Eritrereto hoe: ‘Inona no takin’i Jehovah amiko?’ Mety hampahery anao ny voalazan’ny Deoteronomia 6:5 hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.”
Tian’i Jehovah hanompo azy amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo ianao, araka io andininy io. Hanampy anao tsy hampitaha ny tenanao amin’ny hafa izany, na hampitaha ny zava-bitanao amin’izao amin’izay vitanao taloha.
Saintsaino izao: Hoatran’ny ahoana ny nomenao an’i Jehovah tamin’ianao mbola tanora? Hamaly ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah hoe ny tsara indrindra. Nanome ny tsara indrindra ianao, nifanaraka tamin’ny zavatra niainanao tamin’izany. Ary ahoana ny amin’izao? Hoatran’ny ahoana ny azonao omena an’i Jehovah? Azo inoana hoe ny tsara indrindra vitanao, fa mifanaraka amin’ny zavatra iainanao amin’izao. Raha raisinao ho hoatr’izany ilay izy, dia ho tsapanao hoe mitovy ihany ny zavatra omenao an’i Jehovah, na taloha na amin’izao. Nanome ny tsara indrindra ianao tamin’izany, dia manome ny tsara indrindra koa ianao amin’izao.
Nanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ianao tamin’ianao mbola tanora, ary mbola manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ianao amin’izao efa be taona izao
MAHASOA NY HAFA NY ZAVATRA NIAINANAO
Diniho koa izao: Aza mifantoka amin’izay zavatra tsy vitanao intsony, fa saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny hafa. Misy zavatra vitanao amin’izao mantsy tsy vitanao tamin’ianao mbola tanora. Ity, ohatra, misy zavatra azonao atao:
Zarao amin’ny hafa izay nianaranao teo amin’ny fiainana. Diniho ireto tenina mpanompon’i Jehovah ao amin’ny Baiboly ireto:
Davida Mpanjaka: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy, na nahita ny zanany nangataka sakafo.”—Sal. 37:25.
Josoa: “Efa ho faty aho izao. Ary fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Efa tanteraka taminareo daholo izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.”—Jos. 23:14.
Efa nilaza zavatra hoatr’izany koa angamba ianao. Ny zavatra niainany mihitsy no noresahin’i Davida sy Josoa. Nilaza ny zavatra hitany sy henony nandritra ny am-polony taona ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ireo, dia lasa nisy lanjany kokoa ny zavatra noteneniny.
Efa ela koa ve ianao no nanompo an’i Jehovah? Raha izany, dia azo inoana hoe be dia be ny zavatra efa hitanao. Anisan’izany ny fitahiana nomen’i Jehovah anao sy ny olon-kafa. Efa nisy fotoana ve nahitanao hoe nitahy ny vahoakany i Jehovah? Maninona raha tantaraina amin’ny hafa izany? Azo inoana hoe nampahery anao ilay izy, dia mety hampahery ny hafa koa. Tena ho afaka hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy àry ianao, raha mitantara ny zavatra niainanao.—Rom. 1:11, 12.
Ho afaka hampahery ny mpiara-manompo koa ianao raha manatrika fivoriana mivantana, araka izay vitanao. Samy handray soa na ianao na ny mpiara-manompo amin’izay. Izao no notenenin’i Connie, ilay voaresaka terỳ aloha: “Manampy ahy tsy ho kivy ny fivoriana. Be fitiavana be ny olona any, koa nahoana moa aho no ho kivy? Omeko fanomezana koa ny hafa mba hampisehoako hoe mankasitraka an-dry zareo aho. Miezaka foana aho mba hifampahery amin’ireo ranadahy sy rahavavy.”
FALY I JEHOVAHA REHEFA MANOMPO AZY FOANA IANAO
Be dia be ny olona resahin’ny Soratra Masina hoe efa tsy nahavita firy intsony nefa mbola tian’i Jehovah. Diniho i Simeona. Efa antitra be izy tamin’i Jesosy teraka. Nahita tanora nanao an’ireo asa lehibe tao amin’ny tempoly izy rehefa nankao amin’io toerana io. Nieritreritra angamba izy hoe tsy nisy nilan’i Jehovah azy intsony satria izy efa antitra. Tsy izany anefa no fahitan’i Jehovah azy. Olo-marina sy mpivavaka be no fahitany azy, dia nomeny tombontsoa hahita an’i Jesosy zazakely izy. Nasain’i Jehovah naminany momba an’io Mesia io mihitsy aza izy. (Lioka 2:25-35) Tsy hoe be taona fotsiny izy tamin’i Jehovah, fa olona nanana finoana matanjaka ary “tao aminy ny fanahy masina.”
Notahin’i Jehovah i Simeona ka nomeny tombontsoa hahita an’i Jesosy zazakely sy haminany momba an’io Mesia io
Matokia koa fa sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoana ataonao, na dia voafetra aza ny vitanao. ‘Tena ankasitrahany’ ny sorona ataon’ny olona iray, “raha araka izay ananany, fa tsy araka izay tsy ananany.”—2 Kor. 8:12.
Mifantoha àry amin’izay vitanao. Inona, ohatra, ny karazana fanompoana mbola azonao atao na dia vetivety fotsiny aza? Sao dia afaka miantso kely an’ireo rahalahy sy anabavy ianao, na manoratra taratasy kely mba hampaherezana an-dry zareo? Tsotra kely izany nefa misy vokany be amin-dry zareo, indrindra raha avy amin’ny mpanompon’i Jehovah efa ela ilay izy.
Voafetra ny zavatra azon’ny be taona sasany atao, nefa mbola mahita vokatra ry zareo. Manasongadina an’izany ilay fitantarana avy any Afrika Atsinanana, ao amin’ilay efajoro hoe “Namonjy ny Ainy Ilay Izy.”
Tadidio fa mampahery ny hafa ilay ianao manam-pinoana sy tsy mivadika. Modely amin’ny fiaretana ianao, ary matokia fa ‘tsy mba manao ny tsy rariny Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonao sy ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany, tamin’ianao nikarakara ny olona masina sady mbola mikarakara azy ireo hatramin’izao.’—Heb. 6:10.
MIEZAHA HO BE ATAO FOANA
Hita tamin’ny fanadihadiana fa salama kokoa, marani-tsaina kokoa, ary ela velona kokoa ny zokiolona tia manampy ny hafa.
Marina aloha hoe mizaka ny vokatry ny fahanterana foana ianao, na dia manampy ny hafa aza. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany mantsy no afaka manala ny fahotana, izay mahatonga antsika hihantitra sy ho faty.—Rom. 5:12.
Mandray soa anefa ianao rehefa manompo an’i Jehovah, ohatra hoe manampy ny olona hahafantatra azy. Tsy ho lefy mantsy ny fanantenanao, ary ho salama kokoa aza ianao. Ry zokiolona, tadidio hoe sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoana ataonareo ho azy, ary tena tian’ny fiangonana ianareo satria manam-pinoana.