FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Desambra p. 31
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Mitovitovy Aminy
  • Tadidinao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fizarana 1
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Desambra p. 31

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ity taona ity? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no mandrisika antsika hanome voninahitra an’i Jehovah?

Manaja lalina an’i Jehovah isika sady tena tia azy, ary tiantsika hahafantatra azy ny olona.​—w25.01, p. 3.

Inona no hanampy antsika hahay hamela heloka kokoa raha nisy olona nanafintohina antsika?

Tsy avelantsika amin’izao fotsiny ny fihetseham-pontsika. Raha tsy mitana lolompo sy tsy tezitra intsony anefa isika dia tsy ho tezi-dava.​—w25.02, p. 15-16.

Nahoana i Marka no modely ho an’ny rahalahy tanora?

Neken’i Marka ilay fanendrena hanompo ny hafa. Nanao an’izany foana izy, na dia nisy zava-nitranga nety ho nampalahelo na nandiso fanantenana azy aza. Ninamana be tamin’i Paoly sy ny Kristianina matotra hafa koa izy.​—w25.04, p. 27.

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izy nivavaka hoe: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao”? (Jaona 17:26)

Efa nahalala ny anaran’Andriamanitra ny mpianany. Nampahafantarin’i Jesosy azy ireo kosa hoe hoatran’ny ahoana marina Ilay mitondra an’io anarana io, anisan’izany ny fikasany sy ny zavatra nataony ary ny toetrany.​—w25.05, p. 20-21.

Inona no ekentsika raha manetry tena isika?

Ekentsika hoe misy zavatra tsy fantatsika, ohatra hoe ny fotoana hahatongavan’ny farany, na ny fomba hanampian’i Jehovah antsika. Tsy fantatsika koa izay havoakan’ny ampitso, ary tsy takatsika daholo ny zavatra fantatr’i Jehovah momba antsika.​—w25.06, p. 15-18.

Inona no hanampy antsika handray soa avy amin’ny lahatsoratra na lahateny iray natao ho an’ny besinimaro?

Saintsaino izao: ‘Inona ilay porofo ampiasaina eto mba handresena lahatra ny olona? Misy fanoharana azoko ampiasaina rehefa mampianatra ve eto? Iza izao no mety ho liana amin’io foto-kevitra io?’​—w25.07, p. 19.

Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa mamela heloka, araka ny nataony tamin’i Davida?

Nanao fahotana lehibe i Davida. Namela azy anefa i Jehovah satria tena nibebaka izy. (1 Mpanj. 9:4, 5) Rehefa mamela antsika i Jehovah dia hadinoiny ny fahotantsika, izany hoe tsy hanameloka antsika amin’iny intsony izy.​—w25.08, p. 17.

Inona no azonao atao raha misy zavatra tsy eken’ny sain’ny mpianatrao?

Raha efa niezaka nanazava an’ilay izy ianao sady nampiasa Baiboly nefa mbola tsy eken’ny sainy ihany ilay izy, dia aza mijanona ela be amin’iny fa aleo iny iverenana amin’ny manaraka.​—w25.09, p. 24.

Milaza ny Baiboly fa “mahavita mamitaka” ny ota. (Heb. 3:13) Ahoana izany?

Mitarika antsika hanao ratsy ny ota. Mahatonga antsika hisalasala foana koa izy io, ohatra hoe tena tia antsika tokoa ve i Jehovah.​—w25.10, p. 16.

Inona ireo zavatra telo azonao atao mba hisy heviny kokoa ny vavaka ataonao?

1) Saintsaino ny toetran’i Jehovah. 2) Eritrereto ny olana atrehinao amin’izao, dia resaho ilay izy. Nisy olona nanao zavatra tsy nety taminao ve ka mila mamela azy ianao? 3) Aza maimaika rehefa mivavaka, amin’izay ianao hahavita hamboraka an’izay any am-ponao amin’i Jehovah.​—w25.10, p. 19-20.

Ahoana no azontsika anampiana ny be taona?

Azontsika atao ny mitsidika na mitelefaonina an-dry zareo, na miaraka aminy rehefa mankany amin’ny dokotera izy, na miara-manompo aminy.​—w25.11, p. 6-7.

Inona no tokony hataon’ny Kristianina mba ho mendri-kaja ny mariaziny?

Manara-dalàna ny Kristianina. Ny vokatry ny fanahy no asongadina mandritra ny lahateny sy ny fety. Asehon’izy roa amin’ny paoziny hoe manetry tena ry zareo. Mitandrina amin’ny fombafomba tsy araka ny Soratra Masina koa ry zareo, ary mifampiresaka tsara rehefa mandamina an’izay hatao amin’ilay mariazy.​—w25.12, p. 21-24.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara