2-8 MARTSA 2026
HIRA 97 Ny Teninao no Ivelomanay
Mahatsapa ve Ianao hoe “Mila An’Andriamanitra”?
ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2026: “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—MAT. 5:3.
HEVITRA HODINIHINA
Manome antsika sakafo sy fitafiana ary fialofana ara-panahy i Jehovah. Hojerentsika ato izay azontsika atao raha tiantsika ny handray soa avy amin’izany foana.
1. Inona ny zavatra sasany ilain’ny olombelona? (Matio 5:3)
FANTATR’I Jehovah izay ilaintsika. Fantany, ohatra, hoe mila sakafo sy fitafiana ary fialofana isika. Mijaly isika raha misy tsy ampy ny iray amin’ireo. Fantatr’i Jehovah koa anefa hoe mila zavatra ara-panahy isika. (Vakio ny Matio 5:3.) Raha tena te ho sambatra àry isika, dia tsy maintsy mahatsapa hoe mila zavatra ara-panahy sady miezaka hahazo an’izany foana.
2. Hazavao amin’ny ohatra ny dikan’ilay hoe “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”
2 Inona no dikan’ny hoe “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra”? Mpangataka fanahy no dikan’izy io amin’ilay teny nanoratana azy tany am-boalohany. Eritrereto hoe mahita mpangataka mipetraka eo amoron-dalana ianao. Rovidrovitra be ny akanjony sady maloto. Reraky ny hanoanana izy. Danihin’ny masoandro izy rehefa amin’ny antoandro, ary miaritra hatsiaka mamanala rehefa amin’ny alina. Mihatakataka aminy ny olona. Fantatr’io mpangataka io tsara hoe mila fanampiana izy, raha tiany hisy mangirana ny fiainany. Hoatr’izany koa ny olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, na mpangataka fanahy. Fantany hoe mila ny fanampian’Andriamanitra izy eo amin’ny fiainana. Manao izay fara heriny àry izy mba handraisan-tsoa avy amin’ireo sakafo ara-panahy sy fanampiana be dia be omen’i Jehovah ho an’izay tia azy.
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Hodinihintsika aloha hoe inona no azontsika ianarana avy amin’ilay vehivavy fenisianina, izay nitalaho fanampiana tamin’i Jesosy. Ho hitantsika avy amin’io fitantarana io ireo toetra telo mila ananan’izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Avy eo isika handinika ny ohatry ny apostoly Petera sy Paoly ary Davida Mpanjaka. Niantehitra tamin’ny fanampian’Andriamanitra koa mantsy ry zareo ireo.
NANETRY TENA SY BE FIKIRIZANA ARY NANAM-PINOANA IZY
4. Inona no tian’ilay vehivavy fenisianina hataon’i Jesosy?
4 Nanatona an’i Jesosy ny vehivavy fenisianina iray indray mandeha. ‘Nijaly be’ mantsy ‘ny zanany vavy fa nisy demonia.’ (Mat. 15:21-28) Nandohalika teo anatrehan’i Jesosy izy, ary nitalaho ny fanampiany. Nisy toetra tsara nasehon’io vehivavy io tamin’izay. Ireto ny sasany amin’izany:
5. Inona avy ny toetra nasehon’ilay vehivavy, ary ahoana no nataon’i Jesosy? (Jereo koa ny sary.)
5 Tena nanetry tena io vehivavy fenisianina io. Izao mantsy: Noharin’i Jesosy tamin’ny alika kely, izay biby nompian’ny hafa firenena izy, nefa tsy tezitra. Ahoana no ho nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany? Ho tezitra ve ianao dia tsy hangataka fanampiana aminy intsony? Tsy nanao an’izany ilay vehivavy fenisianina. Tsy hoe nanetry tena fotsiny izy fa mbola be fikirizana koa. Mbola nitalaho fanampiana tamin’i Jesosy foana mantsy izy. Fa maninona? Satria izy nino an’i Jesosy. Tena nanohina ny fon’i Jesosy ny finoan’io vehivavy io, dia nanao zavatra niavaka izy. Na dia efa niteny aza izy hoe “ho any amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely” ihany no nanirahana azy, dia mbola nesoriny ihany ny fanahy ratsy tao amin’ny zanak’io vehivavy hafa firenena io.
Nila nanetry tena, be fikirizana, ary nanam-pinoana ilay vehivavy fenisianina mba hahazoana fanampiana (Fehintsoratra 5)
6. Inona no ianarantsika avy amin’io vehivavy io?
6 Tsy maintsy manetry tena sy be fikirizana ary manana finoana matanjaka koa izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. Izay manetry tena ihany mantsy no hitalaho foana ny fanampian’Andriamanitra. Tsy maintsy mino an’i Kristy Jesosy koa isika sady matoky an’ireo ampiasainy hitarika ny mpianany. (Mat. 24:45-47) Raha manana an’ireo toetra ireo isika, dia ho faly hanampy antsika i Jehovah sy ny Zanany. (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:5-7.) Andao hojerentsika izao hoe ahoana no anomezan’i Jehovah antsika sakafo sy fitafiana ary fialofana ara-panahy. Handinika ny modely nomen’ny apostoly Petera sy Paoly ary Davida Mpanjaka isika, mba hahitantsika hoe inona no mila ataontsika mba hahazoana an’ireo.
TAHAFO I PETERA KA MAZOTOA MISAKAFO ARA-PANAHY
7. Inona no nasain’i Jesosy nataon’i Petera, dia inona koa no mbola nila nataony? Hazavao. (Hebreo 5:14–6:1)
7 Diniho ny ohatry ny apostoly Petera. Izy no anisan’ny Jiosy voalohany nahafantatra hoe i Jesosy no Mesia, izany hoe ilay nampiasain’i Jehovah mba hampianatra ny olona ‘ny teny hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Jaona 6:66-68) Talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nasainy ‘namahana ny ondrikeliny’ i Petera. (Jaona 21:17) Tena namita tsara an’io andraikiny io izy. Nampiasain’i Jehovah mihitsy aza izy mba hanoratra taratasy roa, izay lasa anisan’ny Baiboly. Mbola nila nisakafo ara-panahy koa anefa i Petera. Nianatra ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly, ohatra, izy. Efa anisan’ny Soratra Masina mantsy ireny taratasy ireny tamin’izany. Niaiky izy hoe “sarotra azo” ny zavatra sasany nosoratan’i Paoly. (2 Pet. 3:15, 16) Nikiry nianatra an’ireny “ventin-kanina” ireny foana anefa i Petera, sady nino hoe hanampy azy i Jehovah mba hahazo sy hahavita hampihatra an’ireny izy.—Vakio ny Hebreo 5:14–6:1.
8. Ahoana no nataon’i Petera rehefa nahazo fanazavana vaovao avy amin’ny anjely izy?
8 Nasehon’i Petera koa hoe nanam-pinoana izy rehefa nankatò ny tari-dalana nomen’i Jehovah azy. Nahita fahitana, ohatra, izy tao Jopa. Nisy biby be dia be tao amin’ilay izy, dia nilaza taminy ny anjely iray hoe: “Vonoy dia hano!” Biby maloto anefa ireo, araka ny Lalàn’i Mosesy. Manafintohina izany raha amin’ny Jiosy. Namaly i Petera tamin’ny voalohany hoe: “Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy nihinan-javatra maloto sy tsy madio mihitsy aho.” Hoy anefa ilay anjely: “Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.” (Asa. 10:9-15) Nankatò i Petera dia nanitsy ny toe-tsainy. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Tsy ela taorian’ilay fahitana, dia nisy olona telo tonga tao aminy. Nirahin’ilay lehilahy hafa firenena atao hoe Kornelio izy ireo, ary nitaona an’i Petera mba ho any amin’ny Tompony. Tsy ho nanaiky ho any an-tranon’ny hafa firenena mihitsy i Petera raha talohan’izay. Naloto mantsy ny hafa firenena tamin’ny Jiosy. (Asa. 10:28, 29) Tonga dia nanaiky an’ilay fanazavana vaovao avy amin’i Jehovah anefa i Petera. (Ohab. 4:18) Nitory tamin’i Kornelio sy ny ankohonany izy, dia faly rehefa nahita an-dry zareo nanaiky ny fahamarinana sy nilatsahan’ny fanahy masina ary natao batisa.—Asa. 10:44-48.
9. Inona avy ny soa azontsika raha mazoto mihinana ventin-kanina ara-panahy isika?
9 Hoatran’i Petera, dia tsy maintsy mivelona amin’ny ronono foana isika, izany hoe mianatra ny fahamarinana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy miezaka koa anefa isika mba ho tia an’ireo ventin-kanina ara-panahy, na ireo fahamarinana saro-takarina kokoa. Tsy maintsy manokana fotoana hianarana isika, dia miezaka hahazo an’ireo fampianarana lalina nety ho tsy azontsika taloha. Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataontsika. Fa maninona? Noho ny antony roa, fara fahakeliny. Voalohany, hitombo ny zavatra fantatsika momba an’i Jehovah, dia izany no hanampy antsika ho tia sy hanaja azy kokoa. Faharoa, vao mainka isika te hiresaka amin’ny hafa momba an’ireo zavatra mahatalanjona nianarantsika momba an’io Raintsika any an-danitra io. (Rom. 11:33; Apok. 4:11) Misy zavatra hafa koa ianarantsika avy amin’i Petera. Rehefa ahitsy ny fahazoantsika ny Tenin’Andriamanitra, dia ho mailaka isika hanitsy ny fomba fisainantsika sy ny zavatra fanaontsika. Amin’izay ihany isika vao ho ampy sakafo ara-panahy sy ho azon’i Jehovah ampiasaina.
TAHAFO I PAOLY KA TAFIO NY TOETRA VAOVAO
10. Inona koa no tokony hataontsika raha te hampifaly an’Andriamanitra isika? (Kolosianina 3:8-10)
10 Misy zavatra hafa tsy maintsy ataontsika koa raha te hampifaly an’Andriamanitra isika. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe tsy maintsy ‘manala ny toetrantsika taloha’ sy ‘mitafy ny toetra vaovao’ isika. (Vakio ny Kolosianina 3:8-10.) Mila ezaka mitohy izany. Eritrereto fotsiny ny ohatr’i Paoly. Efa hatramin’ny mbola tanora izy no niezaka mafy mba hankasitrahan’Andriamanitra. (Gal. 1:14; Fil. 3:4, 5) Tsy tena nahalala ny fikasan’Andriamanitra anefa izy, ka lasa tsy hainy hoe hoatran’ny ahoana no tokony hanompoana azy. Tsy nahafantatra ny fampianaran’i Kristy koa izy sady nanambony tena, dia tsy nanana an’ireo toetra mampifaly an’Andriamanitra. Nilaza mihitsy aza i Paoly hoe “mpanambany olona” izy.—1 Tim. 1:13.
11. Inona no fahalemena nila noresen’i Paoly? Hazavao.
11 Olona mora tezitra i Paoly tamin’izy mbola tsy kristianina. Tantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly hoe tezitra be tamin’ny mpianatr’i Jesosy i Paoly, dia “nandrahona sy nitady handripaka” an-dry zareo. (Asa. 9:1) Tsy maintsy hoe niezaka be izao izy rehefa lasa kristianina, mba hiala amin’io toetrany taloha io. (Efes. 4:22, 31) Na izany aza, rehefa tsy nitovy hevitra izy sy Barnabasy indray mandeha, dia “nifamaly be izy roa lahy sady samy tezitra.” (Asa. 15:37-39) Resy indray i Paoly teo, fa tsy kivy anefa izy. Niady tamin’ilay fahalemeny foana izy, ka toy ny hoe ‘nasiany mafy ny vatany’ amin’izay izy mba hankasitrahan’i Jehovah foana.—1 Kor. 9:27.
12. Inona no nanampy an’i Paoly hiala tamin’ny toetrany taloha?
12 Nahavita niala tamin’ny toetrany taloha sy nitafy ny toetra vaovao i Paoly, satria tsy niantehitra tamin’ny heriny samirery. (Fil. 4:13) Hoatran’i Petera, dia niantehitra tamin’ny ‘hery nomen’Andriamanitra’ i Paoly. (1 Pet. 4:11) Kivy ihany anefa izy indraindray satria nanao diso. Dia inona no nataony? Nisaintsaina an’ireo zavatra tsara nataon’ilay Rainy any an-danitra ho azy izy, dia izany no nandrisika azy hiezaka foana.—Rom. 7:21-25.
13. Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly?
13 Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly? Tokony hiezaka foana isika mba hanala ny toetrantsika taloha sy hitafy ny toetra vaovao, na firy taona na firy taona no nanompoantsika an’i Jehovah. Tsy tokony ho kivy isika raha resy indraindray, ohatra hoe tsy mahafehy ny hatezerantsika na masiaka amin’olona. Tokony hiezaka foana kosa isika mba hanavao ny saintsika sy hanitsy an’izay tsy mety ataontsika. (Rom. 12:1, 2; Efes. 4:24) Rehefa manao an’izany anefa isika, dia mila mitadidy an’izao: Tsy hoatran’ny akanjo ilay izy ka hoe atao mifanaraka amin’ny refintsika. Tsy maintsy manaraka ny refy omen’i Jehovah kosa isika rehefa mitafy ny toetra vaovao. Ara-dalàna be raha isika no miova manaraka an’izay takin’Andriamanitra.
TAHAFO I DAVIDA KA ATAOVY FIALOFANAO I JEHOVAH
14-15. Inona avy no fialofana ara-panahy omen’i Jehovah antsika? (Salamo 27:5) (Jereo koa ny sary.)
14 Tsy ampy ny misakafo ara-panahy sy mitafy ny toetra vaovao raha tena te ho sambatra isika. Mila mialoka amin’i Jehovah koa isika. Ahoana izany? Ary inona no hanampy antsika ho voaro foana?
15 Niresaka momba ny fialofana ara-panahy omen’i Jehovah i Davida Mpanjaka. (Vakio ny Salamo 27:5.) Ahoana no iarovan’i Jehovah ny mpanompony amin’izao? Miaro antsika amin’ny olona, na anjely, na zavatra hafa mety hanimba ny finoantsika izy. Mampanantena izy hoe tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana ny vahoakany. (Sal. 34:7; Isaia 54:17) Na mahery aza i Satana sy ny demonia ary ireo manenjika antsika, dia i Jehovah mbola mahery kokoa. Mety ho vitan-dry zareo ny hamono antsika ho faty, nefa vitan’i Jehovah koa ny hanangana antsika. (1 Kor. 15:55-57; Apok. 21:3, 4) Ampian’i Jehovah koa isika rehefa miady saina, amin’izay isika mahavita manompo azy foana. (Ohab. 12:25; Mat. 6:27-29) Ankoatra izay, dia manome rahalahy sy anabavy be dia be izy mba hanohana antsika, dia omeny koa ny anti-panahy ho mpiandry antsika. (Isaia 32:1, 2) Atoro antsika koa any am-pivoriana hoe inona no azontsika atao mba hahazoana ny fiarovan’i Jehovah.—Heb. 10:24, 25.
Mivory miaraka amin’ireo anadahy sy rahavaviny ny anabavy iray mba hahazoany an’izay ilainy ara-panahy (Fehintsoratra 14-15)
16. Ahoana no niarovan’i Jehovah an’i Davida?
16 Rehefa nankatò an’i Jehovah i Davida, dia voaro tamin’ny loza nanjo an’ireo nanao fanahy iniana nanota. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 5:1, 2.) Tsy narovan’i Jehovah tamin’ny vokatry ny zavatra nataony kosa izy rehefa tsy nankatò. (2 Sam. 12:9, 10) Ny zavatra nataon’ny olona anefa indraindray no nahatonga azy hijaly. Dia ahoana no niarovan’i Jehovah azy? Rehefa namboraka ny tao am-pony tamin’ny vavaka izy, dia nomen’i Jehovah toky hoe tiany be izy sady hokarakarainy foana. Nampionona an’i Davida izany.—Sal. 23:1-6.
17. Ahoana no hanahafantsika an’i Davida?
17 Afaka manahaka an’i Davida isika, ka hitady ny tari-dalan’i Jehovah rehefa handray fanapahan-kevitra. Haintsika koa hoe mety hijaly isika indraindray. Tsy hoe satria tsy nahavita niaro antsika i Jehovah, fa isika no tsy nahay nanapa-kevitra. (Gal. 6:7, 8) Ary raha mijaly isika noho ny zavatra ataon’ny hafa, dia mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika sady matoky hoe hiambina ny fontsika sy ny saintsika izy.—Fil. 4:6, 7.
TOHIZO FOANA NY EZAKA ATAONAO
18. Inona ny olana atrehintsika, ary inona no azontsika atao? (Jereo koa ny sary.)
18 Hoy ny andinin-teny ho an’ny taona 2026: “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” Tena zava-dehibe izany, indrindra amin’izao. Fa maninona? Tsy sambatra mantsy ny olona manodidina antsika, satria tsy eken-dry zareo hoe mila an’Andriamanitra izy, na aleony mankany amin’ny fivavahan-diso na manaraka filozofian’olombelona. Aza manahaka ny olona hoatr’izany. Mazotoa mihinana amin’ireo sakafo ara-panahy aroson’i Jehovah, tafio ny toetra vaovao, ary miezaha hialoka amin’i Jehovah.
Tsy maintsy miezaka isika mba hahazo sakafo sy fitafiana ary fialofana ara-panahy foana (Fehintsoratra 18)a
HIRA 162 ‘Mila Anao’ Aho, Jehovah
a FANAZAVANA SARY: Ilay anabavy tao amin’ny sary teo aloha. Misakafo ara-panahy izy, dia manomana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Mampiseho toetra vaovao izy, ka miezaka ho tsara fanahy amin’ny hafa. Mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy izy, dia manome tari-dalana azy sy mampahery azy ry zareo.