FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 36
  • Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo olana ara-toe-karena halamin’Andriamanitra
  • Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Hahantra Intsony!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Akaiky ny Faran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Fahantrana
    Mifohaza!—2015
  • Tahafo i Jesosy ka Ampio ny Mahantra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 36
Lehilahy iray mijoro eny ambany tanàna dia mijery an’ireo trano avo be tsara tarehy.

Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?

Midina an-dalambe ny olona any amin’ny firenena samihafa satria mahatsapa hoe misy tsy rariny eo amin’ny resaka toe-karena. Vao mainka anefa nitombo io olana io rehefa niparitaka ny COVID-19. Tsy faly ny olona satria teo ny fihibohana, tsy ampy ny sakafo sy ny zavatra hafa, ary vao mainka hita be ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny manankarena rehefa jerena ny fomba ikarakarana fahasalamana.

Mbola hilamina ihany ve ny olana ara-toe-karena mampijaly ny olona? Eny. Hazavain’ny Baiboly hoe inona no hataon’Andriamanitra mba handaminana ny olana mahazo antsika.

Ireo olana ara-toe-karena halamin’Andriamanitra

Olana: Tsy mahazo an’izay tena ilainy ny olona satria tsy misy olombelona mahavita mametraka rafitra ara-toe-karena milamina tsara.

Vahaolana: Hesorin’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona, ary ny fanjakany, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra, no hisolo azy io. Hanjaka avy any an-danitra izy io ary hitondra ny tany manontolo.​—Daniela 2:44; Matio 6:10.

Vokany: Hikarakara ny raharaha samihafa eto an-tany amin’ny fomba tonga lafatra ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa hitondra ny tany manontolo. Tsy hahantra intsony ny olona sady tsy hanahy ny amin’ny hoavy ka hatahotra hoe sao dia ho sahirana. (Salamo 9:7-9, 18) Hankafy ny asan’ny tanany kosa ny rehetra sady ho faly sy ho afa-po miaraka amin’ny fianakaviany. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany. Tsy hanao trano hipetrahan’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa.”​—Isaia 65:21, 22.

Olana: Tsy afa-manoatra ny olona rehefa misy toe-javatra mahatonga azy hijaly na tsy hahazo an’izay tena ilainy.

Vahaolana: Hampiasa ny Fanjakany Andriamanitra mba hanalana an’izay mahatonga ny olona hatahotra sy hanahy.

Vokany: Hokarakarain’Andriamanitra ny olona, dia tsy hisy zavatra hanjo azy ireo sy ny fianakaviany intsony ka hoe lasa tsy hanana an’izay ilainy izy ireo. Tsy hisy intsony, ohatra, ny ady sy ny mosary ary ny valanaretina. (Salamo 46:9; 72:16; Isaia 33:24) Hoy Andriamanitra: “Hipetraka ao amin’ny toerana anjakan’ny fiadanana ny vahoakako, ao amin’ny toerana tsy misy mampatahotra sady milamina.”​—Isaia 32:18.

Olana: Matetika ny olona tia tena sy tsy mety afa-po no manararaotra ny hafa.

Vahaolana: Hiezaka ho tia kokoa ny hafa noho ny tenany ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Matio 22:37-39.

Vokany: Rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho be fitiavana hoatran’Andriamanitra daholo ny olona ka “tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” (1 Korintianina 13:4, 5) Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy hanisy ratsy an’iza na iza izy ireo, sady tsy hanimba na inona na inona eran’ny tendrombohitro masina, satria ho feno fahalalana an’i Jehovaha ny tany, hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.”​—Isaia 11:9.

Asehon’ny Baiboly hoe miaina amin’ny andro farany isika izao, ary kely sisa Andriamanitra dia hanatanteraka an’ilay fampanantenany hoe hanala ny olana ara-toe-karena rehetra.b (Salamo 12:5) Mandra-pahatongan’izany dia afaka manampy anao hiatrika ny olana ara-bola ny toro lalan’ny Baiboly. Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?” sy ilay hoe “Ahoana no Fiheveranao ny Vola?”

Hevi-diso momba ny Baiboly sy ny vola

Hevi-diso: Tsy ho afaka mihitsy ny fahantrana satria niteny i Jesosy hoe: “Hisy mahantra foana ... eo aminareo.”​—Matio 26:11.

Zava-misy: Nilaza ny zava-misy fotsiny i Jesosy, hoe hisy foana ny mahantra raha mbola izao tontolo anjakan’ny tsy rariny izao no mitondra. I Jesosy aza nitory “vaovao tsara amin’ny mahantra”, anisan’izany ilay fampanantenana hoe hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra mandrakizay ny fahantrana.​—Lioka 4:18, 43.

Hevi-diso: Tsy maintsy mahantra izay te hampifaly an’Andriamanitra satria hoy i Jesosy: “Mandehana amidio ny fanananao ary omeo ho an’ny mahantra.”​—Matio 19:21.

Zava-misy: Tsy fitsipika tokony harahin’ny mpanara-dia azy rehetra no nolazain’i Jesosy teo. Tovolahy iray no nasainy nanao an’io satria variana tamin’ny fananany izy. Nampirisihin’i Jesosy ilay tovolahy mba hanatsotra fiainana dia hanaiky an’ilay fanasany mba ho lasa mpanara-dia azy.

Hevi-diso: Tahin’Andriamanitra ny olona sasany dia lasa mpanankarena, satria milaza ny Baiboly hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena.”​—Ohabolana 10:22.

Zava-misy: Harena ara-panahy indraindray no tian’ny Baiboly horesahina amin’ny hoe “fitahian’i Jehovah.” Mety ho fiainana misy dikany, ohatra, no tiany holazaina, na hoe fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, na fanantenana tsara amin’ny hoavy. (Salamo 25:14; Jaona 17:3) Marina fa tena nomen’i Jehovah harena ny mpanompony sasany. Ny ankamaroan’ny olona lasa Kristianina anefa tsy nanankarena. (Genesisy 24:34, 35; Jakoba 2:5) Na i Jesosy Kristy aza tsy nanan-javatra firy.​—Matio 8:20.

Hevi-diso: Mampirisika ny olona hanaraka karazana kominisma ny Baiboly satria izao no voalaza ao momba ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Nikambanany daholo ny zava-drehetra. Nivarotra ny taniny sy ny fananany izy ireo.”​—Asan’ny Apostoly 2:44, 45.

Zava-misy: Nisy fandaharana vonjimaika natao mba hahazo an’izay ilainy ny olona vao lasa Kristianina, ary izay no tantaraina eo amin’ireo andininy ireo. Hanatrika an’ilay fety jiosy antsoina hoe fetin’ny Pentekosta no nahatongavan’ireo olona ireo tany Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 2:5) Rehefa lasa Kristianina anefa ry zareo dia tafajanona elaela kokoa tany Jerosalema, satria nila nianatra bebe kokoa momba an’ilay zavatra vaovao inoany. Nanangona sy nanome an-tsitrapo an’izay nananany ny Kristianina hafa mba hanampiana an-dry zareo hanana sakafo sy trano.​—Asan’ny Apostoly 2:41, 42, 46, 47.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.​—Salamo 83:18.

b Raha tianao ho fantatra hoe nahoana no azo itokisana ny Baiboly, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Milaza ny Marina Foana ny Baiboly.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara