FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 102
  • Mihabetsaka Foana ny Olona Manirery: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihabetsaka Foana ny Olona Manirery: Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no lazain’ny Baiboly?
  • Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly
    Foto-kevitra Hafa
  • Mihabetsaka ny Olona Manirery Eran-tany: Ahoana no Hatao mba Tsy ho Tratran’izany?
    Foto-kevitra Hafa
  • Aza Avela Hanimba ny Fiainanao ny Fahatsiarovan-tena ho Manirery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Nahoana no Be dia Be Ireo Manirery?
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 102
Sariolona taratasy mijoro irery, lavitra ny sariolona taratasy hafa miara-mijoro.

Francesco Carta fotografo/Moment via Getty Images

Mihabetsaka Foana ny Olona Manirery: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Olona iray ao anatin’ny efatra no manirery, araka ny fanadihadiana iray natao vao haingana tany amin’ny toerana isan-karazany maneran-tany.a

  • “Mety hahazo ny olona rehetra izany hoe tsy dia mana-namana na olona iresahana izany, na firy taona izy na firy taona, ary na aiza na aiza misy azy.”​—Chido Mpemba, tompon’andraikitra iray ao amin’ny Vaomiera Misahana ny Fifandraisana eo Amin’ny Fiaraha-monina, ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana.

Be dia be no mieritreritra hoe ny olona efa bebe taona na irery ihany no mahatsiaro ho manirery. Diso hevitra anefa izay mieritreritra hoatr’izany, satria mety hanirery koa na dia ny olona tanora sy salama tsara sy manana ny ampy ary manambady aza. Mety harary ny olona iray raha manirery na tsy mifandray aman’olona mihitsy, ary mety hisy vokany ratsy be eo amin’ny fihetseham-pony koa izany.

  • Nilaza i Dr. Vivek Murthy, Minisitry ny Fahasalamana any Etazonia, fa “tsy hoe zavatra ratsy tsapan’ny olona fotsiny ilay hoe manirery.” Nilaza koa izy hoe: “Atahorana ho faty hoatran’ny olona mahalany sigara 15 eo ho eo isan’andro ny olona tsy mba mifandray aman’olona mihitsy.”

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy tian’ny Mpamorona antsika ho irery isika. Efa hatramin’izay isika olombelona no tian’Andriamanitra hana-namana mahafinaritra.

  • Torolalan’ny Baiboly: “Hoy ... Andriamanitra ...: ‘Tsy tsara raha irery foana ralehilahy.’”​—Genesisy 2:18.

Tian’Andriamanitra ho lasa namany isika. Nampanantena izy hoe hanatona antsika rehefa miezaka manatona azy isika.​—Jakoba 4:8.

  • Torolalan’ny Baiboly: “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.”​—Matio 5:3.

Tian’Andriamanitra hanompo azy miaraka amin’ny olon-kafa isika. Lasa falifaly kokoa isika rehefa manao an’izany.

  • Torolalan’ny Baiboly: “Andao ... isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, ... fa hifampahery kosa.”​—Hebreo 10:24, 25.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba ny hoe fa maninona isika no tokony hiezaka mba tsy hanirery, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Manirery Nefa Betsaka ny Fitaovam-pifandraisana.”

Asainay ianao

Miara-mivory indroa isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manampy anay izany mba hifandray tsara amin’ny Mpamorona sy amin’ny mpiara-monina aminay. Faly izahay manasa anao hiara-mivory aminay.

  • Mitadiava fivoriana eny akaikinareo.

  • Mangataha hotsidihina.

a The Global State of Social Connections, by Meta and Gallup, 2023.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara