FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 22
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Fanjakan’Andriamanitra
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 22
Jesus Christ enthroned as king of God’s Kingdom

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

Fitondram-panjakana naorin’i Jehovah Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Antsoina hoe “ny fanjakan’ny lanitra” koa ny “fanjakan’Andriamanitra” satria avy any an-danitra izy io no mitondra. (Marka 1:14, 15; Matio 4:17) Misy itovizana amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izy io, nefa avo lenta kokoa.

  • Mpitondra. Notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’ilay Fanjakana i Jesosy Kristy, ary nomeny fahefana ambony izay tsy ho azon’ny olombelona mihitsy na iza izy na iza. (Matio 28:18) Efa noporofoin’i Jesosy fa Mpitarika azo itokisana sy tsara fanahy izy, ka tsy hampiasa ny fahefany afa-tsy hanaovan-javatra tsara. (Matio 4:23; Marka 1:40, 41; 6:31-34; Lioka 7:11-17) Nanaraka ny toromarik’Andriamanitra i Jesosy, ka efa nifidy olona avy amin’ny firenena rehetra mba hiaraka aminy any an-danitra “ho mpanjaka hitondra ny tany.”—Apokalypsy 5:9, 10.

  • Faharetany. Tsy mitovy amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izay mifandimbindimby ny Fanjakan’Andriamanitra. “Tsy ho rava mandrakizay” izy io.—Daniela 2:44.

  • Vahoaka. Ny olona rehetra manao izay takin’Andriamanitra no ho afaka ny ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na iza na iza razambeny ary na taiza na taiza toerana nahaterahany.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

  • Lalàna. Tsy hoe mandrara ny olona tsy hanao ratsy fotsiny ny lalàna avoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa mahatonga ny vahoakany hanaraka fitsipi-pitondran-tena tsara koa. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe: “‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’” (Matio 22:37-39) Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny vahoakan’ilay Fanjakana, ka mieritreritra an’izay hahasoa ny olon-kafa foana rehefa manao zavatra.

  • Fanabeazana. Mametraka fitsipika ambony harahin’ny vahoakany ny Fanjakan’Andriamanitra, sady mampianatra azy ireo ny fomba hanarahana an’izany.—Isaia 48:17, 18.

  • Tanjona. Tsy mampahory ny vahoakany mba hampanan-karena ny mpitondra ao aminy ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra kosa izy io, anisan’izany ilay fampanantenany hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izay tia azy.—Isaia 35:1, 5, 6; Matio 6:10; Apokalypsy 21:1-4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara