FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 68
  • Iza no Mankany Amin’ny Afobe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mankany Amin’ny Afobe?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Mandoro Tokoa ve ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Inona Marina moa ny Afobe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Karazan-toerana manao ahoana moa ny fiainan-tsi-hita na afobe?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 68

Iza no Mankany Amin’ny Afobe?

Valiny ara-baiboly

Fasana fotsiny no dikan’ny hoe afobe (“Sheôl” sy “Haides”, amin’ny fiteny tany am-boalohany nanoratana ny Baiboly) fa tsy toerana misy afo fampijaliana. Iza no mankany? Ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy. (Joba 14:13, fanamarihana ambany pejy; Salamo 9:17, f.a.p.) Lazain’ny Baiboly hoe “trano hihaonan’ny velona rehetra” ny fasana na afobe.—Joba 30:23.

Na i Jesosy aza nankany amin’ny afobe rehefa maty. “Tsy nafoy tao amin’ny Haides” anefa izy fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.—Asan’ny Apostoly 2:31, 32, f.a.p.

Mijanona any amin’ny afobe mandrakizay ve izay mankany?

Mbola ho velona indray ireo lasa any amin’ny afobe, satria hatsangan’i Jesosy amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Hoy ny Apokalypsy 20:13, momba an’io fitsanganana amin’ny maty amin’ny hoavy io: “Ny fahafatesana sy ny Haides namoaka ny maty tao aminy.” (f.a.p.) Tsy hisy intsony ny afobe rehefa ho tafavoaka daholo ny maty ao aminy. Tsy hisy hiverina any intsony koa satria “tsy hisy fahafatesana intsony.”—Apokalypsy 21:3, 4; 20:14.

Tsy ny maty rehetra anefa no mankany amin’ny afobe. Asehon’ny Baiboly fa mafy loha ny olon-dratsy sasany ka tsy mety miova. (Hebreo 10:26, 27) Rehefa maty izy ireny dia tsy mankany amin’ny afobe fa any amin’ny Gehena, izany hoe ho ringana mandrakizay. (Matio 5:29, 30) Nilaza, ohatra, i Jesosy fa ho any amin’ny Gehena ny mpitondra fivavahana sasany tamin’ny androny, izay nihatsaravelatsihy.—Matio 23:27-33.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara