FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 32
  • Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no samy ilain’ny Kristianina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao?
  • “Nosoratana ho Fianarantsika”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mbola Ilaintsika ve ny Baiboly Manontolo?
    Mifohaza!—2010
  • “Testamenta Taloha” sa “Soratra Hebreo” — Iza Amin’ireo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 32

Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Eny. Mino izahay fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa” ny Baiboly manontolo. (2 Timoty 3:16) Anisan’izany ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, araka ny iantsoan’ny olona azy ireo. Izahay kosa miantso azy ireo hoe Soratra Hebreo sy Soratra Grika Kristianina, mba tsy hieritreretana hoe efa lany andro na tsy ilaina intsony ny ampahany sasany amin’ny Baiboly.

Nahoana no samy ilain’ny Kristianina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao?

Nasain’Andriamanitra nilaza toy izao ny apostoly Paoly, izay Kristianina: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” (Romanina 15:4) Misy fanazavana tena ilaintsika àry ao amin’ny Soratra Hebreo. Anisan’izany ireo tantara andraisana lesona sy torohevitra mahasoa.

  • Tantara andraisana lesona. Resahina amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Soratra Hebreo ny tantaran’ny famoronana sy izay nahatonga ny olombelona hanota. Raha tsy nisy an’izany fanazavana izany, dia tsy ho fantatsika ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: Ahoana no nampisy antsika? Nahoana ny olona no maty? (Genesisy 2:7, 17) Tantaraina ao amin’ny Soratra Hebreo koa ny fomba nifandraisan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ireo olona nanana zavatra nahafaly sy olana toa antsika.—Jakoba 5:17.

  • Torohevitra mahasoa. Misy torohevitra tsy mety lany andro ao amin’ny bokin’ny Ohabolana sy Mpitoriteny, izay ao amin’ny Soratra Hebreo. Resahina ao hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviana (Ohabolana 15:17), ahoana no ahaizana mandanjalanja eo amin’ny resaka asa (Ohabolana 10:4; Mpitoriteny 4:6), ary ahoana no azon’ny tanora ampiasana ny fiainany mandritra ny fahatanorany (Mpitoriteny 11:9–12:1).

Mandray soa koa isika, rehefa mianatra ny Lalàn’i Mosesy ao amin’ny Torah (ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly). Tsy fehezin’io Lalàna io intsony ny Kristianina. Mirakitra toro lalana mahasoa, izay manampy antsika ho sambatra, anefa izy io.—Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:5-7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara