FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 112
  • Inona no Atao hoe Lanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Atao hoe Lanitra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Toy Inona Marina Izany Lanitra Izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Lanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lanitra
    Mifohaza!—2016
  • Iza avy no Mipetraka any An-danitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 112
Tara-masoandro avy ao anaty rahona

Inona no Atao hoe Lanitra?

Valiny ara-baiboly

Misy heviny telo ny hoe “lanitra” ao amin’ny Baiboly: 1) lanitra ara-bakiteny, 2) fonenan’Andriamanitra sy ny anjely, ary 3) voninahitra na toerana ambony. Ny teny manodidina no ahafantarana ny hevitry ny hoe lanitra ao amin’ny andininy iray.a

  1. Lanitra ara-bakiteny. Azo antsoina hoe “lanitra” ny habakabaka misy ny rivotra mitsoka, vorona manidina, rahona mahatonga orana na lanezy, ary tselatra. (Salamo 78:26; Ohabolana 30:19; Isaia 55:10; Lioka 17:24) Manondro ny any ambony tsy taka-maso misy “ny masoandro sy ny volana ary ny kintana” koa izy io.—Deoteronomia 4:19; Genesisy 1:1.

  2. Fonenan’Andriamanitra sy ny anjely. Ny hoe “lanitra” dia ilazana koa ny faritra ambony lavitra noho izao rehetra izao hita maso. (1 Mpanjaka 8:27; Jaona 6:38) Any no misy an’i Jehovah Andriamanitra izay “Fanahy” sy ny anjely noforoniny. (Jaona 4:24; Matio 24:36) Indraindray ny “lanitra” dia ilazana an’ireo anjely tsy mivadika na ny “fiangonan’ireo masina.”—Salamo 89:5-7.

    Ilazana ny ‘fonenan’i Jehovah’ koa ilay “lanitra” ao amin’ny Baiboly. (1 Mpanjaka 8:43, 49; Hebreo 9:24; Apokalypsy 13:6) Nilaza mialoha, ohatra, ny Baiboly fa horoahina any avy an-danitra i Satana sy ny demonia. Tsy mahazo mankeo anatrehan’i Jehovah intsony àry izy ireo. Mbola fanahy na anjely ihany anefa izy ireo ka any amin’ny faritra tsy hita maso.—Apokalypsy 12:7-9, 12.

  3. Voninahitra na toerana ambony. Ilazana toerana ambony koa ilay hoe “lanitra” ao amin’ny Baiboly. Ampiasaina izy io rehefa hiresaka fahefana. Ireto avy no manana an’izany fahefana izany:

    • Jehovah Andriamanitra, satria izy no Mpanjaka mahery indrindra.—2 Tantara 32:20; Lioka 15:21.

    • Ny Fanjakan’Andriamanitra izay hisolo toerana ny fanjakan’olombelona. Lazain’ny Baiboly hoe “lanitra vaovao” io Fanjakana io.—Isaia 65:17; 66:22; 2 Petera 3:13.b

    • Ny Kristianina manantena ny hiaina any an-danitra nefa mbola eto an-tany.—Efesianina 2:6.

    • Ny fitondram-panjakan’olombelona izay manandra-tena ho ambony noho ny vahoaka feheziny.—Isaia 14:12-14; Daniela 4:20-22; 2 Petera 3:7.

    • Fanahy ratsy mitondra an’ity tontolo ity.—Efesianina 6:12; 1 Jaona 5:19.

Hoatran’ny ahoana ny any an-danitra?

Misy zavatra be dia be atao any. ‘Manatanteraka ny baikon’i Jehovah’ ireo anjely an-jatony tapitrisa any.—Salamo 103:20, 21; Daniela 7:10.

Resahin’ny Baiboly fa tena mazava be ny any an-danitra. (1 Timoty 6:15, 16) Nahazo fahitana ny any an-danitra i Ezekiela mpaminany ka nahita ‘mamirapiratra’, fa i Daniela kosa nahita “renirano afo.” (Ezekiela 1:26-28; Daniela 7:9, 10) Masina na madio ny any an-danitra sady tsara tarehy.—Salamo 96:6; Isaia 63:15; Apokalypsy 4:2, 3.

Mahatalanjona ny zavatra resahin’ny Baiboly momba ny lanitra. (Ezekiela 43:2, 3) Tsy ho takatry ny saintsika tanteraka anefa ny zavatra any an-danitra.

a Ilay teny hebreo nadika hoe “lanitra” dia toa avy amin’ilay fototeny midika hoe “ambony” na “avo.” (Ohabolana 25:3) Jereo ny Diksionera Vaovaon’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy Nataon’i Brown sy Driver ary Briggs (anglisy), pejy 1029.

b Milaza ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong, fa ilay lanitra vaovao ao amin’ny Isaia 65:17 dia midika hoe “fitondrana vaovao, fanjakana vaovao.”​—Boky Faha-4, pejy 122.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara