FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 60
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Eritrereto ny ho vokany
  • Mandraisa fanapahan-kevitra
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ampitovio Amin’ny An’Andriamanitra ny Fiheveranao ny Toaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Mahaiza Mandanjalanja ny Toaka Sotroinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona no Hanampy Anao Hifehy ny Toaka Sotroinao?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 60
Asain’ny namany hisotro ny ankizilahy iray

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?

Tsy raran’ny Baiboly ny misotro toaka amin’ny antonony, raha efa ampy taona ianao. Rarany kosa ny fimamoana.—Salamo 104:15; 1 Korintianina 6:10.

Ahoana anefa raha misy manery anao hisotro, nefa ianao mbola tsy ampy taona na tsy avelan’ny ray aman-dreninao hisotro?

  • Eritrereto ny ho vokany

  • Mandraisa fanapahan-kevitra

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Eritrereto ny ho vokany

Milaza angamba ny namanao sasany hoe tsy ho afaka ny hifalifaly mihitsy ianao rehefa miala voly, raha tsy misotro toaka. Inona anefa no mety hitranga aorian’izay?

  • Olona migadra

    Hosazin’ny lalàna. Any amin’ny tany sasany, dia raran’ny lalàna ny misotro toaka raha mbola tsy ampy taona. Raha misotro àry ny tanora iray, dia mety hosazina handoa lamandy, hosokajina ho mpanao heloka bevava, tsy hahazo hitondra fiara, hasaina hanao asam-pokonolona, na mety higadra mihitsy aza.—Romanina 13:3.

  • Telefaonina

    Ho ratsy laza. Lasa sahisahy ratsy ny olona misotro. Mety hiteny na hanao zavatra hanenenanao àry ianao. (Ohabolana 23:31-33) Dia ho lasa ratsy laza ianao, ary ho hoatr’izany foana raha vao miparitaka ao amin’ny tranonkala fifaneraserana ilay zavatra nataonao.

  • Vehivavy misy manadala

    Tsy hahavita hiaro tena. Raha mamo ianao, dia ho mora tafihin’ny olona na ho mora vetavetaina. Ho mora voatariky ny naman-dratsy koa ianao, ka vao mainka hanaonao foana na hanao zavatra tsy ara-dalàna.

  • Tavoahangy tsisy toaka intsony

    Ho lasa andevozin’ny toaka. Asehon’ny voka-pikarohana sasany fa raha mbola kely ny olona iray no manomboka misotro, dia hiankin-doha bebe kokoa amin’ny toaka izy. Hoatr’izany koa izay misotro isaky ny miady saina, mahatsiaro ho manirery, na tsy misy atao. Ho sarotra amin’ny olona hoatr’izany anefa ny miala amin’ny toaka.

  • Karandoha sy taolana

    Ho faty. Vao haingana izay tany Etazonia, dia olona iray no maty isaky ny 52 minitra tao anatin’ny taona iray, noho ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny mpamily nisotro toaka. Tao anatin’ny dimy taona, dia nisy 1500 mahery ny olona latsaka ny 21 taona maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny fisotroana toaka. Na tsy nisotro aza ianao, dia mety hahita loza ihany raha manaiky hoentin’ny olona avy nisotro.

Mandraisa fanapahan-kevitra

Mitondra vokany ratsy be ny misotro rehefa tsy tokony hisotro. Azonao atao anefa ny misoroka loza raha manapa-kevitra mialoha ny amin’izay hataonao ianao.

Toro lalan’ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Tsy mety ny misotro alohan’ny hitondrana fiara na hanaovana zavatra ilana fifantohana tsara.

Fanapahan-kevitra: ‘Raha mifidy ny hisotro aho, dia miandry efa ampy taona aloha, na rehefa mety ny toe-javatra.’

Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mpanompon’izay ankatoavinareo ianareo.’ (Romanina 6:16) Lasa manaiky hobaikobaikoin’ny namanao ianao, raha misotro satria hoe misotro ry zareo. Tsy hahay hiatrika olana koa ianao, raha misotro isaky ny miady saina na tsy misy atao.

Fanapahan-kevitra: ‘Tsy hanaiky aho raha teren’ny namako hisotro.’

Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay.” (Ohabolana 23:20) Mety ho efa tapa-kevitra ny tsy hisotro ianao, nefa tsy ho sahy handa indray raha miaraka amin’ny naman-dratsy na amin’ny olona mpisotro be.

Fanapahan-kevitra: ‘Tsy hiaraka be amin’ny olona tia misotro aho.’

Ny hevitry ny tanora toa anao

Jordan

“Notaomin’ny ankizy hisotro foana aho, tamin’izaho tany am-pianarana. Tsy maintsy notadidiko foana àry ny voalazan’ny 1 Korintianina 15:33, hoe: ‘Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.’”—Jordan.

Jenna

“Raha vao fantatro hoe mety hisy olona hanery ahy hisotro, dia tonga aho dia miala. Soa ihany fa manao safidy tsara ny namako, raha amin’ny resaka toaka.”—Jenna.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara